Avia, hanaraka Ahy
18–24 martsa. Matio 13; Lioka 8; 13: -Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino-


“18–24 martsa. Matio 13; Lioka 8; 13: -Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino-” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2019 (2019)

“18–24 martsa. Matio 13; Lioka 8; 13,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2019

varim-bazaha vonona hojinjaina

18–24 martsa

Matio 13; Lioka 813

“Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino”

Rehefa mamaky ianao, dia eritrereto ireo fanontaniana izay mety hananan’ireo mpianatrao rehefa miezaka ny hahatakatra ny hafatra avy amin’ireo fanoharana izy ireo. Inona no mety ho sarotra takarina? Ahoana no hanomanan’ny fandalinana ataonao anao hamaly ny fanontanian’izy ireo?

Raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao

sharing icon

Asao mba hizara

Avereno jerena miaraka amin’ireo mpianatra ny “Hevitra hanatsarana ny fandalinanao manokana ny soratra masina” ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Asao ireo mpianatra hizara ny fomba nampiasainy mba handalinana ny Matio 13 sy Lioka 813.

teaching icon

Ampianaro ny fotopampianarana

Matio 13:1–23

Tokony ho vonona handray ny tenin’ Andriamantitra ny fontsika.

  • Mba hanampiana ireo izay ampianarinao hahita ao an-tsainy ireo hafatra avy amin’ny fanoharana ny amin’ny mpamafy, dia afaka mitondra voa vitsivitsy sy tavy misy tany ary vato kely maromaro ao am-pianarana ianao. Angataho ny mpianatra iray hamboly voa iray ao amin’ ilay tany sy voa iray ao amin’ ireo vato kely. Iza amin’ireo voa no haniry kokoa, ary nahoana? Inona no ifandraisan’io lesona maneho ohatra mivaingana io amin’ilay fanoharana ao amin’ny Matio 13:1–23? Ahoana no ahafahantsika manomana ny fontsika handray ny tenin’ Andriamanitra?

  • Ahoana no ahafahanao mampiasa ilay fanoharana momba ny mpamafy voa mba hitaomana ireo mpianatra hanomana ny fon’izy ireo handray ny tenin’ Andriamanitra? Afaka manoratra hoe Mpianatra sy Hafa eny amin’ny solaitrabe ianao. Asao ireo mpianatra hamaky ny Matio13:10–17 ary hitady ny fomba namariparitan’ny Mpamonjy ireo fahasamihafana misy eo amin’ireo mpianany sy ireo hafa izay nandre ny fanoharana nataony. Avy eo dia angataho ireo mpianatra hijery ao amin’ny andininy 18–23, ka hitady izay mety mahatonga ny sofintsika ho “lalodalovina” na ny masontsika tsy hahita zavatra ara-panahy. Inona no torolalana raisintsika avy amin’ Andriamanitra sy avy amin’ireo mpanompony amin’izao fotoana izao? Amin’ny fomba ahoana no hambolentsika eo amin’ny “tany tsara”? (andininy 23).

  • Azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy mba samy ho tonga amim-pahavononana hampianatra ampahany amin’ilay lahatenin’ny Loholona Dallin H. Oaks hoe “Fanoharana momba ilay mpamafy voa” (Ensign na Liahona, mey 2015, 32–35). Inona no zavatra fanampiny avy amin’io lahateny io izay mampitombo ny fahatakarantsika ilay fanoharana?

Matio 13:24–35, 44–53

Manampy antsika hahatakatra ny fitombon’ny Fiangonany sy izay hiafarany ary ny lanjan’izany ireo fanoharana nataony.

