Testamenta Taloha 2022
Zavatra tokony hotadidiana: Ny fanekempihavanana


“Zavatra tokony hotadidiana: Ny fanekempihavanana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“Zavatra tokony hotadidiana: Ny fanekempihavanana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
Famantarana ny eritreritra

Zavatra tokony hotadidiana

Ny fanekempihavanana

Manerana ny Testamenta Taloha ianao dia hamaky matetika ny teny hoe fanekempihavanana. Ankehitriny isika dia matetika no mihevitra ireo fanekempihavanana ho fampanantenana masina miaraka amin’ Andriamanitra, fa tany amin’ny tontolo fahiny, ny fanekempihavanana dia ampahany lehibe amin’ny fifaneraseran’ny olona ihany koa. Ho fiarovana sy hahavelona azy dia nila nifampatoky ny olona ary ny fanekempihavanana dia fomba iray niarovana izany fifampitokisana izany.

Koa rehefa niteny tamin’i Noa, na i Abrahama na i Mosesy momba ireo fanekempihavanana Andriamanitra, dia nanasa azy ireo hiditra amina fifandraisam-pifampitokiana miaraka Aminy Izy. Iray amin’ireo ohatra fanta-daza momba ny fanekempihavanana ao amin’ny Testamenta Taloha ilay nataon’ Andriamanitra tamin’i Abrahama sy i Saraha, ary avy eo dia nohavaozina tamin’ireo taranany, dia i Isaka sy i Jakoba (izay nantsoina ihany koa hoe Isiraely). Matetika antsointsika hoe fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama izany, na dia hoe “fanekempihavanana” fotsiny aza no nahafantarana izany tany amin’ny Testamenta Taloha. Ho hitanao fa ny Testamenta Taloha dia tena tantaran’olona izay nahita ny tenan’izy ireo ho mpandova io fanekempihavanana io, olon’ny fanekempihavanana.

Mbola zava-dehibe hatrany ankehitriny ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama, indrindra ho an’ireo Olomasin’ny andro farany. Fa nahoana? Satria olon’ny fanekempihavanana ihany koa isika na taranaka mivantana avy amin’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba na tsia (jereo ny Galatiana 3:27–29). Noho izany antony izany dia zava-dehibe ny mahatakatra hoe inona moa izany fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama izany ary ahoana no fomba iharan’izany amintsika ankehitriny.

Inona no atao hoe fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama?

Te “ho mpandala bebe kokoa ny fahamarinana” i Abrahama (Abrahama 1:2) ka dia nasain’ Andriamanitra ho amina fifandraisam-panekempihavanana izy. Tsy i Abrahama akory no voalohany nanana io faniriana io, ary tsy izy koa no voalohany nandray an’io fanekempihavanana io. Nikatsaka ny “fitahian’ireo ray” izy (Abrahama 1:2), fitahiana izay nomena an’i Adama sy i Eva tamin’ny alalan’ny fanekempihavanana ary avy eo dia nomena ireo izay nazoto nikatsaka ireny fitahiana ireny.

Ny fanekempihavanan’ Andriamanitra tamin’i Abrahama dia nampanantena fitahiana mahafinaritra: fandovana tany, taranaka be dia be, fahafahana miditra amin’ny ôrdônansin’ny fisoronana ary anarana izay homena haja amin’ny taranaka ho avy. Saingy tsy amin’ireo fitahiana izay horaisin’ i Abrahama sy ny fianakaviany fotsiny anefa no ifantohan’io fanekempihavanana io fa amin’ny fitahiana izay entin’izany ho an’ireo zanak’ Andriamanitra sisa. “Ho fitahiana tokoa ianao,” hoy Andriamanitra, “ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany” (Genesisy 12:2–3).

Nanome sata manana tombontsoa manokana an’i Abrahama, sy i Saraha ary ny taranak’izy ireo teo amin’ny zanak’ Andriamanitra ve io fanekempihavanana io? Amin’ilay heviny hoe tombontsoa hitahiana ny hafa io ihany. Ny fianakavian’i Abrahama dia natao “[hitondra] ity asa fanompoana ity sy ny Fisoronana ho any amin’ny firenen-drehetra,” sady nizara ny “fitahian’ny Filazantsara, izay fitahian’ny famonjena, dia ny fiainana mandrakizay.” (Abrahama 2:9, 11).

Io fanekempihavanana io ilay fitahiana nirìn’i Abrahama mafy. Rehefa avy naharay izany i Abrahama dia niteny tao am-pony hoe: “Ny mpanomponao dia efa nitady Anao tamin-kafanam-po tokoa; ankehitriny dia hitako Ianao” (Abrahama 2:12).

