Testamenta Taloha 2022
27 desambra–2 janoary. Mosesy 1; Abrahama 3: “Izao no Asako sy Voninahitro”


“27 desambra–2 janoary. Mosesy 1; Abrahama 3: ‘“Izao no Asako sy Voninahitro,’” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“27 desambra–2 janoary. Mosesy 1; Abrahama 3,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
sarina kintana eny amin’ny habakabaka

27 desambra–2 janoary

Mosesy 1; Abrahama 3

“Izao no Asako sy Voninahitro”

Rehefa mamaky izay nolazain’ Andriamanitra tamin’i Mosesy sy Abrahama ianao dia eritrereto izay mety holazainy amin’ireo ankizy ampianarinao. Ahoana no fomba hanampianao azy ireo hahatsapa ny fitiavany ho azy ireo?

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Afaka manampy ny ankizy hahatadidy ny zavatra ianarany ny hira iray indraindray. Tendreo na ventsoy ny naoty vitsivitsy ao amin’ny “Zanaky ny Ray aho,” (Bokin-kiran’ny ankizy, 2–3), dia asaivo mamantatra ilay hira ny ankizy. Ampio ny ankizy hisaintsaina ny fomba ataon’ny ray aman-dreniny sy ny olon-kafa mba “hitarika [azy ireo] sy hanoro lalana [azy ireo],” ary “hanampy [azy ireo] hahita ny lalana.”

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Mosesy 1:1–4, 6

Zanaky ny Ray aho.

Inona no ianaranao avy amin’ny Mosesy 1:1–4, 6 momba ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra? Ahoana no ahafahanao manampy ny ankizy hianatra ny dikan’ny hoe zanak’ Andriamanitra?

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy izay nolazain’ Andriamanitra tamin’i Mosesy: “Zanako ianao” (Mosesy 1:4). Asao ny ankizy iray ho eo anoloan’ilay efitrano ary angataho ny ankizy hamerimberina miaraka aminao hoe: “[Anaran’ilay ankizy iray], zanak’ Andriamanitra ianao.” Avereno ambara amin’ny ankizy tsirairay ao amin’ny kilasy ilay andian-teny.

  • Mampisehoa sarin’ankizy maromaro ary anontanio ny iray kilasy raha toa ka zanak’ Andriamanitra avokoa ireo ankizy ireo. Antitrantero fa zanak’ Andriamanitra ny rehetra. Avelao ny ankizy hifandimby hijery ao anaty fitaratra iray, dia mijoroa ho vavolombelona fa izy ireo ihany koa dia zanak’ Andriamanitra.

  • Hirao miaraka amin’ny ankizy ny “Zanaky ny Ray Aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 2-3). Avelao izy ireo handoko ny pejin’ity asa atao amin’ny herinandro ity, ary ampiasao izany hanaovana famerenana ireo fahamarinana ampianarin’io hira io.

    Sary
    Jesoa Kristy eo anivon’ireo kintana

    I Kristy sy ny Fahariana, nataon’i Robert T. Barrett

Abrahama 3:22–28

Niara-nonina tamin’ny Ray any An-danitra aho talohan’ny nahaterahako.

Ny fahafantarana momba ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana dia afaka manentana antsika hanao safidy mifototra amin’ireo fahamarinana mandrakizay. Rehefa mandalina ny Abrahama 3:22–28 ianao dia eritrereto ny fomba hampianaranao ny ankizy momba ny maha-izy azy ireo mandrakizay.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hitantara ilay tantara aminao. Nahoana ny Ray any An-danitra no nandefa antsika teto an-tany? Ampio ny ankizy hahita valiny rehefa mamaky ho azy ireo ny ao amin’ny Abrahama 3:25ianao.

  • Miaraha mihira hira iray momba ny drafitr’ Andriamanitra ho antsika, toy ny “Hanaraka ny drafitry ny Ray aho,” [Bokin-kiran’ny ankizy, 86–87). Ampio izy ireo hahatakatra ireo fahamarinana mandrakizay ampianarina amin’ilay tononkira.

Mosesy 1:39

Tian’ny Ray any An-danitra hiara-hiaina Aminy indray aho.

Ahoana no nitahiana ny fiainanao noho ireo fahamarinana ao amin’ny Mosesy 1:39 ? Inona no azonao atao hanampiana ny ankizy hiaina ireo fitahiana ireo koa?

Asa atao azo tanterahina

  • Asongadino ireo andian-teny hoe “ity no asako” sy ny “fiainana mandrakizay” ao amin’ny Mosesy 1:39, ary ampio ny ankizy hamerina ireo andian-teny ireo. Lazao momba ny asa ataonao isan’andro ny ankizy. Ampianaro izy ireo fa ny asan’ny Ray any An-danitra dia ny hanampy antsika hahazo fiainana mandrakizay, izay midika hoe lasa tahaka Azy ary miaina miaraka Aminy indray.

  • Asao ny ray na reny iray ho tonga ao an-dakilasy ary hiresaka momba ny fahatsapany rehefa miverina mody any an-trano ny ankizy iray rehefa avy nandao azy (ohatra: tany am-pianarana na tany amin’ny misiona), na zarao ireo fahatsapana nanananao raha niaina ireo. Ampiasao ity ohatra ity mba hampianarana ny ankizy fa tena maniry ny hiverenantsika any Aminy ny Ray any An-danitra.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Mosesy 1:4, 30, 37–39; Abrahama 3:22–28

Zanak’ Andriamanitra aho, ary te hanampy ahy hiverina any Aminy Izy.

Ny Mosesy 1:4, 37–39 sy ny Abrahama 3:22–28 dia mampianatra fahamarinana sarobidy momba ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra sy ny tanjony tamin’ny fandefasana antsika eto an-tany. Saintsaino ny fomba hanampianao ny ankizy hianatra ireo fahamarinana ireo.