  • Ahoana no ahafahanao manampy ireo mpianatra hahatakatra ireo fahamarinana momba ny Fiangonana izay nampianarina tao amin’ireo fanoharana nataon’i Jesoa ao amin’ny Matio 13? Azonao atao lisitra eny amin’ny solaitrabe ny fanoharana vitsivitsy (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana) sy ny Enseignements des Présidents de l’Eglise: Joseph Smith, 293–303). Angataho ireo mpianatra rehefa notsinjaraina ho vondrona kely mba handalina ny fanoharana tsirairay sy hitady ny zavatra nianarany momba ny fitombon’ny Fiangonana sy izay hiafarany. Ny fomba iray hanambarana ny hevitra rehetra avy amin’ny vondrona tsirairay dia ny manao faribolana lehibe eny amin’ny solaitrabe ary mampitondra anarana an’izany hoe: Fiangonan’i Kristy (“ny fanjakan’ny lanitra”). Rehefa mizara ny zavatra hitany ny vondrona tsirairay, dia afaka manoratra ny zavatra nianarany momba ny fitombon’ny Fiangonana sy izay hiafarany ny mpianatra.

    lehilahy iray manarato

    Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny haraton’ny mpanjono.

  • Inona no ianarantsika momba ny lanjan’ny maha mpikambana ao amin’ny Fiangonana avy amin’ireo fanoharana momba ny harena nafenina tany an-tsaha sy ny voahangy lafo vidy ireo izay hita ao amin’ny Matio 13:44–46? Ny sasany amin’ireo mpianatrao (na ny olona fantany) dia mety nanao fahafoizan-tena, na lehibe na kely, mba hahatongavana ho mpikamban’ny Fiangonana. Asao ny mpianatra hizara ny fahafoizan-tena nataony na hitany nataon’ny hafa mba hahatongavana ho mpikamban’ny Fiangonana. Inona avy ireo fitahiana tonga vokatr’izany? Zarao ilay tantara notantarain’ny Filoha Gordon B. Hinckley momba ilay tantsambo ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Asao ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra tsapany fa hanentanan’ny Fanahy azy mba hafoiny ho an’ny Fiangonana.

Matio 13:24–30, 37–43

Rehefa hifarana izao tontolo izao dia hanangona ny marina ny Tompo sy handrava ny ratsy fanahy.

  • Ahoana no ahafahanao manampy ireo mpianatrao mba hisintona lesona avy amin’ilay fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary izay hanampy azy ireo hijanona ho Olomasin’ny Andro Farany mahatoky? Atombohy izany amin’ny fanasana mpianatra iray hamintina ilay fanoharana sy ny fanazavana ilay izy. Mety hanampy ihany koa ny mampiseho ny sarin’ny vary sy tsimparifary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Inona ireo lesona vitsivitsy ao amin’io fanoharana io izay natao ho an’izao androntsika izao? Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra fa avelan’ny Tompo “hiara-maniry” (Matio 13:30) miaraka amin’ny ratsy fanahy ireo Olomasiny mandra-pahatongan’ny finjinjana? Ahoana no ahafahantsika mihazona ny finoantsika ho matanjaka ao anatin’ity tontolo manodidina antsika ity, kanefa manodidina antsika ny faharatsiana? Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86 dia manome hevi-baovao fanampiny amin’ny fampiharana io fanoharana io amin’izao andro farany.

  • Ny teny nambaran’ny Loholona L. Tom Perry ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia milaza fa ireo tsimparifary dia mety maneho ny “fomba ratsy sy avy amin’izao tontolo izao” izay tafiditra ao amin’ny fiainantsika. Mba hanampiana ireo mpianatra hisaintsaina ny fomba ahafahany manavaka io karazana tsimparifary ara-panahy io, dia soraty amin’ny taratasy kely lavalava ny fahamarinana maromaro ao amin’ny filazantsara sy ny hevitra na fomba fanao diso sy avy amin’izao tontolo izao. Ataovy ao anatin’ny fitoeran-javatra iray ireo taratasy lavalava ireo. Avy eo dia asao ireo mpianatra mba hisafidy vitsivitsy amin’izany ka hifanakalo hevitra hoe inona no fahamarinana ary inona no zavatra diso. (Maro amin’ireo fahamarinana sy zavatra diso ireo no hita ao amin’ny lahatenin’ny fihaonamben’ny Fiangonana; azonao atao ny mijery ao mba hahitana hevitra.) Ahoana no ahafahantsika manaraka ny torohevitry ny Loholona Perry mba “[h]ikolokolo … Ilay voly tsara” eo amin’ny fiainantsika?

learning icon

Amporisiho ny fianarana ao an-tokantrano

Azonao atao ny milaza fa ny vakiteny amin’ny herinandro manaraka dia mitantara momba ny olona izay nanaraka an’i Jesoa kanefa avy eo dia “tsy niara-nandeha taminy intsony” (Jaona 6:66). Lazao amin’ireo mpianatra fa izy ireo dia afaka mahita hevi-baovao izay afaka hanampy azy sy ny hafa hijanona ho mahatoky amin’ny Mpamonjy.

resources icon

Loharanom-pitaovana fanampiny

Matio 13; Lioka 813

“Marina ilay izy, sa tsy izany?”

