Testamenta Taloha 2022
21-27 febroary. Genesisy 24–27: Nohavaozina ny fanekempihavanana


“21-27 febroary. Genesisy 24–27: Nohavaozina ny fanekempihavanana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“21-27 febroary. Genesisy 24–27,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
Rebeka

Sary fanehoana an’i Rebeka nataon’i Dilleen Marsh

21-27 febroary

Genesisy 24–27

Nohavaozina ny fanekempihavanana

Rehefa mamaky ny Genesisy 24–27 ianao, dia mifantoha amin’ny hevi-baovao ara-panahy voarainao. Mivavaha mba hahafantaranao hoe ahoana no mahatonga ireo fitsipika hitanao ho mifandray akaiky amin’ny fiainanao.

Raketo ireo zavatra tsapanao

Ny fanekempihavanana nataon’ Andriamanitra tamin’i Abrahama dia ahitana ny fampanantenana fa amin’ny alalan’i Abrahama sy ny taranany “no hitahiana ny fianakaviana rehetra ambonin’ny tany” (Abrahama 2:11). Tsy fampanantenana azo tanterahina ao anatina taranaka iray izany: amin’ny lafiny maro, ny baiboly dia tantaran’ny fanatanterahan’ Andriamanitratsy an-kiato ny fampanantenany. Ary natombony tamin’ny fanavaozana ny fanekempihavanana tamin’ny fianakavian’i Isaka sy i Rebeka izany. Amin’ny alalan’ny zavatra niainan’izy ireo dia mianatra zavatra momba ny maha-ao anatin’ny fanekempihavanana antsika isika. Ny ohatra nasehon’izy ireo dia mampianatra antsika momba ny hatsaram-panahy, ny faharetana ary ny fatokiana ny fitahiana ampanantenan’ Andriamanitra. Ary mianatra isika fa mendrika hialana ny “hanin’”izao tontolo izao (Genesisy 25:30) mba hiarovana ny fitahian’ Andriamanitra antsika sy ny zanatsika ho an’ny taranaka faramandimby.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Genesisy 24

Tena ilaina amin’ny drafitra mandrakizain’ Andriamanitra ny fanambadiana.

Olona maro ankehitriny no tsy manao ny fanambadiana ho laharam-pahamehana na mihevitra mihitsy aza fa enta-mavesatra izany. Nanana fomba fijery hafa i Abrahama, ho azy ny fanambadian’ny zanany lahy, i Isaka, dia nanana ny lanjany lehibe. Nahoana araka ny hevitrao no zava-dehibe taminy izany? Rehefa mamaky ny Genesisy 24 ianao, dia eritrereto ny maha-zava-dehibe ny fanambadiana amin’ny drafitry ny famonjen’ Andriamanitra. Azonao atao ihany koa ny mamaky ny hafatry ny Loholona D. Todd Christofferson “Nahoana no ilaina ny manambady sy manorina fianakaviana?” (Liahona, mey 2015, 50–53) dia eritrereto ny antony mahatonga ny “fianakaviana miorina eo amin’ny fanambadian’ny lehilahy iray sy vehivavy iray [ho] manolotra toerana tena tsara ahafahan’ny drafitr’ Andriamanitra hivelatra.” (pejy 52).

Ny fanontaniana toy ireto manaraka ireto dia mety ho afaka hanampy anao hieritreritra fitsipika hafa manan-danja ao amin’ity toko ity:

Genesisy 24:1–14. Inona no nataon’i Abrahama sy ny mpanompony mba hampidirana ny Tompo tao amin’ny ezaka nataon’izy ireo hitady vady ho an’i Isaka?

Genesisy 24:15–28, 55–60. Inona avy ireo hatsaran-toetra hitanao ao amin’i Rebeka ka tianao halaina tahaka?

Inona no hevi-baovao hafa hitanao?

Jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4; “Ny fianakaviana: Fanambarana amin’izao tontolo izao,” ChurchofJesusChrist.org.

Genesisy 25:29–34

Afaka misafidy aho na ny fahafinaretana eo noho eo na zavatra manan-danja kokoa.

Tao amin’ny kolontsain’i Abrahama, ny lahimatoa ao amin’ny fianakaviana dia mandray ny toeran’ny mpitarika sy ny tombontsoa izay antsoina hoe fizokiana. Mahazo lova lehibe kokoa avy amin’ny ray aman-dreniny io zanakalahy io, miaraka amin’ireo andraikitra lehibe kokoa amin’ny fikarakarana ny sisa amin’ny fianakaviana.

Rehefa mamaky ny Genesisy 25:29–34 ianao, dia diniho ny antony mety ho nahavonona an’i Esao hiala amin’ny fizokiana ka nanakalo izany amina sakafo. Inona no lesona hitanao ho an’ny tenanao ao amin’io tantara io? Ohatra, misy karazana “hanina” ve mandrebireby ny sainao ka mampiala ny fifantohanao amin’ireo fitahiana izay tena manan-danja indrindra aminao? Inona no ataonao mba hifantohana sy hankafizanao ireo fitahiana ireo?

Jereo ihany koa ny Matio 6:19–33; 2 Nefia 9:51; M. Russell Ballard, “What Matters Most Is What Lasts Longest,” Liahona, nôv. 2005, 41–44.

Genesisy 26:1–5

Nohavaozina tamin’ny alalan’i Isaka ny fanekempihavanana tamin’i Abrahama.

