Testamenta Taloha 2022
31 janoary–6 febroary. Genesisy 6–11; Mosesy 8: “[Nahita] sitraka teo imason’ny Tompo [i Noa]”


“31 janoary–6 febroary. Genesisy 6–11; Mosesy 8: -[Nahita] sitraka teo imason’ny Tompo [i Noa],-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“31 janoary–6 febroary. Genesisy 6–11; Mosesy 8,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
Noa, ny fianakaviany, ireo biby, ny sambofiara ary ny avana

Sary fanehoana an’i Noa miala amin’ny sambofiara, nataon’i Sam Lawlor

31 janoary–6 febroary

Genesisy 6–11; Mosesy 8

“[Nahita] sitraka teo imason’ny Tompo i [Noa]”

Matetika ny tantara ao amin’ny soratra masina dia afaka mampianatra antsika lesona ara-panahy be dia be. Rehefa mamaky momba ny Safodrano Lehibe sy ny Tilikambon’i Babela ianao dia katsaho ny fanentanam-panahy momba ny fomba hampiharana ireo tantara ireo aminao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Taranaka maro mpamaky Baiboly no nahazo fanentanam-panahy avy amin’ny tantaran’i Noa sy ny Safodrano. Fa isika izay miaina amin’ny andro farany dia manana antony manokana hifantohana amin’izany. Rehefa nampianatra antsika ny fomba tokony hiambenantsika ho amin’ny Fiaviany fanindroany i Jesoa Kristy dia hoy Izy: “Toy ny tamin’ny andron’i Noa, dia ho toy izany koa amin’ny fiavian’ny Zanak’olona” (Joseph Smith—Matio 1:41). Ankoatra izany, ireo andian-teny izay mamaritra ny andron’i Noa toy ny hoe “simba” sy ny hoe “feno herisetra,” dia afaka mamaritra mora foana ny androntsika (Genesisy 6:12–13; Mosesy 8:28). Toa azo ampiharina amin’izao androntsika izao ihany koa ny tantaran’ny Tilikambon’i Babela, amin’ny famaritany ny avonavona arahin’ny fikorontanana sy fizarazarana eo amin’ny zanak’ Andriamanitra.

Manan-danja ireo tantara fahiny ireo, tsy hoe noho izy mampiseho amintsika ny fiverimberenan’ny faharatsiana teo amin’ny tantara fotsiny ihany. Fa zava-dehibe kokoa noho izany, mampianatra antsika ny zavatra tokony hatao manoloana izany izy ireo. “[Nahita] sitraka teo imason’ny Tompo” i Noa (Mosesy 8:27) na dia teo aza ny faharatsiana manodidina azy. Ary ny fianakavian’i Jareda sy ny rahalahiny dia nitodika tamin’ny Tompo ka nentina niala tamin’ny faharatsiana tao Babela (jereo ny Etera 1:33–43). Raha manontany tena isika hoe ahoana no hiarovana ny tenantsika sy ny fianakaviantsika amin’ny loza mety hahazo amin’izao fotoan’ny fahasimbana sy herisetra iainantsika izao, dia manana zavatra betsaka ampianarina antsika ireo tantara mahazatra ao amin’ireo toko ireo.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Genesisy 6; Mosesy 8

Ahazoana fiarovana ara-panahy ny fanarahana ny mpaminanin’ny Tompo.

Noho ny filazantsara naverina amin’ny laoniny dia mahalala zavatra betsaka kokoa momba an’i Noa mihoatra noho izay hita ao amin’ny Testamenta Taloha isika. Ny dikanteny avy amin’ny fanentanam-panahy nataon’i Joseph Smith ny Genesisy 6, izay hita ao amin’ny Mosesy 8, dia manambara fa i Noa dia iray amin’ireo mpaminany lehibe an’ Andriamanitra. Notendrena sy nirahina hitory ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izy, niara-nandeha sy niresaka tamin’ Andriamanitra izy ary voafidy hanangana indray ireo zanak’ Andriamanitra teto ambonin’ny tany taorian’ilay safodrano (jereo ihany koa ny Enseignements des président de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 104, 201). Inona no zavatra ianaranao momba ny mpaminany avy amin’ny zavatra niainan’i Noa?

Rehefa mamaky momba ny andron’i Noa ianao dia mety hahita fitoviana amin’izao androntsika izao. Ohatra:

Inona no ampianarin’ny mpaminany ankehitriny mikasika ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ka afaka miaro anao eo amin’ny tontolo ankehitriny izao? Rehefa mamaky momba ny zavatra niainan’i Noa ianao dia inona no manentana anao hanaraka ireo mpaminanin’ny Tompo amin’izao androntsika izao?

Jereo koa ny Môzià 13:33; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 21:4–7.

Genesisy 9:8–17

Manampy antsika hahatsiaro ny fanekempihavanantsika amin’ny Tompo ny famantarana sy tandindona.

