Testamenta Taloha 2022
10–16 janoary. Genesisy 3–4; Mosesy 4–5: Ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva


“10–16 janoary. Genesisy 3–4; Mosesy 4–5: -Ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“10–16 janoary. Genesisy 3–4; Mosesy 4–5,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
I Adama sy i Eva miara-mamindra

I Adama sy Eva, nataon’i Douglas M. Fryer

10–16 janoary

Genesisy 3–4; Mosesy 4–5

Ny Fahalavoan’i Adama sy Eva

Mieritrereta momba ireo ankizy ampianarinao rehefa mandalina ny Genesisy 3–4 sy ny Mosesy 4–5 ianao. Henoy ireo bitsiky sy ny fitaomana azonao; mety hitarika amin’ny sosokevitra enti-mampianatra vaovao ireny.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asehoy ny sarin’i Adama sy i Eva (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana), ary asao ny ankizy hijoro sy hizara ny zavatra hitany ao amin’ilay sary na tsaroany momba ilay tantara.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy kely

Genesisy 3; Mosesy 4

Nanaraka ny drafitry ny Ray any An-danitra i Adama sy i Eva.

Ampio ny ankizy hahatakatra ny zava-nitranga tao amin’ny Saha Edena sy ny fomba nanampian’izany mba hahatanteraka ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra. Inona avy ireo fitahiana azontsika noho ireo safidy nataon’i Adama sy i Eva?

Asa atao azo tanterahina

  • Ampio ny ankizy hahatakatra fa ny safidin’i Adama sy i Eva hihinana ilay voankazo dia ampahany amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra.

  • Omeo sary iray maneho zavatra avy ao amin’ny tantaran’i Adama sy i Eva (toy ny hazo, bibilava, zaridaina, na i Jesoa Kristy) ny ankizy tsirairay. Asao izy ireo hampiakatra ny sarin’izy ireo amin’ny fotoana mety rehefa mitantara ilay tantara ianao ary mamaky fehezanteny avy ao amin’ny Mosesy 4. Mety hanampy ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity.

    Sary
    I Eva mihazona voankazo

    Nandao an’i Edena, nataon’i Annie Henrie Nader

Mosesy 4:1–4

Afaka misafidy ny tsara aho.

Mianatra isika ao amin’ny Mosesy 4:3 fa “nikatsaka ny handrava ny safidin’ny olona, izay efa nomeko, Izaho Tompo Andriamanitra azy” i Satana. Ahoana no hanampianao ny ankizy hankasitraka ny fahafahana misafidy ny tsara sy ny ratsy?

Asa atao azo tanterahina

  • Resaho amin’ny ankizy ny safidy sasany nataonao androany, ary ampio izy ireo hisaintsaina momba ny safidy nataony. Vakio amin’izy ireo ny Mosesy 4:3: “ny safidin’ny olona, izay efa nomeko, Izaho Tompo Andriamanitra azy.” Hazavao fa ity andinin-tsoratra masina ity dia mampianatra antsika fa nomen’ Andriamanitra fahafahana hanao safidy isika. Asehoy ny fankasitrahanao fa afaka misafidy ny tsara ianao ary mijoro ho vavolombelona fa afaka mifidy ny hanao ny tsara koa ny ankizy.

  • Mizarà ohatra vitsivitsy tsotra momba ny ankizy iray manao safidy tsara na safidy ratsy, ary angataho ny ankizy mba hamantatra raha tsara na ratsy ilay safidy (afaka mitsangana, mitazona famantarana, na manangan-tanana izy ireo). Mijoroa ho vavolombelona fa hanampy antsika hisafidy ny tsara ny Ray any An-danitra ary asao ny ankizy hizara ny fahatsapan’izy ireo ihany koa.

  • Ampio ny ankizy hieritreritra safidy tsara azon’izy ireo atao mba hanarahana an’i Jesoa Kristy. Miaraha manao hira mikasika ny fanaovana safidy tsara, toy ny “Fidio ny tsara” (Bokin-kiran’ny ankizy, 82). Lazao amin’ny ankizy ny fotoana iray izay nanaovanao safidy tsara, ary resaho ny fahatsapanao noho ny safidinao.

Mosesy 5:4, 8

Afaka mivavaka amin’ ny Ray any An-danitra aho.

Inona no tokony ho fantatry ny ankizy ampianarinao momba ny vavaka? Inona no hitanao ao amin’ireo andininy ireo izay afaka manampy azy ireo?

Asa atao azo tanterahina

  • Vakio amin’ny ankizy ny Mosesy 5:4. Ampio izy ireo hahatakatra fa rehefa nandao ny Sahan’i Edena i Adama sy i Eva dia tsy afaka ny niaraka amin’ny Ray any An-danitra intsony izy ireo kanefa afaka nivavaka Taminy. Hazavao fa mivavaka amin’ny Ray any An-danitra amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Zanany isika (jereo ny Mosesy 5:8). Inona ireo zavatra azontsika lazaina amin’ny Ray any An-danitra ao anatin’ny vavaka ataontsika?

  • Angataho ny ankizy mba hampiseho aminao ny fihetsika ataon’izy ireo rehefa mivavaka izy ireo. Azonao atao ihany koa ny mampiseho sarin’olona iray mivavaka (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny Filazantsara, lah. 111–12) hampianarana ireo ankizy fa ny fiankohofana, ny fampifandraisana ny sandrintsika ary ny fanakipiana ny masontsika dia manampy antsika ho feno fanajana lalina rehefa mivavaka isika.