Efa an’arivon-taonany lasa izay no nitrangan’izany, saingy amin’izao androntsika izao dia tafaverina amin’ny laoniny io fanekempihavanana io (jereo ny 1 Nefia 22:8–12). Ary tanteraka amin’ny fiainan’ny olon’ Andriamanitra izany amin’izao fotoana izao. Raha ny marina dia mahazo vahana ny fahatanterahan’ilay fanekempihavanana amin’izao andro farany izao satria mandroso ny asan’ Andriamanitra, mitahy fianakaviana manerana izao tontolo izao. Ary na iza na iza, tahaka an’i Abrahama, te-ho mpandala bebe kokoa ny fahamarinana, na iza na iza mikatsaka ny Tompo amin-kafanam-po, dia afaka ny ho ao anatin’izany.

Sary
fianakaviana eo anoloan’ny tempoly

Midika inona amiko ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama?

Zanaky ny fanekempihavanana ianao. Nanao fanekempihavanana tamin’ Andriamanitra ianao tamin’ny fotoana nanaovana batisa anao. Manavao izany fanekempihavanana izany ianao isaky ny mandray ny fanasan’ny Tompo. Ary manao fanekempihavanana masina ianao any amin’ny tempoly. Ireo fanekempihavanana ireo mitambatra no mahatonga anao ho mpandray anjara amin’ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama izay ao amin’ireo ôrdônansin’ny tempoly no ahitana ny fahafenoany. Araka ny nampianarin’ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Amin’ny farany, ao amin’ny tempoly masina isika dia afaka ho tonga mpiray lova handova ny fitahiana hahazo fianakaviana mandrakizay, tsy misy hafa amin’ izay nampanantenaina tamin’ i Abrahama sy i Isaka ary i Jakoba sy ireo taranany.”1

Amin’ny alalan’ireo fanekempihavanana sy ôrdônansy ireo no ahatongavantsika ho zanak’ Andriamanitra (jereo ny Eksodosy 6:7; Deoteronomia 7:6; 26:18; Ezekiela 11:20). Lasa hafa tsy mitovy amin’ny tontolo manodidina antsika isika. Ny fanekempihavanantsika no mahatonga antsika ho afaka ny ho marina, mpianatra feno fanoloran-tena an’i Jesoa Kristy. “Ireo fanekempihavanana ataontsika,” hoy ny Filoha Nelson, “dia mamatotra antsika Aminy ary manome antsika ny herin’ Andriamanitra.”2 Ary rehefa mitahy ny olony amin’ny heriny Andriamanitra, dia miaraka amin’ny fanasana sy fanantenana azy ireo hitahy ny hafa izany—mba ho “fitahiana” ho an’ny “fianakaviana rehetra ambonin’ny tany” izy ireo (Abrahama 2:9, 11).

Izany no fahatakarana sarobidy nomena antsika noho ny Famerenana amin’ny laoniny tamin’ny alalan’ny Mpaminany Joseph Smith ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama. Noho izany, rehefa mamaky momba ny fanekempihavanana ao amin’ny Testamenta Taloha ianao dia aza mieritreritra ny fifandraisan’ Andriamanitra tamin’i Abrahama, sy i Isaka ary i Jakoba fotsiny. Fa eritrereto ihany koa ny fifandraisany aminao. Rehefa mamaky momba ny fampanantenana ny taranaka tsy hita isa ianao (jereo ny Genesisy 28:14), dia aza ny momba ireo an-tapitrisany miantso an’i Abrahama ho rainy ireo fotsiny no eritreretina. Fa eritrereto ihany koa ny fampanantenan’ Andriamanitra ho anao momba ny fianakaviana mandrakizay sy ny fitomboana mandrakizay (jereo ny Fotopampianarana sy fanekempihavanana 131:1–4; 132:20–24). Rehefa mamaky momba ny fampanantenana ny tany lova ianao, dia aza ilay tany nampanantenana an’i Abrahama fotsiny no eritreretina. Fa eritrereto ihany koa ny tanjona selestialin’ny tany—lova nampanantenana ireo “malemy fanahy” izay “miandry ny Tompo” (Matio 5:5; Salamo 37:9, 11; jereo ihany koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:17–20). Ary rehefa mamaky ny fampanantenana ianao fa ny olon’ny fanekempihavanan’ Andriamanitra no hitahy “ny fianakaviana rehetra ambonin’ny tany” (Abrahama 2:11), dia aza mieritreritra fotsiny momba ny asa fanompoan’i Abrahama na ny mpaminany izay nateraka avy aminy. Fa eritrereto ihany koa, amin’ny maha-mpandala ny fanekempihavanana ao amin’i Jesoa Kristy anao, izay azonao atao mba ho fitahiana ho an’ny fianakaviana manodidina anao.

Hamoaka printy