Testamenta Taloha 2022
Manome ireo zavatra ilain’ny ankizy kely


“Manome ireo zavatra ilain’ny ankizy kely,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Kilonga: Testamenta Taloha 2022 (2021)

“Manome ireo zavatra ilain’ny ankizy kely,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Kilonga 2022

ankizy manangan-tanana ao amin’ny efitrano fianarana ao amin’ny fiangonana

Manome ireo zavatra ilain’ny ankizy kely

Ny ankizy dia vonona sy maniry ny hianatra rehefa aseho amin’ny fomba ahatakaran’izy ireo azy izany. Indrindra raha toa ka mampianatra ankizy kely ianao, dia saintsaino ny hampiasa ireto karazana asa atao ireto mba hanampiana azy ireo hianatra.

  • Mihirà. Ny Fihirana sy ireo hira avy ao amin’ny Bokin-kiran’ny ankizy dia mampianatra ny fotopampianarana amin’ny fomba mahery vaika. Ampiasao ny “Ireo lohahevitra” any amin’ny faran’ny Bokin-kiran’ny ankizy mba hahitana ireo hira izay mifandray amin’ireo fitsipiky ny filazantsara ampianarinao. Ampio ny ankizy hampifandray ny hafatr’ireo hira amin’ny fiainan’izy ireo. Ohatra, afaka mametraka fanontaniana momba ireo teny na andian-teny ao amin’ilay tonony izy ireo. Ankoatra ny mihira dia afaka manao fihetsika mifanaraka amin’ilay hira koa ny ankizy na mihaino fotsiny ny hira izay atao feo mandravaka eo am-panaovana asa atao hafa izy ireo. Mba hakana hevitra hafa dia jereo ny fizarana “Mampiasa hira mba hampianarana fotopampianarana” sy ny “Manampy ny ankizy hianatra sy hahatadidy ireo hiran’ny Kilonga sy ny hira ao amin’ny fihirana” ao amin’ny “Toromarika mikasika ny fotoam-pihirana sy ny fampisehoana ataon’ny ankizy mandritra ny fivoriana fanasan’ny Tompo”.

  • Mihainoa na milalaova tantara iray. Ny ankizy kely dia tia tantara, avy amin’ny soratra masina, na avy amin’ny fiainanao, na avy amin’ny tantaran’ny Fiangonana na avy amin’ny gazetibokin’ny Fiangonana. Mitadiava fomba hampandraisana anjara azy ireo ao anatin’ny fitantarana tantara. Afaka mihazona sary na zavatra izy ireo, na manao sary ny zavatra henony, na milalao an-tsehatra ilay tantara, na manampy amin’ny fitantarana tantara. Ampio ny ankizy hahafantatra ireo fahamarinana ao amin’ny filazantsara ao anatin’ireo tantara zarainao.

  • Mamakia soratra masina. Mety tsy tena hahay hamaky teny loatra ny ankizy madinika, saingy mbola afaka mampanolo-tena azy ireo hianatra avy amin’ny soratra masina ianao. Mety ho mila mifantoka amin’ny andininy na andian-teny manan-danja, na teny iray ianao. Rehefa mamaky mafy soratra masina iray ianao dia afaka manasa ny ankizy mba hitsangana na hanangana ny tanany rehefa maheno teny na andian-teny manokana tianao hifantohana izy ireo. Mety afaka manao tsianjery andian-teny fohy avy amin’ny soratra masina aza izy ireo rehefa mamerimberina kely izany. Rehefa maheno ny tenin’ Andriamanitra izy ireo dia hahatsapa ny Fanahy.

  • Manaova zavatra mampihetsiketsika. Noho ny ankizy kely izay matetika no mihetsiketsika, dia mandrafeta fomba hanomezanao fahafahana azy ireo hivezivezy, hitanjozotra, hitsambikimbikina, hiondrika, handehandeha, na hanao fihetsika hafa izay mifandray amin’ilay fitsipika na ilay tantara ampianarinao. Mety mahomby koa ireo fihetsika ireo rehefa miara-mihira ianareo.

  • Mijereva sary iray na mijereva horonan-tsary. Rehefa mampiseho sary na horonan-tsary amin’ireo ankizy ianao, dia mametraha fanontaniana izay manampy azy ireo hahita ny ifandraisan’izany amin’ny fitsipiky ny filazantsara na tantara ao amin’ny soratra masina. Ohatra, azonao atao ny manontany hoe: “Inona no mitranga eo amin’io sary io na ao amin’io horonan-tsary io?” na “Mahatonga anareo hahatsapa toy ny ahoana izany?” Ny application Bibliothèque de l’Evangile, ny MediaLibrary.ChurchofJesusChrist.org, ary ny children.ChurchofJesusChrist.org dia toerana tsara hitadiavana horonan-tsary.

