Testamenta Taloha 2022
10-16 janoary. Genesisy 3–4; Mosesy 4–5: Ny fahalavoan’i Adama sy i Eva


“10-16 janoary. Genesisy 3–4; Mosesy 4–5: Ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“10-16 janoary. Genesisy 3–4; Mosesy 4–5,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
i Adama sy i Eva miaraka mandehandeha

i Adama sy i Eva, nataon’i Douglas M. Fryer

10-16 janoary

Genesisy 3–4; Mosesy 4–5

Ny fFahalavoan’i Adama sy i Eva

Rehefa mandalina ny Genesisy 3–4 sy ny Mosesy 4–5 ianao dia hevero izay zavatra ezahin’ny Tompo ampianarina anao. Raketo ireo fahamarinana ireo sy ireo fahatsapana ara-panahy anananao, dia eritrereto ny amin’izy ireo mandritra ny herinandro.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Amin’ny voalohany ny tantaran’ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva dia mety ho toa zava-doza. Noroahina tao amin’ny Saha mahafinaritr’i Edena i Adama sy i Eva. Nalefa tampoka tao amina tontolo misy fanaintainana, sy alahelo ary fahafatesana foana izy ireo (jereo ny Genesisy 3:16–19). Ary tafasaraka tamin’ny Rainy any An-danitra izy ireo. Fa noho ny fahamarinana naverina amin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny mpaminany Joseph Smith ao amin’ny bokin’ny Mosesy, dia mahafantatra isika fa raha ny marina dia tantara iray mifono fanantenana ny tantaran’i Adama sy i Eva, ary ampahany tena manan-danja amin’ny drafitr’ Andriamanitra ho an’ny zanany.

Nahafinaritra ny Sahan’i Edena. Saingy nila zavatra mihoatra ny tontolo manodidina mahafinaritra i Adama sy i Eva. Nila nanana fahafahana hitomboana izy ireo, ary isika rehetra ihany koa. Ny fandaozana ny Sahan’i Edena no dingana voalohany tena nilaina amin’ny fiverenana amin’ Andriamanitra ka ho tonga tahaka Azy amin’ny farany. Izany dia nidika fiatrehana fifanoherana, fanaovana fahadisoana, fianarana mibebaka ary fatokisana ny Mpamonjy izay nanao Sorompanavotana hahafahana mivoatra tsikelikely sy mahazo “fifaliana amin’ny fanavotana antsika” (Mosesy 5:11). Noho izany, rehefa mamaky momba ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva ianao dia aza mifantoka amin’ny maha-toa zava-doza izany fa amin’ireo fahafahana ho azo amin’izany kosa, tsy amin’ilay paradisa narian’i Adama sy i Eva fa amin’ilay voninahitra raisintsika noho ny safidin’izy ireo.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Genesisy 3:1–7; Mosesy 4; 5:4–12

Ampahany tena nilaina tamin’ny drafitr’ Andriamanitra hanavotana ireo zanany ny Fahalavoana.

Nitondra fahafatesana ara-batana sy ara-panahy teo amin’izao tontolo izao ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva. Nitondra zava-tsarotra, alahelo ary ota ihany koa izany. Ireo rehetra ireo dia toa antony mahatonga ny Fahalavoana ho mampanenina. Saingy ny Fahalavoana dia ampahany tamin’ny drafitry ny Ray any An-danitra hanavotana sy hanandratana ny zanany amin’ny alalan’ny “sorona nataon’ny Lahitokan’ny Ray” (Mosesy 5:7). Rehefa mandalina ny Genesisy 3:1–7; Mosesy 4; 5:4–12 ianao, dia inona no fahamarinana hitanao fa manampy anao hahatakatra ny Fahalavoana sy ny fomba andresen’ny Sorompanavotan’i Kristy izany? Mety hanampy ny fanontaniana toy ireto:

  • Inona no fiantraikan’ny Fahalavoana teo amin’i Adama sy i Eva? Inona no fiantraikan’izany amiko?

  • Nahoana no nanolotra sorona i Adama sy i Eva? Inona no tandindona nasehon’ireo sorona ireo? Inona no azoko ianarana avy amin’ny tenin’ilay anjely ao amin’ireo andininy ireo?

  • Nahoana no “faly” i Adama sy i Eva taorian’ny Fahalavoana? Inona no ianarako avy amin’io fitantarana momba ny drafitr’ Andriamanitra hamonjena ahy amin’ny alalan’i Jesoa Kristy io?

Noho ny Bokin’i Môrmôna sy ireo fanambarana hafa amin’ny andro farany dia manana fomba fijery miavaka momba ny Fahalavoana isika. Ohatra, eritrereto ny zavatra nampianarin’ny mpaminany Lehia ny ankohonany momba an’i Adama sy i Eva ao amin’ny 2 Nefia 2:15–27. Ahoana no hanazavan’ireo fampianaran’i Lehia ny zavatra nitranga tao amin’ny Sahan’i Edena sy hanampian’izy ireo antsika hahatakatra ny antony maha-zava-dehibe izany?