  • Mizarà zavatra niainana manokana tamin’ny vavaka na ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny vavaka. Miaraha manao hira iray momba ny vavaka, toy ny “Vavaky ny ankizy” (Bokin-kiran’ny ankizy, 6–7).

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny Fotopampianarana: Ankizy lehibe

Genesisy 3; Mosesy 4; 5:10–11

Ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva dia ampahany ao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra.

Raha nijanona tao amin’ny Saha Edena i Adama sy i Eva dia tsy ho nanan-janaka izy ireo ary tsy ho nandroso mba ho tonga tahaka ny Ray any An-danitra. Feno fankasitrahana isika noho ny safidin’izy ireo hihinana tamin’ilay voankazo satria io safidy io no nahatanteraka ny fiainantsika eto an-tany sy ny fahafahantsika hanana fiainana mandrakizay.

Asa atao azo tanterahina

  • Asao ny ankizy hiara-hiasa hitantarana ny tantaran’ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva amin’ny teniny manokana. Mizarà andininy avy amin’ny Genesisy 3 mba hanampiana azy ireo.

  • Ampio ireo ankizy hahita ao amin’ny Mosesy 4:22–25, 29; 5:10–11 ny vokatry ny fihinanan’i Adama sy i Eva ilay voankazo (jereo koa ny 2 Nefia 2:19–25). Nahoana no fitahiana ho antsika ny safidy nataon’izy ireo? Ahoana no nanampian’ny Mpamonjy antsika handresy ny ota sy ny fahafatesana?

Mosesy 4:1–4

Manana fahefana hisafidy aho.

Moa ve ireo ankizy ampianarinao mahafantatra fa fanomezana sarobidy iray ny fahafahana misafidy ny tsara sy ny ratsy? Ahoana no ahafahan’ny tantaran’i Adama sy i Eva manampy azy ireo hankasitraka an’io fanomezana io?

Asa atao azo tanterahina

  • Manaova lesona tsotra avy amin’ny fampiasan-javatra toy izao manaraka izao mba hanehoana ny maha-zava-dehibe ny fanaovantsika ny safidintsika manokana: Asao ny ankizy handolo ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity, kanefa omeo loko tokana izy ireo hampiasainy. Nahoana no tsara kokoa ny manana safidy eo amin’ity toe-javatra ity? Iaraho mamaky ny Mosesy 4:1–4 mba hiresahana momba ny antony maha-zava-dehibe ny safidy ao anatin’ny drafitr’ Andriamanitra.

  • Asao ny ankizy hizara zavatra niainany manokana ka tsy maintsy nisafidy teo amin’ny tsara sy ny ratsy izy ireo. Avelao izy ireo hifanakalo hevitra momba ny mety ho vokatry ny safidy tsirairay.

Mosesy 5:4–15

Noho i Jesoa Kristy dia afaka mibebaka sy miara-miaina amin’ Andriamanitra indray aho.

Naniraka an’i Jesoa Kristy ny Ray any An-danitra mba hanafaka antsika amin’ireo vokatry ny Fahalavoana. Tamin’ny alalan’ny sorom-panavotany, dia nanao izay hahafahantsika hitsangana amin’ny maty i Jesoa aorian’ny fahafatesantsika sy mamela ny fahotantsika rehefa mibebaka isika.

Asa atao azo tanterahina

  • Manorata lohateny roa eo amin’ny solaitrabe: Noho i Adama sy i Eva ary Noho i Jesoa Kristy. Ampio ny ankizy hamantatra ireo vokatry ny Fahalavoana sady miaraka mamaky ny Mosesy 4:25; 6:48; Romana 5:12; 2 Nefia 2:22–23. Avelao izy ireo hanoratra izay nianarany eo ambanin’ny lohateny voalohany. Dia ampio izy ireo hamantatra ny fomba nandresen’i Jesoa Kristy ny ota sy ny fahafatesana sady miaraka mamaky ny Mosesy 5:8–11, 14–15; 6:59; Almà 11:42. Avelao izy ireo hanoratra izay nianarany teo ambanin’ny lohateny faharoa. Nahoana isika no feno fankasitrahana noho i Jesoa Kristy?

  • Asao ny ankizy hizara ny zavatra tsapany momba an’i Jesoa Kristy?

  • Andro vitsivitsy mialoha, dia mangataha ankizy maromaro hisafidy andinin-tsoratra masina na hira momba ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy mba hozaraina ao amin’ny kilasy. Amporisiho izy ireo hiresaka momba ny antony itiavany izany. Miaraha-manao hira iray na maromaro.

Sary
sary famantarana ny fianarana

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Asao ny ankizy hizara ny pejin’ny asa atao amin’ity herinandro ity amin’ny fianakaviany ary hiresaka momba ireo fitahiana azontsika noho ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva.

Manatsara ny fampianarantsika

Mikatsaha aingam-panahy avy aminao manokana. Aza raisina ho toy ny torolalana tsy maintsy arahinao rehefa mampianatra ianao ireto lesona ato amin’ny rindran-damina ireto. Ampiasao kosa itony mba hakana hevitra handrehetana ny aingam-panahinao manokana rehefa misaintsaina ireo zavatra ilain’ny ankizy ampianarinao ianao. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy,7.)

Hamoaka printy