Testamenta Taloha 2022
14-20 febroary. Genesisy 18–23: “Moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain’i Jehovah va?”


“14-20 febroary. Genesisy 18–23: -Moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain’i Jehovah va?-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“14-20 febroary. Genesisy 18–23,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
Saraha mitrotro an’i Isaka zazakely

Saraha sy Isaka, nataon’i Scott Snow

14-20 febroary

Genesisy 18–23

“Moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain’i Jehovah va?”

Vakio sy saintsaino ny Genesisy 18–23, ary raketo ireo zavatra tsapanao. Azonao ampiasaina ny hevitra ao anatin’ity rindran-damina ity mba hanampiana anao handalina ireo toko ireo, ary mety hoentanim-panahy hitady hafatra hafa ao amin’ny soratra masina izay nataon’ny Tompo ho anao manokana ianao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Ny fiainan’i Abrahama izay feno trangan-javatra mahavaky fo sy mampahery dia porofon’ny fahamarinana iray nianaran’i Abrahama tao anatina fahitana iray, dia ny hoe eto an-tany isika mba hozahan-toetra, mba “hahitana raha toa [isika] hanao ireo zava-drehetra handidian’ny Tompo [Andriamanitsika antsika]” (Abrahama 3:25). Ho mahatoky ve i Abrahama? Mbola hino hatrany ny fampanantenan’ Andriamanitra momba ny taranaka be dia be ve izy na dia hoe tsy mbola nanan-janaka aza izy sy i Saraha vadiny tamin’ny fahanterany? Ary raha vao teraka Isaka, haharitra ny zavatra tsy azo eritreretina ve ny finoan’i Abrahama, dia ny didy mba hanao sorona ilay zanaka nampanantenan’ Andriamanitra fa hanatanterahany izany fanekempihavanana izany? Hita ho nahatoky i Abrahama. Natoky an’ Andriamanitra i Abrahama ary natoky an’i Abrahama Andriamanitra. Ao amin’ny Genesisy 18–23 isika dia mahita tantara avy amin’ny fiainan’i Abrahama sy ny hafa izay afaka manosika antsika hieritreritra momba ny fahafahantsika mino ny fampanantenan’ Andriamanitra, handositra ny faharatsiana sy tsy hierika mihitsy intsony ary hatoky an’ Andriamanitra na dia eo aza ilay sorona.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Genesisy 18:9–14; 21:1–7

Manatantanteraka ny fampanantenany amin’ny fotoany manokana ny Tompo.

Nanao fampanantenana be voninahitra tamin’ireo mahatoky ny Tompo, saingy ny zava-misy eo amin’ny fiainantsika indraindray dia mety hahatonga antsika hanontany tena hoe ahoana no mety hahatanteraka ireo fampanantenana ireo. Mety ho nisy fotoana nahatsapan’i Abrahama sy i Saraha toy izany. Inona no ianaranao avy amin’ny zavatra niainan’izy ireo? Mety hanampy ny manomboka ny fandalinana ataonao amin’ny alalan’ny famerenana mijery ny zavatra nampanantenain’ny Tompo an’i Abrahama ao amin’ny Genesisy 17:4, 15–22. Ahoana no namalian’i Abrahama sy i Saraha izany? (jereo ihany koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Genesisy 17:23). Ahoana no navalin’ny Tompo mba hanampiana azy ireo hanana finoana lehibe kokoa an’ireo fampanantenany? (jereo ny Genesisy 18:14).

Inona no hitanao hoe manorina ny finoanao ao amin’ireo andininy ireo? Zavatra niainana hafa inona, teo amin’ny fiainanao na teo amin’ny fiainan’olon-kafa, no nanamafy ny finoanao fa hanatanteraka ireo fampanantenany aminao amin’ny fotoany sy ny fombany manokana ny Tompo?

Jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:68.

Genesisy 19:12–29

Mandidy antsika handositra ny faharatsiana ny Tompo.

Inona no lesona ianaranao momba ny fandosirana ny faharatsiana rehefa mamaky momba an’i Lota sy ny fianakaviany ianao? Ohatra, inona no nanaitra anao tamin’ny zavatra nolazaina sy nataon’ireo anjely mba hanampiana an’i Lota sy ny ankohonany handositra ny fandringanana? (jereo ny Genesisy 19:12–17). Ahoana no nanampian’ny Tompo anao sy ny fianakavianao handositra na hahita fiarovana amin’ny hery mitarika ratsy eo amin’izao tontolo izao?

Mba hahalalana misimisy kokoa momba ny fahotan’i Sôdôma sy Gômôra, dia jereo ny Ezekiela 16:49–50 sy ny Joda 1:7–8.

Jereo koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Genesisy 19:9–15 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina).

Sary
sary fanehoana an’i Lota sy ny fianakaviany mandositra an’i Sôdôma sy Gômôra

Mandositra an’i Sôdôma sy Gomora, nataon’i Julius Schnorr von Carolsfeld

Genesisy 19:26

Inona no hadisoana nataon’ny vadin’i Lota?

Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe:

“Raha ny fahitana azy, ny fahadisoan’ny vadin’i Lota dia tsy ny fiherehany fotsiny ihany; fa ny tao am-pony dia te-hiverina izy. Izany dia mety haneho fa na dia talohan’ny nihoarany ny faritr’ilay tanàna aza dia efa manina sahady ireo zavatra noraisiny tao Sôdôma sy Gômôra izy. … Tsy nanana finoana izy. Nisalasala ny amin’ny fahafahan’ny Tompo manome azy zavatra tsara kokoa noho izay ananany izy. …

“Ho an’ny [olona] rehetra avy amin’ny taranaka rehetra no anaovako antso hoe: -Tsarovy ny vadin’i Lota- [Lioka 17:32]. Ho an’ny hoavy ny finoana. Miorina eo amin’ny lasa ny finoana fa tsy maniry ny hijanona eo mihitsy. Ny finoana dia matoky fa manana zavatra lehibe voatahiry ho an’ny tsirairay amintsika Andriamanitra ary i Kristy no tena -Mpisoronabe ny amin’ny zavatra tsara ho avy- (Hebreo 9:11)” (“The Best Is Yet to Be,” Ensign, Jan. 2010, 24, 27).

Genesisy 22:1–19

Ny fahavononan’i Abrahama hanao sorona an’i Isaka dia tandindon’ Andriamanitra sy ny Zanany.

Tsy fantatsika ny antony rehetra nandidian’ Andriamanitra an’i Abrahama hanao sorona an’i Isaka; fa tena fantatsika fa fitsapana ny finoany an’ Andriamanitra izany (jereo ny Genesisy 22:12–19). Rehefa mamaky ny Genesisy 22:1–19 ianao, dia inona no zavatra ianaranao avy amin’ny zavatra niainan’i Abrahama?

Ny fahavononan’i Abrahama hanao sorona ny zanany dia “tandindon’ Andriamanitra sy ny Zanany Lahitokana” (Jakôba 4:5). Rehefa misaintsaina ireo fitoviana misy eo amin’ny fitsapana an’i Abrahama sy ny fanoloran’ Andriamanitra Ray ny Zanany ho sorona ho antsika ianao, dia inona no zavatra tsapanao amin’ny Rainao any An-danitra?

Misy fitoviana maro ihany koa eo amin’i Isaka sy ny Mpamonjy. Hevero ny hamaky indray ny Genesisy 22:1–19 hijerena ireo fitoviana ireo.

Sary
family study icon

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Genesisy 18:14.Misy tantara avy amin’ny soratra masina na avy amin’ny tantaram-pianakavianareo, na avy amin’ny fiainanareo manokana azonareo zaraina ve, izay nampianatra anareo fa tsy misy zavatra sarotra amin’ Andriamanitra?

Genesisy 18:16–33.Inona no zavatra ianarantsika mikasika ny toetran’i Abrahama avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo? Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehony? (Jereo koa ny Almà 10:22–23.)

Genesisy 19:15–17.Ireo andinin-tsoratra masina ireo dia afaka manampy ny olona ao amin’ny fianakavianareo hanomana ny fotoana ilan’izy ireo mandositra toe-javatra feno haratsiana. Mety ho inona ny sasany amin’izany toe-javatra izany? Ohatra, mety ho afaka hiresaka momba ny haino aman-jery tsy mendrika na ny fakam-panahy hifosa ohatra ianareo. Ahoana no ahafahantsika mandositra toe-javatra toy izany?

Genesisy 21:9–20.Inona no manaitra ny fianakavianareo momba ny fomba nitondran’ Andriamanitra an’i Hagara sy i Isimaela rehefa noroahin’i Abrahama izy ireo?

Genesisy 22:1–14.Ahoana no ahafahanareo manampy ny fianakavianareo hahita ny fifandraisana misy eo amin’ny tantaran’ Andriamanitra mandidy an’i Abrahama hanao sorona an’i Isaka sy ny sorompanavotan’ny Mpamonjy? Afaka mihira hira ao amin’ny fihirana na hira tsotra mikasika ny sorona nataon’ny Mpamonjy ianareo, toy ny “Nalefany ny Zanany” (Bokin-kiran’ny ankizy, 20), ary hitady andian-teny mamaritra ny sorona nataon’ny Mpamonjy.

Inona no zavatra efa nangatahina tamin’ny fianakaviantsika mba hatao sorona? Ahoana no nitondran’ireny sorona ireny antsika hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso hohiraina: “Notre Dieu nous a tant aimés,” Cantiques, no. 111.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Mihaino ny Fanahy. Rehefa mandalina ianao dia mifantoha amin’ireo eritreritra sy fahatsapana anananao na dia toa tsy mifanaraka amin’izay vakìnao aza izany. Ireo fahatsapana ireo no mety ho tena ilay zavatra tian’ Andriamanitra ho fantatrao.

Sary
Abrahama sy Isaka mandeha

Sary fanehoana an’i Abrahama sy i Isaka, nataon’i Jeff Ward

Hamoaka printy