Avia, hanaraka Ahy
11–17 martsa. Matio 10–12; Marka 2; Lioka 7; 11: -Ireo roa ambin’ny folo lahy ireo dia nirahin’i Jesoa-


“11–17 martsa. Matio 10–12; Marka 2; Lioka 7; 11: -Ireo roa ambin’ny folo lahy ireo dia nirahin’i Jesoa-” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“11–17 martsa. Matio 10–12; Marka 2; Lioka 7; 11,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

Sary
nanendry an’i Petera i Jesoa Kristy

11–17 martsa

Matio 10–12; Marka 2; Lioka 711

“Ireo Roambinifololahy ireo dia nirahin’i Jesoa”

Ny famakiana ny Matio 10–12; Marka 2; ary ny Lioka 711 sady mieritreritra ireo mpianatrao dia hanampy anao handray fitaomam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina momba ny zavatra ilain’izy ireo. Raketo an-tsoratra ireo fahatsapana ara-panahy azonao, ary vakio ity rindran-damina ity mba hahitana hevi-baovao fanampiny sy hevitra enti-mampianatra.

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

Sary
sharing icon

Asao mba hizara

Asao ny mpianatra vitsivitsy ho tonga miaraka amin’ny fahavononana hizara izay fanontaniana nananany momba ny Matio 11:28–30. (Mba hahitana karazana fanontaniana, dia jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana.) Inona no valinteny hitan’izy ireo?

Sary
teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Matio 10

Omen’ny Tompo fahefana hanao ny asany ny mpanompony.

  • Afaka manampy antsika eo amin’ny andraikitsika manokana ny andraikitra nomen’ny Mpamonjy an’ireo Apôstôliny. Mety efa nanana hevi-baovao momba ity lohahevitra ity ireo mpianatra tamin’ny fandalinana manokana nataony; ohatra, misy asa ampanaovina momba ity lohahevitra ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Asao izy ireo hizara ny zavatra nianarany na hamita ilay asa ampanaovina anaty vondrona kelikely ao an-dakilasy. Asao ny mpianatra hizara ny zavatra niainany rehefa nahatsapa ny herin’ny Mpamonjy teo am-panatontosany ny antsony izy ireo.

  • Fomba iray hafa hamerenan’ny mpianatra ny Matio 10 ny manadihady io toko io mba hitadiavana zavatra nasain’ny Mpamonjy nataon’ireo Apôstôly ary manao sary maneho izany zavatra izany. Afaka mizara ny sary nataony sy ny zavatra nianarany momba ny antso nomena ny Apôstôly Roa ambin’ny folo izy ireo.

  • Manampy ireo mpianatra hahatakatra ny anjara asan’ny mpaminany sy ny apôstôly maoderina amin’ny fomba ahoana ny fandalinana ny andraikitra nomen’i Kristy an’ireo Apôstôliny ao amin’ny Matio 10? Mety hanampy ny mampitaha ny andraikitra nomen’ny Mpamonjy ireo Roambinifololahy amin’ny andraikitra nomena ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambin’ny folo voalohany tao anatin’ity fotoampitantanana ity, izay hita ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Nitaona ny mpianatra hanao inona no asa fanompoan’ireo Apôstôly velona? Mijoroa ho vavolombelona momba ny antso masin’ireo mpaminany sy apôstôly velona, ary asao ireo mpianatra hanao toy izany koa.

  • Mba hanehoana fa ny mpihazona ny fisoronana rehetra dia afaka manaraka ny niavian’ny fahefana hazoniny hatramin’ny fotoana nanendren’i Jesoa ireo Apôstôliny, dia asao ny mpihazona ny fisoronana iray hiresaka momba ny fitohizam-pahefany.

Sary
Kôlejin’ny Roambinifololahy

Manatanteraka ny asan’ny Tompo ireo Apôstôly Roambinifolo ankehitriny.