Ny fanekempihavanana nataon’ Andriamanitra tamin’i Abrahama dia nokasaina hitohy amina taranaka be dia be, ka ny lova navelan’i Abrahama sy i Saraha amin’ny fihazonana ny fanekempihavanana dia nila nampitaina tamin’i Isaka, i Jakoba, ary vehivavy sy lehilahy nahatoky tao amin’ny taranak’izy ireo. Rehefa mamaky ny Genesisy 26:1–5 ianao dia mitadiava fitahiana sasany ao amin’ny fanekempihavanana izay noresahin’ Andriamanitra. Inona no ianaranao momba an’ Andriamanitra avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

Genesisy 26:18–25, 32–33

I Jesoa Kristy no fantsakana ny rano velona.

Mety ho tsikaritrao fa ny fantsakana sy ny loharano ary ny loharanon-drano hafa dia mitana anjara toerana lehibe ao amin’ny tantara maro ao amin’ny Testamenta Taloha. Tsy mahagaga izany satria ny ankamaroan’ireny tantara ireny dia niseho tany amina toerana tena maina. Rehefa mamaky ny Genesisy 26 momba ireo fantsakan’i Isaka ianao, dia saintsaino izay zavatra mety hasehon’ny rano ao amin’ny soratra masina. Inona no hevi-baovao hitanao momba ny fantsakana ara-panahin’ny “rano velona”? (jereo ny Jaona 4:10–15). Ahoana no fomba ihadianao fantsakana ara-panahy eo amin’ny fiainanao? Ahoana no maha-toy ny rano velona ny Mpamonjy aminao? Mariho fa “novonoin’ny Filistina” ireny fantsakana ireny (jereo ny Genesisy 26:18). Misy zavatra mamono ny fantsakanao rano velona ve eo amin’ny fiainanao?

Sary
fantsakana fahiny

Fantsakana iray tany Beri-sheba fahiny izay nandavahan’i Abrahama sy i Isaka fantsakana.

Genesisy 27

Diso ve i Rebeka sy i Jakoba namitaka an’i Isaka?

Tsy fantatsika izay antony tao ambadiky ny fomba nampiasain-dRebeka sy i Jakoba hahazoana tsodrano ho an’i Jakoba. Ilaina ny mahatsiaro fa ny Testamenta Taloha amin’ny endrika ananantsika azy amin’izao fotoana dia tsy feno (jereo ny Mosesy 1:23, 41). Mety ho nisy fampahalalana very tamin’ny firaketana an-tsoratra voalohany izay mety hanazava ny zavatra mety manahirana antsika. Na izany aza dia fantatsika fa sitrapon’ Andriamanitra ny nandraisan’i Jakoba tsodrano avy amin’i Isaka satria i Rebeka dia nahazo fanambarana fa hanapaka an’i Esao i Jakoba (jereo ny Genesisy 25:23). Rehefa fantatr’i Isaka fa i Jakoba no notsofiny rano teo amin’ny toeran’i Esao, dia nilaza izy fa “hotahiana” i Jakoba (Genesisy 27:33), izay milaza an-kolaka fa tanteraka ny sitrapon’ Andriamanitra.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Genesisy 24:2–4, 32–48.Nangataka tamina mpanompo mahatoky iray i Abrahama mba hitady vady ho an’i Isaka, dia nanao fanekena tamin’i Abrahama ilay mpanompo fa hanao izany. Ahoana no nanehoan’ny mpanompon’i Abrahama fahatokiana tamin’ny fihazonany ny fanekempihavanany? Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehony?

Genesisy 24:15–28, 55–60.Azon’ny fianakavianao tadiavina ao amin’ireo andininy ireo ny toetra nahatonga an’i Rebeka ho namana mandrakizay mendrika ho an’i Isaka. Amporisiho haka iray amin’ireo toetra izay tsapan’izy ireo fa tokony hampivelariny ny fianakaviana.

Genesisy 25:19–3427. Avereno jerena ilay tantara mikasika ny fomba nahazoan’i Jakoba ny zon’ny fizokiana sy tsodranon’i Esao. Afaka miara-miasa handamina ireo fehezan-teny araka ny filaharany ny olona ao amin’ny fianakaviana.

Rehefa mifanakalo hevitra amin’ny fivarotan’i Esao ny fizokiany ianareo dia afaka miresaka ihany koa ny zavatra manan-danja indrindra amin’ny fianakavianao, toy ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Mety hoe afaka mitady zavatra na sary izay maneho ny zavatra heverin’izy ireo ho manana lanja mandrakizay ny olona ao amin’ny fianakaviana. Avelao hanazava ny antony nisafidianany ireo zavatra ireo izy ireo.

Genesisy 26:3–5.Mba hanampiana ny fianakavianao hahatakatra ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama, dia afaka manasa azy ireo hitady ireo fampanantenana voafaritra ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo ianao. Nahoana no zava-dehibe amintsika ny fahalalana ny momba ireny fampanantenana ireny ankehitriny? (jereo ny “Zavatra tokony hotadidiana: Ny fanekempihavanana,” ao amin’ity loharanom-pitaovana ity).

Genesisy 26:18–25, 32–33.Nahoana no zava-dehibe ny fantsakana? Inona no mampitovy an’i Jesoa Kristy amin’ny fantsakan-drano?

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “Bien choisir,Cantiques, lah. 154.

Manatsara ny fandalinan’ny tena manokana

Manaova tsianjery soratra masina. Nampianatra toy izao ny Loholona Richard G. Scott: “Ny soratra masina anankiray notadidiana dia lasa namana maharitra izay tsy mety lefin’ny fotoana mandalo” (“Ny herin’ny soratra masina,” Liahona, nôv. 2011, 6).

Sary
i Esao sy i Jakoba

Mivarotra ny fizokiany amin’i Jakoba i Esao, nataon’i Glen S. Hopkinson

Hamoaka printy