Testamenta Taloha 2022
24–30 janoary. Mosesy 7: “Ny Tompo dia niantso ny vahoakany hoe Ziona”


“24–30 janoary. Mosesy 7: -‘Ny Tompo dia niantso ny vahoakany hoe Ziona,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“24–30 janoary. Mosesy 7,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
olona maro mifanerasera amin’ny fomba feno fitiavana

Mifankatiava, nataon’i Emma Donaldson Taylor

24–30 janoary

Mosesy 7

“Ny Tompo dia niantso ny vahoakany hoe Ziona”

Rehefa mamaky sy misaintsaina ny Mosesy 7 ianao dia raketo ireo zavatra ara-panahy tsapanao. Rehefa manao izany ianao dia mampiseho fa manome lanja ny tari-dalana avy amin’ny Tompo ary te-handray bebe kokoa ny fitarihany.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Nandritra ny tantara dia niezaka hahavita ny zavatra vitan’i Enoka sy ny vahoakany ny olona: manorina fiarahamonina tonga lafatra izay tsy misy fahantrana na herisetra. Amin’ny maha-vahoakan’ Andriamanitra antsika dia manana izany faniriana izany koa isika. Antsointsika hoe manangana an’i Ziona izany, ary, ankoatra ny fikarakarana ny mahantra sy fampanjakana ny fiadanana, dia tafiditra ao amin’izany ny fanaovana fanekempihavanana, ny fiaraha-mitoetra amim-pahamarinana ary ny fahatongavana ho iray miaraka amin’ny tsirairay sy miaraka amin’i Jesoa Kristy, “ny Mpanjakan’i Ziona” (Mosesy 7:53). Satria mitohy amin’ny androntsika ny fanorenana an’i Ziona, dia ilaina ny manontany hoe: Tamin’ny fomba ahoana no nanaovan’i Enoka sy ny vahoakany izany? Ahoana no nahatongavan’izy ireo ho “iray fo sy iray saina” (Mosesy 7:18) na dia teo aza ny faharatsiana nanodidina azy ireo? Ao anatin’ireo antsipiriany maro omen’ny Mosesy 7 antsika momba an’i Ziona, dia mety ho ity no manan-danja manokana ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany: tsy tanàna fotsiny i Ziona, fa toe-po sy fanahy ihany koa izy io. I Ziona, araka ny nampianarin’ny Tompo, dia “ny madio am-po” (Fotopampianarana sy fanekempihavanana 97:21). Noho izany, ny fomba tsara indrindra hanorenana an’i Ziona angamba dia ny manomboka ao am-pontsika sy any an-tokantranontsika manokana.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Mosesy 7:16–21, 27, 53, 62–69

Ireo ezaka nataon’i Enoka dia toromarika hanorenana an’i Ziona eo amin’ny fiainantsika manokana.

Satria ny Mosesy 7 dia firaketana ny fomba mahomby nanorenan’ireo mpanaraka an’ Andriamanitra an’i Ziona, dia afaka mampianatra sy manainga antsika izany ankehitriny rehefa miezaka manao tahaka izany isika. Hevero ny hampiasa tabilao tahaka ity anankiray ity mba hiraketana ny zavatra nianaranao momba an’i Ziona avy ao amin’ny Mosesy 7:16–21, 27, 53, 62–69.

Andinin-tsoratra masina

Inona no ianaranao momba an’i Ziona?

Inona no hevitra ambaran’izany momba ireo ezaka ataonao hanorenana an’i Ziona?

Andinin-tsoratra masina

7:18

Inona no ianaranao momba an’i Ziona?

“Iray fo sy Iray saina” ny vahoakan’i Ziona.”

Inona no hevitra ambaran’izany momba ireo ezaka ataonao hanorenana an’i Ziona?

Mila miray hina isika ao amin’ny fianakaviana sy ao amin’ny Fiangonana.

Andinin-tsoratra masina

7:21

Inona no ianaranao momba an’i Ziona?

“Rehefa afaka elaela, [dia] nakarina ho any an-danitra [i Ziona].”

Inona no hevitra ambaran’izany momba ireo ezaka ataonao hanorenana an’i Ziona?

Dingana mandeha tsikelikely ny fanorenana an’i Ziona.

Andinin-tsoratra masina

Inona no ianaranao momba an’i Ziona?

Inona no hevitra ambaran’izany momba ireo ezaka ataonao hanorenana an’i Ziona?

Andinin-tsoratra masina

Inona no ianaranao momba an’i Ziona?

Inona no hevitra ambaran’izany momba ireo ezaka ataonao hanorenana an’i Ziona?

Mosesy 7:18–19, 53

Tokony hiezaka mafy ny vahoakan’ Andriamanitra mba ho “iray fo sy iray saina.”

Ny Mosesy 7:18–19 dia mitanisa toetra manan-danja nananan’ireo vahoaka izay nantsoin’ Andriamanitra hoe Ziona. Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe ireo toetra ireo mba hanorenana an’i Ziona? Inona no tsy mampitovy an’i Ziona amin’ireo vondrona na fikambanana tafaray hafa izay miray hina eo amin’izao tontolo izao? Rehefa misaintsaina io fanontaniana io ianao, dia mety hieritreritra ireto tenin’i Jesoa Kristy ao amin’ny andininy 53 ireto: “Izaho no Mesia, ny Mpanjakan’i Ziona.” Inona no dikan’izany hoe manana an’i Jesoa Kristy ho Mpanjakantsika izany? Ahoana no anampiany antsika hampivelatra ireo toetran’i Ziona?

Jereo ihany koa ny Filipiana 2:1–5; 4 Nefia 1:15–18; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 97:21; 105:5.