Matio 10:17–20

Rehefa manompo ny Tompo isika dia hanentana ny fanahintsika amin’ny zavatra tokony holazaintsika Izy.

  • Indraindray ny olona dia tsy mahazo aina rehefa mampianatra na miresaka amin’ny hafa momba ny filazantsara. Kanefa ny Tompo dia nampanantena an’ireo mpianatra fa hanampy azy ireo hahafantatra ny zavatra tokony holazainy Izy. Inona no tokony hataontsika mba handraisana ilay fanampiana nampanantenain’ny Tompo ho antsika? Asao ireo mpianatra hamaky ny Matio 10:19–20; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:85; ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 100:5–8 mba hahita ny valin’io fanontaniana io. Oviana ny Fanahy Masina no nanampy anao hahafantatra izay tokony holazaina? Azonao atao ny mizara ny zavatra niainanao sy manasa ireo mpianatra hizara ny zavatra niainany.

Matio 12:1–13; Marka 2:23–28

Andro hanaovan-tsoa ny Sabata.

  • Mba hitandremana ny andro Sabata ho masina, dia nametraka lalàna hentitra sy fomba fanao napetrak’olombelona ireo Fariseo, izay nampanjavozavo ny fahatakarany ny tena tanjon’ny Sabata tamin’ny farany. Moa ve hahasoa ireo mpianatrao ny mifanakalo hevitra momba ny antony nanomezan’ny Tompo antsika ny andro Sabata? Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hamerina hijery ireo tantara ao amin’ny Matio 12:1–13 sy ny Marka 2:23–28 ary mizara ny zavatra nampianarin’ny Mpamonjy momba ny andro Sabata. Inona no hevi-baovao fanampiny momba ny Sabata izay azontsika avy amin’ny Eksodosy 31:16–17; Isaia 58:13–14; ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9–13? Inona ireo fomba fanao na lalàna izay mety hampivily ny saintsika hiala amin’ny tena tanjon’ny Sabata?

  • Raha toa ka nanantitrantitra lalàna maro tamin’ny antsipiriany momba ny Sabata ireo Fariseo, ny Mpamonjy kosa dia nampianatra fitsipika tsotra: “Mety ny manao soa amin’ny Sabata” (Matio 12:12). Ireo izay miaina araka io fitsipika io dia matetika tsy dia sahirana loatra amin’ny fitandremana ny Sabata ho masina. Inona ireo fitsipika hafa izay manampy ny mpianatra hitandrina ny andro Sabata ho masina? Nahoana no mahomby kokoa noho ny fametrahana lalàna ny fampianarana fitsipika amin’ny fampitomboana ny fizakan-tena ara-panahy? (jereo ny teny nolazain’ny Mpaminany Joseph Smith ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”). Misy fitsipika hafa ve azontsika eritreretina izay manampy antsika hankatò ny didin’ Andriamanitra? Ohatra, inona ireo fitsipika izay afaka manampy ny ray aman-dreny hitaona ireo zanany mba hankatò ny Tenin’ny Fahendrena na hanao fikarohana momba ny tantaram-pianakaviana?

  • Ny lahateny nataon’ny Loholona Russell M. Nelson hoe “Fahafinaretana ny Sabata” (Ensign na Liahona, mey 2015, 129–32)  dia mety hanampy amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny andro Sabata.

  • Afaka milalao an-tsehatra ny fomba mety hanazavany amin’ny olona iray avy amin’ny antokom-pinoana hafa ny antony hitandremany ny andro Sabata ho masina izy ireo.

Lioka 7:36–50

Rehefa voavela amin’ny fahotantsika isika, dia mihalalim-paka ny fitiavantsika ny Mpamonjy.

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatr’ilay vehivavy sy ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny Lioka 7:36–50 rehefa mikatsaka famelana ho an’ny fahotantsika isika? Mampatanjaka ny fifandraisantsika amin’i Kristy amin’ny fomba ahoana ny fibebahana? Ahoana no azontsika hampiasana io tantara io mba hampianarana olona iray ny dikan’ny hoe mikatsaka famelan-keloka?