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio miaraka amin’ny ankizy ny Mosesy 1:4, 37–39 sy ny Abrahama 3:24–25. Omeo fahafahana hametraka fanontaniana izy ireo ary hizara ireo teny na andian-teny tena tiany avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Inona no ianarantsika avy amin’ireo andininy ireo momba ny Ray Any an-danitra? momba ny tenantsika?

  • Ampisehoy ny ankizy ny sarin’ny sasany amin’ireo zava-boary marobe an’ny Ray any An-danitra. Vakio ny Mosesy 1:30, ary hazavao fa nanontany an’ Andriamanitra momba ny tanjon’ireo zava-boary ireo i Mosesy. Ampio ny ankizy hikaroka ao amin’ny andininy 39 hahitana ny valintenin’ Andriamanitra. Mijoroa ho vavolombelona fa ny tanjon’ Andriamanitra dia ny hanampy ny ankizy tsirairay hahazo ny fiainana mandrakizay.

  • Ampio ny ankizy hieritreritra toe-javatra izay tsy maintsy nisafidianany “hanao ny zavatra rehetra izay handidian’ny Tompo Andriamaniny” (Abrahama 3:25) na tsia. Avelao izy ireo hampihatra na hiresaka ireo mety ho valin-teny amin’ireo toe-javatra ireo. Ahoana no ahafahan’ny Mpamonjy manampy antsika rehefa manao safidy diso isika?

Mosesy 1:12–26

Afaka manohitra ireo fakam-panahin’i Satana aho.

Rehefa mandalina ny Mosesy 1:12–26ianao dia tadiavo ireo zavatra nataon’i Mosesy mba hanoherana an’i Satana Ahoana no fomba mety hanampian’ny ohatr’i Mosesy ny ankizy rehefa miatrika fakam-panahy izy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Fintino amin’ny teninao ny zavatra niainan’i Mosesy ao amin’ny Mosesy 1:12–26 , na angataho ny iray amin’ny ankizy hanao izany.. Asao ny ankizy hikaroka ireo andinin-tsoratra masina ireo hianarana ny fomba nahafahan’i Mosesy nandresy an’i Satana. (Raha mila fanampiana izy ireo, dia atoroy ireo andininy 13, 15, 18, 20–22, 26.)

  • Mitondrà boatina fitaovana (na sarina fitaovana) iray ary soraty eo amin`ny fitaovana tsirairay ny fomba ahafahantsika manohitra fakam-panahy (toy ny fanaovana vavaka, ny fihirana hira masina, ny famakiana ny soratra masina, na ny fanompoana ny hafa). Avelao ny ankizy tsirairay hisafidy fitaovana iray ary hiresaka momba ny toe-javatra iray ka mety hanampy antsika hanohitra ny fakam-panahy ilay asa eo amin’ilay fitaovana amin’izany. Vakio miaraka ny andininy 25–26, ary mijoroa ho vavolombelona fa hanampy antsika Andriamanitra rehefa miatrika fakam-panahy isika.

Abrahama 3:22–28

Niara-nonina tamin’ny Ray any An-danitra aho talohan’ny nahaterahako.

Ireo andinin-tsoratra masina izay mamariparitra ny fahitan’i Abrahama momba ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana ireo dia afaka manampy ny ankizy hamaly ireo fanontaniana hoe: “Avy taiza aho?” ary “Nahoana aho no tonga eto?” Ahoana no hanampianao azy ireo hahita valiny?

Asa atao azo tanterahina

  • Soraty eo amin’ny solaitrabe ny fanontaniana mifandray amin’ny Abrahama 3:22–28, toy ny hoe:Inona no nitranga tamin’ny fiainantsika talohan’ny nahaterahana? Iza no tany? Nahoana no nohariana ny tany? Asao ny ankizy hamaky ireo andinin-tsoratra masina ireo hahitana ny valiny.

  • Raha misy zazakely vaovao ao amin’ny paroasy dia asao ny ray aman-dreniny hitondra azy ao amin’ny kilasy ary hizara ny fahatsapan’izy ireo momba ny fandraisana an’ity zaza ity eto amin’izao tontolo izao. (Azonao atao koa ny mampiseho sarina zazakely vao teraka.) Resaho amin’ny ankizy ny toerana nisy ny fanahin’ity zaza ity talohan’ny nahatongavany teto an-tany. Nahoana no zava-dehibe ho an’ity zazakely ity ny mianatra fa zanak’ Andriamanitra izy?

  • Mihirà hira momba ny drafitr’ Andriamanitra ho antsika, toy ny hoe “He! Velona ny Ray” na “Hanaraka ny drafitr’ Andriamanitra aho” (Bokin-kiran’ny ankizy, 8, 86–87). Asao ny ankizy hanao sary mifandray amin’ireo tononkira. Avelao izy ireo hampiasa ny sarin’izy ireo hifampianarana ireo fahamarinana tsirairay avy amin’ireo hira.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Diniho ireo fomba izay ahafahan’ny lesona nitranga tao amin’ny kilasinao ao amin’ny Kilonga mamporisika, manohana na manamafy ny fianarana mitranga ao an-tokantranon’ny ankizy. Ohatra, azonao atao ny manasa ny ankizy hizara ny pejin’ny asa atao mandritra ity herinandro ity amin’ny fianakaviany.

Manatsara ny fampianarantsika

Mianatra amin’ny fomba maro ny ankizy. Tia mianatra amin’ny alalan’ny fomba vaovao sy isan-karazany ny ankizy. Manaova asa izay mamela azy ireo hihetsiketsika, sy hampiasa ny retsipamantarany rehetra ary hanandrana zavatra vaovao. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 25–26.)

Hamoaka printy