Testamenta Taloha 2022
7–13 febroary. Genesisy 12–17; Abrahama 1–2: “Ho mpandala bebe kokoa ny fahamarinana”


“7–13 febroary. Genesisy 12–17; Abrahama 1–2: -Ho mpandala bebe kokoa ny fahamarinana,-” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“7–13 febroary. Genesisy 12–17; Abrahama 1–2,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: 2022

Sary
Abrahama sy Saraha

Sary fanehoana an’i Abrahama sy i Saraha, nataon’i Dilleen Marsh

7–13 febroary

Genesisy 12–17; Abrahama 1–2

“Ho mpandala bebe kokoa ny fahamarinana”

Rehefa mamaky momba an’i Abrama sy i Saray (izay nantsoina tatỳ aoriana hoe Abrahama sy Saraha) sy ny ankohonan’izy ireo ianao, dia saintsaino ny fomba anentanan’ny ohatra nomen’izy ireo anao. Raketo ireo zavatra tsapanao momba izay azonao atao mba “ho mpandala bebe kokoa ny fahamarinana” (Abrahama 1:2).

Raketo ireo zavatra tsapanao

Noho ny fanekempihavanana nataon’ Andriamanitra taminy dia nantsoina hoe “rain’ny mpino” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 138:41) sy “Sakaizan’ Andriamanitra” i Abrahama (Jakoba 2:23). Olona an-tapitrisany ankehitriny no manaja azy ho toy ny razambeny mivantana, ary misy maro hafa natsangana ho ao anatin’ny fianakaviany tamin’ny alalan’ny fiovam-po ho amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. I Abrahama anefa dia avy tamina fianakaviana sahirana—ny rainy izay niala tamin’ny fanompoana marina an’ Andriamanitra dia nanandrana nanao sorona an’i Abrahama ho an’ andriamanitra diso. Na dia teo aza izany, ny fanirian’i Abrahama dia “ny ho mpandala bebe kokoa ny fahamarinana” (Abrahama 1:2), ary ny tantaram-piainany dia maneho fa notanterahin’ Andriamanitra ny faniriany. Mijoro ho vavolombelona ny fiainan’i Abrahama fa na nanao ahoana na nanao ahoana ny tantaran’ny fianakavian’ny olona iray, dia afaka ny ho feno fanantenana ny hoavy.

Sary
Learn More image
Sary
famantarana ny fandalinan’ny tena manokana

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny tena manokana ny soratra masina

Abrahama 1:1–19

Hotahian’ Andriamanitra noho ny finoako sy ny faniriako marina aho.

Tahaka ny maro amintsika, i Abrahama dia niaina tamina tontolo feno faharatsiana, na izany aza anefa dia naniry ny ho olo-marina izy. Ny Filoha Dallin H. Oaks dia nampianatra ny maha-zava-dehibe ny fananana faniriana marina: “Na dia manan-danja aok’izany aza ny manary ny faniriana rehetra hanota, dia mbola mitaky mihoatra noho izany ny fiainana mandrakizay. Mba hahatratrarantsika ny tanjontsika mandrakizay dia haniry sy hiasa mba hananana ireo toetra takiana mba ho lasa olona maharitra mandrakizay isika. … Raha toa ka mety ho sarotra izany—ary mino aho fa tsy ho mora ho antsika tsirairay izany—dia tokony hanomboka amin’ny faniriana ny hanana izany toetra izany isika, ary mangataka ny fanampian’ny Ray any An-danitra be fitiavana mikasika ireo zavatra tsapantsika [jereo ny Môrônia 7:48]” (“Faniriana,” Liahona, mey 2011, 44–45). Rehefa mamaky ny Abrahama 1:1–19 ianao, dia hevero ny fomba anehoan’ireo andininy ireo ny zavatra nampianarin’ny Filoha Oaks. Mety hanampy ny fanontaniana toy ireto:

  • Inona no zavatra nirian’i Abrahama sy nokatsahiny? Inona no zavatra nataony mba hanehoany ny finoany?

  • Inona avy ireo fanirianao? Misy zavatra tsapanao ve fa tokony hataonao mba hanadiovana ireo fanirianao?

  • Inona ireo fanamby natrehin’i Abrahama noho ny faniriana marina nananany? Ahoana no fomba nanampian’ Andriamanitra azy?

  • Inona no hafatra entin’ireto andininy ireto ho an’ireo olona manana fianakaviana tsy maniry ny fahamarinana?

Jereo koa ny Matio 7:7.

Abrahama 2:10–11

Iza no tafiditra ao amin’ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama?

Rehefa nanao ny fanekempihavanany tamin’i Abrahama ny Tompo, dia nampanantena Izy fa hitohy hatrany amin’ny taranaka fara mandimbin’i Abrahama izany, na hoe “taranaka,” ary “izay rehetra mandray ity Filazantsara ity dia … hisaina ho isan’ny taranakao” (Abrahama 2:10–11). Midika izany fa ny fampanantenana ao amin’ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama dia mihatra amin’ny mpikambana ao amin’ny Fiangonana ankehitriny, na taranaka ara-bakitenin’i Abrahama izy ireo na natsangana ho ao amin’ny fianakaviany tamin’ny alalan’ny batisa sy ny fiovam-po ho amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (jereo ny Galatiana 3:26–29; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:30–32). Mba hahafahan’ny olona iray hisaina ho taranak’i Abrahama dia tsy maintsy mankatò ireo lalàna sy ôrdônansin’ny filazantsara izy.

Genesisy 12:1–3; 13:15–16; 15:1–6; 17:1–8, 15–22; Abrahama 2:8–11

Mitahy ahy sy ny fianakaviako ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama.