Sary
learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Azonao atao ny mametraka fanamby amin’ireo mpianatra mba hamaky ny fanoharana ao amin’ny Matio 13 sy ny Lioka 813 ary miomana mba hizara hevi-baovao iray momba ny fitsipiky ny filazantsara izay azony avy amin’ny iray amin’ireo fanoharana mandritra ny fotoam-pianarana amin’ny herinandro manaraka.

Sary
resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Matio 10–12; Marka 2; Lioka 711

Andraikitra nomena ny apôstôly amin’ny andro farany.

Tamin’ny fotoana niantsoana ny sasany tamin’ireo mpikambana voalohany tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo tamin’ity fotoampitantanana ity, dia nanome azy ireo andraikitra i Oliver Cowdery izay andraikitra mitovy amin’ny nomen’i Jesoa Kristy ao amin’ny Matio 10. Hoy Izy:

“‘Ianareo dia hiady amin’ny fanavakavahan’ny firenena rehetra. … Noho izany aho dia mampitandrina anareo mba hanao izay hananana fanetrentena lehibe, satria fantatro ny fiherarehan’ny fon’ny olombelona. Tandremo fandrao ireo mpandokandokan’izao tontolo izao hanandratra anareo. Tandremo fandrao ny fitiavanareo ho voasariky ny zavatr’izao tontolo izao. Aoka ny asa fanompoanareo no handeha voalohany. … Ilaina ny handraisanareo fijoroana ho vavolombelona ho anareo manokana avy any An-danitra, mba hahafahanareo mijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana. …

“‘… Ianareo dia tokony hitondra ity hafatra ity ho an’ireo izay mihevitra ny tenany ho hendry. Ary ny olona toy izany dia mety hanenjika anareo, mety hikatsaka ny hamono anareo izy ireo. Ny fahavalo dia nikatsaka hatrany hamono ireo mpanompon’ Andriamanitra. Noho izany ianareo dia tokony ho vonona hanao sorona ny ainareo amin’ny fotoana rehetra, raha toa ka takin’ Andriamanitra amin’ny fanorenana ny asany izany. …

“Avy eo izy dia nifandray tanana tamin’izy ireo tsirairay avy dia nilaza hoe: ‘Moa ve ianao mandray anjara amin’ny tena fanirian’ny fo tokoa amin’ity asa fanompoana ity, mba hitory ny filazantsara amin’ny fahazotoana feno miaraka amin’ireo rahalahy ireo, araka ny votoatiny sy ny zavatra kasaina hatao amin’ilay andraikitra izay noraisinao?’ Nanaiky ny tsirairay avy tamin’izy ireo” (ao amin’ny Joseph Smith Papers, Antontan-taratasy, Boky 4: Aprily 1834–septambra 1835, ed. Matthew C. Godfrey sy hafa [2016], 243–44, 247; nampitoviana ny tsipelina sy ny mari-piatoana).

Mampianatra fotopampianarana marina.

Indray mandeha nisy olona iray nanontany ny Mpaminany Joseph Smith hoe ahoana no nahafahany nitondra tamim-pahombiazana ny olona marobe aoka izany tao Nauvoo. Nanazava ny Mpaminany hoe: “Ampianariko fitsipika marina izy ireo, dia mitondra ny tenany samirery izy” (jereo ny Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith [2007], 284).

Manatsara ny fampianarantsika

Mampanantenà fitahiana. Rehefa manasa olona hanao asa ianao, dia mijoroa ho vavolombelona amin’ireo izay ampianarinao fa handray ireo fitahiana izay nampanantenan’ Andriamanitra izy ireo rehefa mampihatra amim-pinoana ny fampianarany. Tsy tokony ho antony fototra mampazoto antsika hankatò ny fitahiana, kanefa maniry ny hitahy ny zanany rehetra ny Ray any An-danitra. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 35.)

Hamoaka printy