Testamenta Taloha 2022
Loharanom-pitaovana fanampiny ho an’ny fampianarana ny ankizy


“Loharanom-pitaovana fanampiny ho an’ny fampianarana ny ankizy,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“Loharanom-pitaovana fanampiny ho an’ny fampianarana ny ankizy,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
mpampianatra sy ankizy kely ao amin’ny efitrano fianarana

Loharanom-pitaovana fanampiny ho an’ny fampianarana ny ankizy

Ireto loharanom-pitaovana ireto dia azo jerena ao amin’ny application Bibliothèque de l’évangile sy ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana

Azonao amboarina ireo asa atao avy amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana mba ho azo ampiasaina ao amin’ny kilasin’ny Kilonganao. Aza miahiahy ny amin’ny hoe efa nanao ireo asa atao ireo ny ankizy niaraka tamin’ny fianakaviany tany an-tokantrano; ny famerimberenana dia manampy ny ankizy hianatra. Mety hitantara aminao ny fomba nanatanterahan’izy ireo ireo asa atao niaraka tamin’ny fianakaviany sy ny zavatra nianarany ny ankizy.

Hira ao amin’ny fihirana sy Bokin-kiran’ny ankizy

Ny hira masina dia manasa ny Fanahy ary mampianatra ny fotopampianaran’i Kristy amin’ny fomba tena miavaka. Ankoatra ny fampiasana ny tahadika vita printin’ny Cantiques sy ny Bokin-kiran’ny ankizy, dia afaka mahita raki-peo sy horonan-tsarin’ny fihirana sy hiran’ny ankizy maro ianao ao amin’ny music.ChurchofJesusChrist.org sy ao amin’ny application Musique sacrée sy Bibliothèque de l’évangile.

Mba hakana hevitra dia jereo ny fizarana “Mampiasa hira mba hampianarana fotopampianarana” sy ny “Manampy ny ankizy hianatra sy hahatadidy ireo hiran’ny Kilonga sy ny hira ao amin’ny fihirana” ao amin’ny “Toromarika mikasika ny fotoam-pihirana sy ny fampisehoana ataon’ny ankizy mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo” ato amin’ity boky torolalana ity.

Jereo ny madinikareo

Maro amin’ireo lohahevitra resahina ao amin’ny Voyez vos petits enfants: Manuel de la Garderie no mifandraika amin’ireo izay hampianarinao ao amin’ny Kilonga. Indrindra raha toa ka mampianatra ankizy kely ianao, dia saintsaino ny hijery ao amin’ny boky torolalana hampianarana zaza madinika mba hahitana ireo hira, tantara, sy asa atao, ary asa tanana fanampiny.

Gazetiboky Namana

Ny gazetiboky Namana dia manolotra tantara sy asa atao izay afaka mameno ireo fitsipika ampianarinao avy ao amin’ny Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga.

Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha

Ireo Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha dia afaka manampy ny ankizy hianatra ny fotopampianarana sy ireo tantara hita ao amin’ny Testamenta Taloha. Afaka mahita ireo tantara ireo koa ianao ao amin’ny application Bibliothèque de l’Évangile sy ao amin’ny MediaLibrary.ChurchofJesusChrist.org.

Boky fandokoana mirakitra ireo tantara ao amin’ny soratra masina— Testamenta Taloha

Ity loharano ity dia ahitana pejy misy asa atao fandokoana sary mahafinaritra izay natao hanatsarana ny fianaran’ireo ankizy ny Testamenta Taloha.

Horonan-tsary sy asa kanto

Ny zava-kanto sy ny horonan-tsary ary ireo sary sy feo hafa dia afaka manampy ireo izay ampianarinao hahatakatra ilay fotopampianarana sy haka sary an-tsaina ireo tantara mifandray amin’ny soratra masina. Jereo ny Gospel Media ao amin’ny MediaLibrary.ChurchofJesusChrist.org mba hahitana ny fitambaran’ireo sary sy feo an’ny Fiangonana. Misy amin’ny endriny application ho an’ny fitaovana finday ihany koa ny Gospel Media. Maro amin’ireo sary izay azonao ampiasaina ao an-dakilasy no hita ao amin’ny Boky mirakitra sary mikasika ny filazantsara.

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy dia afaka manampy anao hianatra sy hampihatra ireo fitsipiky ny fampianarana araka ny an’i Kristy. Ireo fitsipika ireo dia ifanakalozana hevitra sy ampiharina ao amin’ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra.

Hamoaka printy