Ny Filoha Gordon B. Hinckley dia nizara zavatra iray niainany niaraka tamin’ny tantsambo iray avy any Azia izay niditra ho mpikamban’ny Fiangonana vao haingana:

“Nampahafantarina ahy izy mialoha indrindra ny fodiany tany amin’ny firenena nahaterahany. Niresaka momba ny [fahamarinan’ny filazantsara] izahay, ary avy eo aho niteny hoe: -Tsy Kristianina ny olona any amin’ny firenenao. Inona no hitranga rehefa Kristianina ianao no miverina mody, indrindra moa fa Kristianina Môrmôna?-

“Nanjombona ny endriny, dia namaly izy hoe: -Ho diso fanantenana ny fianakaviako. Mety hanary ahy izy ireo ary hanao ahy ho toy ny hoe efa maty. Raha momba ny hoaviko sy ny asako dia mety hakatona amiko avokoa ireo varavarana rehetra.-

“Nanontany aho hoe: -Vonona hanao izany fahafoizan-tena tena goavana izany ve ianao noho ny filazantsara?-

“Namiratra ireo masony miloko mainty, mandon’ny ranomaso … raha namaly izy hoe: -marina ilay izy, sa tsy izany?-

“Menatra aho noho ny nametrahana izany fanontaniana izany, dia namaly aho hoe: -Eny, marina ilay izy.-

“Izay novaliany hoe: -Dia inona moa no manan-danja kokoa noho izany?-” (“It’s True, Isn’t It?” Ensign, jolay 1993, 2).

Tokony hokolokolointsika ilay voly tsara.

Nampianatra ny Loholona L. Tom Perry hoe: “Io fahavalon’ny olombelona rehetra efa hatrizay io dia nahita tetikady marobe araka izay azony neritreretina mba hamafazana ireo voan-tsimparifary manerana ny tontolo. Nahita fomba izy mba hampidirana azy ireo na dia ao anatin’ny toetra masina ananan’ny tokantranontsika manokana mihitsy aza. Lasa nahazo vahana tokoa ireo fomba feno haratsiam-panahy sy araka izao tontolo izao ka nanjary toa tsy misy fomba tena azo hanaisorana azy ireo tanteraka. Tonga amin’ny alalan’ny tariby izy ireo ary koa avy eny amin’ny rivotra ka tafiditra ao amin’ireo fitaovana elektrônika izay namboarintsika mba hampianarana sy hampialana voly antsika. Niara-naniry sy nifanakaiky teo ny vary sy ny tsimparifary. Ny olona iray mpiandraikitra ny fikarakarana ilay tanimboly dia tsy maintsy mikolokolo amin’ny heriny rehetra ilay voly tsara ary manao izay hampatanjaka sy hahatsara tarehy tokoa izany mba tsy hahafahan’ireo tsimparifary misarika ny maso na ny sofina.” (“Mitady fiadanana maharitra sy manorina fianakaviana mandrakizay,” Ensign na Liahona, nôv. 2014, 44).

Manatsara ny fampianarantsika

Ataovy mifototra amin’ny fotopampianarana ny fampianaranao. Ataovy izay hifantohan’ny fifanakalozan-kevitra ataon’ny mpianatrao amin’ny fotopampianarana fototra ao amin’ny soratra masina. Afaka manao izany ianao amin’ny fangatahana ireo mpianatra mba hamaky ny soratra masina mialoha sy mampifantoka ny fifanakalozan-kevitra ataon’ny mpianatra amin’ny soratra masina ary mangataka ireo mpianatra mba hizara ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona momba ny fotopampianarana marina. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 20–21.)