  • Mizara ireo zavatra niainana. Ny ankizy kely dia mety tsy manana zavatra betsaka zaraina toy ny ataon’ny ankizy lehibe, saingy rehefa omenao torolalana manokana izy ireo, dia afaka mizara ny zavatra tsapany sy ny zavatra niainany mahakasika ny zavatra nianarany.

    ankizy mandoko ao amin’ny efitrano fianarana ao am-piangonana
  • Mamorona. Ny ankizy kely dia afaka manamboatra zavatra, na manao sarina zavatra, na mandoko zavatra izay mifandray amin’ny tantara na fitsipika ianaran’izy ireo. Ampio izy ireo hitondra ny zavatra namboariny any an-trano ary hizara izany amin’ireo olona amin’ny fianakaviana mba hanampiana ny ankizy hahatadidy ny zavatra nianarany.

  • Mandraisa anjara amin’ireo lesona maneho ohatra mivaingana. Ny lesona tsotra maneho ohatra mivaingana dia afaka manampy ny ankizy hahatakatra fitsipiky ny filazantsara anankiray izay sarotra takarina. Rehefa mampiasa lesona maneho ohatra mivaingana dia mitadiava fomba hamelana ny ankizy handray anjara. Hianatra zavatra kokoa avy amin’ny fandraisany anjara izy ireo raha ampitahaina amin’ny fijerena fanazavana fotsiny.

  • Milalaova toe-javatra an-tsehatra. Rehefa milalao an-tsehatra toe-javatra iray izay hitranga eo amin’ny fiainany ny ankizy dia afaka mahatakatra tsara kokoa ny fiantefan’ny fitsipiky ny filazantsara amin’ny fiainany.

  • Averimbereno ireo asa atao. Mety ilain’ny ankizy ny mihaino imbetsaka hevitra mba hahatakaran’izy ireo azy. Aza matahotra ny hamerina matetika tantara na asa atao, na dia mandritra iny lesona iny ihany aza. Ohatra, mety hizara imbetsaka tantara iray ao amin’ny soratra masina amin’ny fomba samihafa ianao mandritra ny lesona iray: amin’ny alalan’ny famakiana soratra masina, famintinana amin’ny alalan’ny teninao manokana, fampisehoana horonan-tsary, famelana ny ankizy hanampy anao amin’ny fitantarana ilay tantara, fanasana azy ireo mba hilalao an-tsehatra ilay tantara sy ny sisa. Raha averina any an-trano koa ilay asa atao any am-pianarana, dia hanampy ny ankizy hianatra sy hahatadidy ilay famerimberenana.

  • Mifandraisa amin’ny hafa. Ao anatin’ny fampivelarana ny fahaizany mifanerasera amin’ny hafa ny ankizy ary matetika mankafy miara-mianatra sy milalao amin’ny namany. Mamoròna fotoana ahafahan’izy ireo mizara, mifandimby mandray anjara, sy miara-miasa rehefa mianatra izy ireo.

  • Mandraisa anjara amina asa atao isan-karazany. Raha ho an’ny ankizy kely manokana dia fohy ny fifantohan-tsainy ary manana fomba samihafa hianarana izy ireo. Mampiasà asa atao samihafa dia jereo tsara ireo mari-pamantarana maneho fa mila fanovana ny famindra ny ankizy. Ohatra, mety mila mampifandimby ny asa atao milamindamina sy ny asa atao mampihetsiketsika ianao.

Anisan’ny anjara asanao amin’ny maha-mpampianatra ankizy kely anao, ankoatra ny fampianarana ireo fitsipiky ny filazantsara, ny manampy ny ankizy hianatra ny fomba fandraisana anjara araka ny tokony ho izy ao anatin’ny kilasy any am-piangonana. Ohatra, mety mila mianatra mikasika ny fifandimbiasana manao zavatra, ny fizarana, sy ny fanajana ny hafa sy ny sisa izy ireo. Ny mpampianatra sasany dia mamorona tabilao izay ahitana ny asa ampanaovina mba handraisan’ny ankizy tsirairay anjara amin’ny fomba manokana ao amin’ny kilasy (toy ny fanaovana vavaka, fihazonana sary, na fizarana taratasy). Azo ovaina isan-kerinandro ny asa ampanaovina. Manampy ny ankizy hifandimby hanao zavatra sy hifantoka amin’ny fitondrantena tokony hananana ao an-dakilasy izany.

Ny ankizy—indrindra ny ankizy kely—dia matetika mahazo tombontsoa amin’ilay zavatra mahazatra fanao tsy tapaka sy azo vinavinaina. Satria fohy ny fifantohan-tsain’ny ankizy kely ary indraindray sahirana izy ireo eo amin’ny fifantohana mandritra ny fotoam-pianarana iray manontolo, dia matetika tena tsara raha ampidirina ao amin’ilay zavatra mahazatra ny fanovana matetika ny asa atao iray amin’ny asa atao iray hafa. Ohatra, ny zavatra mahazatra fanaon’ny kilasinao dia mety ahitana ny fiatoana kely indraindray mba handokoana sary iray, na hihirana hira iray sy ny sisa.