Jereo ihany koa ny 1 Korintiana 15:20–22; Môzià 3:19; Almà 12:21–37; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 29:39–43; Fanekem-pinoana 1:3; Dallin H. Oaks, “Ilay drafitra lehibe,” Liahona, mey 2020, 93–96; Dallin H. Oaks, “Fifanoherana amin’ny zavatra rehetra,” Liahona, mey 2016, 114–17; Jeffrey R. Holland, “[Fahamarinana,] fitiavana, famindrampo, no tafaraka soa,” Liahona, mey 2015, 104–6.

Sary
i Eva mihazona voankazo

Mandao an’i Edena, nataon’i Annie Henrie Nader

Genesisy 3:16; Mosesy 4:22

Inona no hevitry ny hoe i Adama no “hanapaka” an’i Eva?

Matetika io andinin-tsoratra masina io no diso fandray ka noraisina hoe manana ny fahamarinana ny lehilahy raha mitondra ny vadiny amin-karatsiam-panahy. Amin’izao androntsika izao, ireo mpaminanin’ny Tompo dia nampianatra fa raha toa ka tokony hiahy ny tokantrano amin’ny fahamarinana ny lehilahy dia tokony handray ny vadiny ho toy ny mpiara-miasa mitovy lenta aminy izy (jereo ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana amin’izao tontolo izao” [ChurchofJesusChrist.org]). Ny Loholona Dale G. Renlund sy ny Rahavavy Ruth Lybbert Renlund dia nanazava fa ny lehilahy marina dia “hikatsaka izay hanompoana; hanaiky ny hadisoany izy ary hikatsaka famelana; mora midera izy; hieritreritra izay zavatra tian’ny ankohonany manokana izy; ho tsapany ny vesatra lehiben’ny andraikitra ny hanome -izay ilaina eo amin’ny fiainana sy ny fiarovana- ny ankohonany; hitondra ny vadiny amim-panajana sy ny amim-panetrentena lehibe indrindra izy. … Hitahy ny ankohonany izy” (The Melchizedek Priesthood: Understanding the Doctrine, Living the Principles [2018], 23).

Mosesy 5:4–9, 16–26

Hoeken’ Andriamanitra ireo sorona ataoko raha omeko amin’ny fo marisika sy mankatò.

Nianatra i Adama sy i Eva fa ny sorona atao amin’ny alalan’ny biby dia tandindona maneho ny sorona manavotra nataon’i Kristy, ary izy ireo dia “nampahafantatra [izany] ireo zanakalahiny sy zanakavaviny” (Mosesy 5:12). Rehefa mandalina ny Mosesy 5:4–9, 16–26 ianao dia hevero ireo toetra samy hafa nananan’ny roa tamin’ireo zanakalahiny, i Kaina sy i Abela, raha ny amin’ireo sorona ireo. Nahoana ny Tompo no nanaiky ny fanatitra nataon’i Abela fa tsy ny an’i Kaina?

Karazana sorona inona no angatahin’ny Tompo aminao? Misy zavatra manova ny fomba fihevitrao momba ireo sorona ireo ve ao amin’ny Mosesy 5:4–9, 16–26?

Jereo ihany koa ny Salamo 4:5; 2 Korintiana 9:7; Ômnia 1:26; 3 Nefia 9:19–20; Môrônia 7:6–11; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:8; Jeffrey R. Holland, “Indro ny Zanak’ondrin’ Andriamanitra,” Liahona, mey 2019, 44–46.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Genesisy 3; Mosesy 4.Inona no azonao atao mba hanampiana ny fianakavianao hahatakatra kokoa ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva?

Mosesy 4:1–4.Inona no ianarantsika mikasika an’ Andriamanitra, sy i Jesoa Kristy ary i Satana, avy amin’ireo andininy ireo? Nahoana no tena zava-dehibe amin’ny drafitr’ Andriamanitra ny fahafahana misafidy ka mahatonga an’i Satana te-hanapotika izany?

Mosesy 5:5–9.Inona no nandidian’ Andriamanitra an’i Adama sy i Eva hatao mba hanampiana azy ireo hieritreritra momba ny Mpamonjy? Inona no nomen’ Andriamanitra antsika mba hanampiana antsika hieritreritra momba ny Mpamonjy?

Mosesy 5:16–34.Inona no dikan’ny hoe “mpiandry ny rahalahi[ntsika]” isika? Ahoana no ahafahantsika mifampikarakara kokoa amin’ny maha-fianakaviana antsika?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Fidio ny tsara,” Bokin-kiran’ny ankizy, 82.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Mampiasà fitaovana fandalinana soratra masina. Rehefa mandalina ny soratra masina ianao dia ampiasao ireo fanamarihana eny ambanin’ny pejy, sy ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina ary ireo fitaovana fandalinana hafa mba hahazoana hevi-baovao fanampiny.

Sary
anjely mamangy an’i Adama sy i Eva

Fitoviana, nataon’i Walter Rane

Hamoaka printy