Sary
olona mifampiarahaba

Tokony hiezaka mafy isika mba ho “iray fo sy iray saina” (Mosesy 7:18).

Mosesy 7:21, 23–24, 27, 69

Inona no nitranga tamin’ilay tanànan’i Enoka?

Ireo teny hoe “nakarina” (Mosesy 7:21, 23), “tafasondrotra” (Mosesy 7:24), “nakarin’ny” (Mosesy 7:27), ary “lasa” (Mosesy 7:69) dia manondro ny nanovana endrika sy nitondrana an’i Ziona tany an-danitra. Ny olona izay novana endrika dia “novana mba tsy handalo fanaintainana na fahafatesana” toy ny olombelona mety maty (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Olona Novana,” “Ziona,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org; jereo ihany koa ny 3 Nefia 28:4–9, 15–18, 39–40).

Mosesy 7:28–69

Mitomany ireo zanany Andriamanitra.

Ny olona sasany dia mahita an’ Andriamanitra ho toy ny olona lavitra izay tsy tohim-po amin’ny zavatra mitranga amintsika. Saingy nahita fahitana i Enoka izay nahitany an’ Andriamanitra nitomany ireo zanany. Rehefa mamaky ny Mosesy 7:28–40 ianao dia tadiavo ny antony nitomanian’ Andriamanitra. Tao anatin’ny ambin’ny fahitan’i Enoka, izay voafaritra ao amin’ny Mosesy 7:41–69, dia inona no porofo ahitanao fa “feno famindram-po sy tsara mandrakizay” Andriamanitra? (Mosesy 7:30; jereo ny andininy 43, 47, sy ny 62 ho ohatra).

Mosesy 7:62

Hanangona ny olom-boafidiny Andriamanitra amin’ny andro farany.

Ny andininy 62 dia mamaritra ireo zavatra hitrangan’ny andro farany. Hevero ny mety ho dikan’ny andian-teny tahaka ireto: “fahamarinana no haidiko avy any an-danitra,” “ny marina no halefako avy eto an-tany,” “fahamarinana sy marina no hasaiko mipaoka ny tany toy ny amin’ny tondra-drano.” Inona no ampianarin’ireo andian-teny ireo anao momba ny asan’ Andriamanira amin’ny andro farany?

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Mosesy 7:18–19.Mba hanampiana ny olona ao amin’ny fianakaviana hahita ny dikan’ny hoe “iray fo,” dia azonareo atao ny manamboatra fo amin’ny taratasy dia tapaho izany ho lasa piozila ampy hahazoan’ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana tapany iray avy. Afaka manoratra ny anarany eo amin’ny tapany izay azony ny olona ao amin’ny fianakaviana ary avy eo dia hiara-miasa hanambatra ilay fo. Eo am-panambaranareo ilay piozila dia azonareo resahina ny momba ny zavatra tianareo amin’ny olona tsirairay ao amin’ny fianakaviana.

Mosesy 7:28–31, 35.Inona no ianarantsika momba an’ Andriamanitra avy amin’ireo andininy ireo?

Mosesy 7:32.Nahoana no nomen’ Andriamanitra fahafahana misafidy isika? Inona no mety ho azontsika lazaina amin’ny olona iray izay mahatsapa fa mametra ny fahafahantsika misafidy ny didin’ Andriamanitra? Ny famakiana ny 2 Nefia 2:25–27 dia mety hanampy amin’io fifanakalozan-kevitra io.

Mosesy 7:59–67.Rehefa mamaky ny Mosesy 7:59–67 ny fianakavianareo, dia miezaha manisy marika na mandray naoty ny zavatra notenenin’ny Tompo tamin’i Enoka momba ny andro farany. Ohatra hoe Andriamanitra dia “hanangona ny olom-boafidi[ny]” (andininy 62) sy ny hoe hisy “fahoriana be [eo] anivon’ny olon-dratsy” (andininy 66). Ahoana no ahafahantsika manana finoana sy fanantenana na dia eo aza ny faharatsiana amin’ny andro farany? Ao anatin’ity fifanakalozan-kevitra ity dia hevero ny hamaky ireto teny avy amin’ny Loholona Ronald A. Rasband ireto: “Mahereza ry rahalahy sy ranabavy. Eny, miaina ao anatin’ny fotoan-tsarotra isika, kanefa rehefa mijanona eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana isika, dia tsy mila matahotra. Mitsodrano anareo aho fa rehefa manao izany ianareo, dia tsy hatahotra noho ireo fotoana izay iainantsika amin’izao na ireo olana izay tonga eo aminareo. Mitsodrano anareo aho mba hisafidy ny hijoro eo amin’ny toerana masina ka tsy hihetsika eo. Mitsodrano anareo aho mba hino ireo fampanantenan’i Jesoa Kristy, fa velona Izy ary mijery antsika Izy, mikarakara antsika ary mijoro eo akaikintsika” (“Aza matahotra,” Liahona, nôv. 2018, 21).

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Fitia ao an-tokantrano,” Fihirana sy hiran’ny ankizy, p. 88.

Manatsara ny fampianarantsika

Mahaiza mandinika. Rehefa mandinika tsara ny zavatra miseho eo amin’ny fiainan’ireo zanakao ianao dia hahita fahafahana tena tsara hampianarana. Ny fanehoan-kevitra sy fanontanian’ireo zanakao mandritra ny andro dia afaka manome famantarana fa mety hisy fotoana hampianarana. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 16.)

Sary
Sary hosodokon’i Enoka sy olona miandrandra hazavana

Tanànan’i Ziona novàna, nataon’i Del Parson

Hamoaka printy