Satria tafiditra ao amin’ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama avokoa ny mpikambana rehetra ao amin’ny Fiangonana, dia afaka mandany fotoana kely hisaintsainana ny antony mampisy dikany an’io fanekempihavanana io eo amin’ny fiainanao ianao. Raketo ireo eritreritrao momba ireto fanontaniana manaraka ireto:

Ahoana no ahafahan’ny fampanantenana hita ao amin’ny Abrahama 2:8–11 mitahy ahy sy ny fianakaviako? (jereo koa ny Genesisy 12:1–3; 13:15–16).

Inona no ianarako momba ny fanekempihavanana natao tamin’i Abrahama avy amin’ny Genesisy 15:1–6; 17:1–8, 15–22?

Inona no zavatra tsapako fa anentanan’ny Fanahy ahy mba hataoko hanampiana amin’ny fahatanterahan’ny fampanantenana hoe “hotahiana ny fianakaviana rehetra ambonin’ny tany”? (Abrahama 2:11).

Azonao heverina fa ny fitahiana sasany eto an-tany nampanantenana an’i Abrahama sy i Saraha, toy ny fandovana ny tany nampanantenana iray sy ny ho ray aman-drenina taranaka lehibe, dia misy taratra mandrakizay. Tafiditra amin’izany ny lova ao amin’ny fanjakana selestialy (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:29) sy ny fanambadiana mandrakizay miaraka amin’ny taranaka mandrakizay (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 131:1–4; 132:20–24, 28–32). “Ao amin’ny tempoly,” hoy ny fampianaran’ny Filoha Russell M. Nelson, “no andraisantsika ny fitahiana antsika faratampony, amin’ny maha-taranak’i Abrahama, i Isaka ary i Jakoba antsika” (“The Gathering of Scattered Israel,” Liahona, Nov. 2006, 80).

Jereo ihany koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Genesisy 15:9–1217:3–12 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina); Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Abrahama, fanekempihavanan’i”; “Zavatra tokony hotadidiana: Ny fanekempihavanana,” ato amin’ity loharanm-pitaovana ity.

Sary
famantarana ny fandalinan’ny mpianakavy

Hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy ny soratra masina sy ny takarivan’ny mpianakavy

Genesisy 13:5–12.Inona no nataon’i Abrahama mba hitondrana filaminana tao amin’ny fianakaviany? Mety ho afaka manao fampiharana hoe mpampihavana tahaka an’i Abrahama ireo olona ao amin’ny fianakavianareo, amin’ny alalan’ny filalaovana an-tsehatra ny fomba famahana ny ady mety hitranga eo amin’ny fianakavianareo.

Genesisy 13:16; 15:2–6; 17:15–19.Ahoana no ahafahanareo manampy ny fianakavianareo hahatakatra ny fampanantenan’ny Tompo ao amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo—hoe na dia mbola tsy nanan-janaka aza i Abrahama sy i Saraha dia ho maro tahaka ny vovoka amin’ny tany, ny kintana eny amin’ny lanitra ary ny fasika eny amin’ny moron-dranomasina ny taranany? (jereo ihany koa ny Genesisy 22:17). Azonareo atao ny mampiseho amin’ny fianakavianareo boaty misy fasika, na mijery ny kintana, na mampiasa ny sary miaraka amin’ity rindran-damina ity ianao. Ahoana no ahafahantsika matoky ny fampanantenan’ Andriamanitra na dia toa tsy mety ho tanteraka aza izany?

Genesisy 14:18–20.Inona no ianarantsika momba an’i Melkizedeka avy amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith, Genesisy 14:25–40? (ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina; jereo ihany koa ny Almà 13:13–19). Ahoana no ahafahantsika “[manangana] ny fahamarinana” tahaka ny nataon’i Melkizedeka? (andininy 36). Zavatra hafa inona momba an’i Melkizedeka no manentana antsika?

Sary
i Melkizedeka mitsodrano an’i Abrama

Mitsodrano an’i Abrama i Melkizedeka, nataon’i Walter Rane

Genesisy 16.Ny famakiana momba an’i Hagara dia mety ho fotoana ahafahana miresaka momba ny fomba anampian’ny Tompo antsika rehefa mahatsiaro ho nanaovana zavatra tsy mety isika. Azonao hazavaina fa ny hoe “Isimaela” dia midika hoe “Mihaino Andriamanitra.” Oviana no efa nahatsapantsika fa nihaino sy nanampy antsika ny Tompo rehefa nahatsapa ho nanaovana zavatra tsy mety isika? (jereo ny Genesisy 16:11).

Mba hahitana hevitra misimisy kokoa hampianarana ny ankizy dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga.

Hira aroso mba hohiraina: “te-hiaina ny filazantsara aho,” Bokin-kiran’ny ankizy, 72.

Manatsara ny fampianarantsika

Aoka ianao hanam-potoana ho an’ny hafa sy ho azo anatonana. Ny sasany amin’ireo fotoana tena tsara azo ampianarana dia manomboka amin’ny fanontaniana na olana ao am-pon’ilay olona iray ao amin’ny fianakaviana. Ampahafantaro an’ireo olona ao amin’ny fianakavianao amin’ny alalan’ny teninao sy fihetsikao fa maniry ny hihaino azy ireo ianao. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 16.)

Sary
Saraha mijery ny lanitra feno kintana

Nampanantena Andriamanitra fa ny taranak’i Abrahama sy i Saraha dia hitovy isa amin’ny “kintan’ny lanitra” (Genesisy 22:17). Misaintsaina ny fampanantenan’ Andriamanitra, nataon’i Courtney Matz.

Hamoaka printy