Ny fanekempihavanan’ny filazantsara dia azo aseho amin’ny alalan’ny marika, tandindona ary “famantarana” (Genesisy 9:12). Ohatra, eritrereto hoe amin’ny fomba ahoana ny mofo sy ny ranon’ny fanasan’ny Tompo na ny ranon’ny batisa no mampahatsiaro anao ireo fahamarinana masina mifandray amin’ireo fanekempihavanana ataonao. Araka ny voalazan’ny Genesisy 9:8–17, inona no zavatra ampahatsiahivin’ny avana anao? Inona no ampian’ny Dikantenin’i Joseph Smith, Genesisy 9:21–25 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina) amin’ny zavatra takatrao? Nahoana no tian’ny Tompo hahatsiaro Azy sy ny fanekempihavanana nataonao ianao?

Jereo ihany koa ny Gerrit W. Gong, “Tsarovy mandrakariva Izy,” Liahona, mey 2016, 108–11.

Genesisy 11:1–9

Ny lalana tokana hahazoana ny lanitra dia ny fanarahana an’i Jesoa Kristy.

I Babela fahiny, na Babylona, dia nampiasaina ho toy ny tandindon’ny faharatsiana sy ny fiainan’izao tontolo izao hatrany (jereo ny Apôkalipsy 18:1–10; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 133:14). Rehefa mandalina ny Genesisy 11:1–9 ianao dia saintsaino ireo hevitra nomen’ny mpaminany Môrmôna izay nanoratra fa i Satana no “ilay nametraka tao am-pon’ny vahoaka mba hanorina tilikambo iray avo tokoa mba hahazoany mankany an-danitra” (Helamàna 6:28; jereo ihany koa ny andininy 26–27). Inona avy ireo fampitandrema omen’ny tantaran’ny Tilikambon’i Babela anao?

Jereo koa ny Salamo 127:1.

Sary
ny tilikambon’i Babela

Sary fanehoana ny Tilikambon’i Babela, nataon’i David Green

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Genesisy 6–8.Ahoana no mety hahafahanao mampiasa ny tantaran’ny sambofiaran’i Noa hampianarana ny fianakavianao ny fomba ahafahan’ny fanarahana ny mpaminany miaro antsika ara-panahy? Mety hoe afaka miara-miasa hanamboatra sambo kilalao vita amin’ny taratasy na hazo ny fianakavianareo. Rehefa mamaky ny Genesisy 6–7 ianareo dia afaka mampitaha ny fiarovana omen’ilay sambo sy ny fiarovana hita amin’ny fanarahana ny mpaminany. Azonareo atao ny mifanakalo hevitra momba ny torohevitra vao haingana avy amin’ny mpaminany ianareo ary hanoratra ireo toroheviny eo amin’ilay sambo.

Inona no zavatra hafa nomen’ Andriamanitra antsika izay azo ampitahaina amin’ny sambofiara izay namonjy ny fianakavian’i Noa? Ireto loharano ireto dia mandroso valiny maromaro, na dia mbola misy loharano maro hafa aza: 2 Nefia 9:7–13; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 115:5–6; ary ny hafatry ny Filoha Russell M. Nelson “Lasa Olomasin’ny Andro Farany maodely” (Liahona, nôv. 2018, 113–14).

Mosesy 8:17.Inona no hevitr’izany hoe “hiara-miady” amintsika ny Fanahin’ny Tompo? (jereo ny 1 Nefia 7:14; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 1:33). Oviana no niainantsika izany hoe miara-miady amintsika ny Fanahy?

Genesisy 9:8–17.Mety hoankafizin’ny ankizy madinika ny manao sary na mandoko avana iray mandritra ny firesahanareo ny zavatra asehon’izany (jereo koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Genesisy 9:21–25 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina]). Afaka miresaka zavatra izay manampy antsika hahatsiaro ny fanekempihavanana nataontsika ihany koa ianareo, toy ny fanasan’ny Tompo izay manampy antsika hahatsiaro ny fanekempihavanana nataontsika tamin’ny batisa ny hanaraka an’i Jesoa Kristy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:75–79).

Genesisy 11:1–9.Mety hanampy ny famakiana ny Etera 1:33–43 rehefa mandalina ny Genesisy 11 ny fianakavianao ka mianatra momba ny Tilikambon’i Babela. Inona no zavatra ianarantsika avy amin’ny fianakavian’i Jareda sy ny rahalahiny ka manampy ny fiankaviantsika hahita fiarovana ara-panahy na dia eo aza ny faharatsiana eo amin’izao tontolo izao? Inona avy ireo lesona fanampiny ianarantsika avy amin’i Noa sy ny fianakaviany rehefa niatrika fanamby mitovitovy amin’izany izy ireo? (jereo ny Mosesy 8:13, 16–30).

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Araho hatrany ny Mpaminany,” Bokin-kiran’ny ankizy, 58 (andininy 3).

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Zarao ireo zavatra takatrao. Rehefa mizara ny zavatra nianaranao avy ao amin’ny soratra masina ianao dia tsy vitan’ny hoe mitahy ny hafa ianao fa mahatonga ny fahatakaranao ho lalina ihany koa. Inona no zavatra tsapanao fa anentanan’ny Fanahy anao hozaraina avy ao amin’ny soratra masina amin’ny fianakavianao, na ny namanao, na mpikambana ao amin’ny paroasy?

Sary
Ny sambofiaran’i Noa

Fanehoana an-tsary ny sambofiaran’i Noa, nataon’i Adam Klint Day

Hamoaka printy