Testamenta Taloha 2022
Mampiasa ny Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga


“Mampiasa ny Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga,Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“Mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga,Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga: 2022

Sary
Ankizy ao amin’ny efitrano fianarana ao am-piangonana

Mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga

Miomana hampianatra ao amin’ny Kilonga

Ny fandalinana manokana sy miaraka amin’ny fianakaviana no tokony ho ivon’ny fianarana ny filazantsara. Miantefa aminao sy amin’ireo ankizy ampianarinao izany. Rehefa miomana ny hampianatra ianao dia atombohy amin’ny fiezahanao manana ny traikefanao manokana amin’ny soratra masina izany. Ny fiomananao manan-danja indrindra dia hitranga rehefa mandalina ny soratra masina sy mikatsaka ny fitaoman’ny Fanahy Masina ianao.

Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’ olona sy ny fianakaviana ihany koa dia sady ampahany manan-danja amin’ny fandalinanao manokana no ampahany manan-danja amin’ny fiomananao hampianatra. Hanampy anao hahazo fahatakarana lalina kokoa momba ireo fitsipika mifono fotopampianarana hita ao amin’ny soratra masina izany.

Ho tonga ao aminao mandritra ny fiomananao ireo hevitra sy fahatsapana momba ireo ankizy ampianarinao. Hahazo hevi-baovao ny amin’ny fomba hitahian’ireo fitsipika ao amin’ny soratra masina ny fiainan’izy ireo ianao. Hotarihina ianao mba hitaona azy ireo hahita ireo fitsipika ireo rehefa mianatra avy ao amin’ny soratra masina samirery sy miaraka amin’ny fianakaviana izy ireo.

Hevitra hoenti-mampianatra

Eo am-piomanana hampianatra dia mety hahazo fitaomana fanampiny ianao amin’ny alalan’ny fizahana ireo rindran-damina hoenti-mampianatra ato anatin’ity loharanom-pitaovana ity. Aza raisina ho toy ny toromarika arahina tsikelikely ireo hevitra ireo fa ho soso-kevitra kosa mba hampitselatra ny aingam-panahinao manokana. Fantatrao ireo ankizy ireo, ary mbola hanana fahafahana hahafantatra azy ireo kokoa mihitsy aza ianao rehefa mifanerasera amin’izy ireo ao an-dakilasy. Fantatry ny Tompo ihany koa izy ireo, ary hanome anao ireo fomba tsara indrindra hampianarana sy hitahiana azy ireo Izy.

Maro ireo loharanom-pitaovana hafa azonao ampiasaina eo am-piomanana, anisan’izany ireo hevitra hita ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana sy ao amin’ireo gazetibokin’ny Fiangonana. Mba hahitana fampahalalana bebe kokoa momba ireo loharanom-pitaovana ireo sy ireo loharanom-pitaovana hafa dia jereo ny “Loharanom-pitaovana fanampiny ho an’ny fampianarana ny ankizy ao anatin’ity loharanom-pitaovana ity.

Sary
olona mandalina ny soratra masina ao an-tokantrano

Zavatra tsara tadidiana

  • Isaky ny mihaona amin’ireo ankizy ianao dia mieritrereta fomba azonao anampiana azy ireo hahatsapa ny fitiavan’ny Ray Any an-danitra sy i Jesoa Kristy ary hamantatra ny fitaoman’ny Fanahy Masina.

  • Manana andraikitra voalohany hampianatra ny zanany ny ray aman-dreny. Amin’ny maha-mpampianatra anao dia manana andraikitra manan-danja ianao mba hanohana, sy hankahery, ary hanorina fianarana ny filazantsara any an-tokantrano. Aoka ianao hitandrina amin’ireo ankizy izay tsy mampianatra ny filazantsara ao an-tokantranony ny ray aman-dreniny. Ampandraiso anjara ao anatin’ireo fifanakalozan-kevitra mikasika ny filazantsara ny ankizy rehetra na inona na inona toe-javatra misy any an-tokantranony.

  • Mety ho mora amin’ny ankizy ny mahatakatra ny fampianarana ao amin’ny Testamenta Taloha rehefa mahafantatra ny sahan-kevitry ny tantaran’ireny fampianarana ireny izy ireo. Afaka mahita sahan-kevitra ara-tantara ianao ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ary ny Tantara ao amin’ny Testamenta Taloha.

  • Tsara ny famerimberenana. Mianatra amim-pahombiazana kokoa ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ny ankizy rehefa averimberina ampianarina amin’ny alalan’ny asa atao isan-karazany ireo fahamarinana ireo. Raha toa ka hitanao fa mandaitra amin’ny ankizy ny asa atao enti-mianatra iray dia avereno izany, indrindra raha toa ka mampianatra ankizy kely ianao. Azonao atao ihany koa ny mamerina asa atao iray avy tao amin’ny lesona teo aloha.

  • Tian’ny Ray any An-danitra ho mpampianatra mahomby ianao. Nanome loharanom-pitaovana maro Izy mba hanampiana anao, anisan’izany ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra. Amin’ireny fivoriana ireny no ahafahanao mifanolotra hevitra miaraka amin’ny mpampianatra hafa momba ireo olana izay atrehinao. Azonao atao koa ny mifanakalo hevitra sy mampihatra fitsipiky ny fampianarana tahaka ny an’i Kristy.

  • Raha toa ka mampianatra ankizy kely ianao ka mila fanampiana fanampiny dia jereo ny “Manome ireo zavatra ilain’ny ankizy kely” ato anatin’ity loharanom-pitaovana ity.

  • Ity loharanom-pitaovana ity dia ahitana rindran-damina ho an’ny herinandro rehetra anatin’ny taona. Amin’ireo alahady izay tsy hisian’ny kilasin’ny Kilonga noho ny fihaonamben’ny tsatòka na izay mety ho antony hafa dia manohy mamaky ny Testamenta Taloha any an-tokantrano araka ny fandaharana voalahatra ny fianakaviana. Aza manahy ny amin’ireo lesona voadinganareo; ampianaro izay rindran-damina isan-kerinandro voatondro.

Hamoaka printy