Testamenta Vaovao 2023
Loharanom-pitaovana fanampiny


“Loharanom-pitaovana fanampiny,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“Loharanom-pitaovana fanampiny,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ireto loharanom-pitaovana ireto dia azo jerena ao amin’ny application Bibliothèque de l’Évangile sy ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana

Azonao amboarina izay sahanasa avy amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana mba ho azo ampiasaina ao amin’ny kilasinao ao amin’ny Sekoly Alahady. Raha efa nampiasa ireto sahanasa ireto ny mpianatra nandritra ny fandalinany soratra masina manokana na niaraka tamin’ny fianakaviany dia amporisiho izy ireo hizara ny zavatra niainanay na ny hevi-baovao hitany.

Cantiques sy Fihirana sy hiran’ny ankizy sy Bokin-kiran’ny ankizy

Ny hira masina dia manasa ny Fanahy, sy manampy antsika hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra ary mampianatra ny fotopampianaran’i Kristy amin’ny fomba tsy hay hadinoina. Ankoatra ny tahadika vita printin’ny Cantiques sy Fihirana sy hiran’ny ankizy ary ny Bokin-kiran’ny ankizy dia afaka mahita raki-peo sy horonan-tsarin’ny fihirana sy hiran’ny ankizy maro ianao ao amin’ny music.ChurchofJesusChrist.org sy ao amin’ny application Musique sacrée sy ny Bibliothèque de l’Évangile.

Boky torolalana ho an’ny seminera sy institiota

Ny boky torolalana ho an’ny seminera sy institiota dia manolotra fampahalalana fototra ara-tantara sy fanazavana ny fotopampianarana ho an’ireo fitsipika sy tantara hita ao amin’ny soratra masina. Mety hanome hevitra enti-mampianatra ho an’ny kilasin’ny Sekoly Alahady ihany koa izany.

Gazetibokin’ ny Fiangonana

Ny gazetiboky Liahona sy ny Ho zatovo mahery! dia ahitana lahatsoratra sy fitaovana hafa izay afaka manampy ireo fitsipika ampianarinao avy ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady.

Sary
ankizy mandalina gazetibokin’ny Fiangonana sy soratra masina

Ireo lohahevitra mikasika ny filazantsara

Ao amin’ny Sujets de l’Évangile (topics.ChurchofJesusChrist.org) ianao dia afaka mahita fampahalalana ankapobeny momba ny lohahevitra mikasika ny filazantsara isan-karazany, miaraka amin’ireo rohy mankany amin’ireo loharanom-pitaovana manampy toy ireo hafatra avy amin’ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, lahatsoratra, soratra masina, ary horonan-tsary izay mifandray amin’izany. Afaka mijery ao amin’ny Essais sur des sujets de l’évangile ihany koa ianao, izay manolotra fampahalalana lalina kokoa momba ireo fanontaniana mikasika ireo olana ara-potopampianarana sy ara-tantara, ary valin’ireo fanontaniana maro mikasika ny Fiangonana sy ny fampianarany.

Torio ny Filazantsarako

Io boky torolalana ho an’ny misiônera io dia manome topimaso momba ireo fitsipika fototry ny filazantsara.

Ho zatovo mahery! (kiboky)

Io loharanom-pitaovana io dia mandravona ireo fitsipi-pitondrantena an’ny Fiangonana izay afaka manampy antsika hiaina ny filazantsara sy hianoka ny fiarahana amin’ny Fanahy. Jereo matetika izany, indrindra fa rehefa mampianatra zatovo ianao.

Horonan-tsary sy asa kanto

Ny zava-kanto sy ny horonan-tsary ary ireo sary sy feo hafa dia afaka manampy ireo izay ampianarinao hahatakatra ilay fotopampianarana sy haka sary an-tsaina ireo tantara mifandray amin’ny soratra masina. Tsidiho ny Médiathèque ao amin’ny MediaLibrary.ChurchofJesusChrist.org mba hahitana ny fitambaran’ireo haino aman-jery an’ny Fiangonana. Misy amin’ny endriny application ho an’ny fitaovana finday koa ny Gospel Media. Sary maro izay azonao ampiasaina ao an-dakilasy no hita ao amin’ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara.

Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy

Ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy dia afaka manampy anao hianatra sy hampihatra ireo fitsipiky ny fampianarana araka ny an’i Kristy. Ireo fitsipika ireo dia ifanakalozana hevitra sy ampiharina ao amin’ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra.

Hamoaka printy