Testamenta Vaovao 2023
Lamina hitondrana ny fampianarana


“Lamina hitondrana ny fampianarana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“Lamina hitondrana ny fampianarana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
zatovo mandalina ny soratra masina

Lamina hitondrana ny fampianarana

Ny rindran-damina tsirairay ao anatin’ity loharanom-pitaovana ity dia manaraka ny lamin’ny fanasana, fizarana, ary fampianarana ny fotopampianarana Amin’ny ankamaroan’ny fotoana, rehefa iny mampianatra iny ianao, dia mety hifanindry na hitranga tsy manaraka ny filaharany ireo singa mandrafitra io lamina io. Ohatra, andeha raisina toy ny hoe fahafahana mampianatra ny fotopampianarana ny fizarana zavatra, ary ny fampianarana ny fotopampianarana dia tokony hahitana fanasana mba hizara hevitra. Avelao hitranga ho azy izany fanovana izany, araka ny fanarahana ny bitsiky ny Fanahy mba hanomezana ireo zavatra ilain’ireo ankizy ampianarinao.

Asao mba hizara

Mandritra ny fotoam-pianarana rehetra, dia asao ny mpianatra hizara hevi-baovao sy zavatra niainan’izy ireo nandritra ny herinandro lasa rehefa nandalina samirery ny soratra masina sy niaraka tamin’ny fianakaviany izy ireo, ary nampihatra ny zavatra nianarany. Ampio ny mpianatra hahita fa manan-danja ny fianaran’izy ireo manokana ivelan’ny fotoam-pianarana. Tsy ho amin’ny alalan’ny fianarana isaky ny alahady ihany no hitrangan’ny fiovam-pon’izy ireo manokana ho amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy fa amin’ny alalan’ny zavatra iainan’izy ireo isan’andro ihany koa. Rehefa mahare ny zavatra niainan’ny tsirairay sy ireo fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany ny mpianatra, dia ho moramora kokoa ny hikatsahan’izy ireo zavatra iainana mitovy amin’izany.

Tsy voatery ho namaky ireo toko ho an’ny lesona tsirairay daholo ny rehetra, ary na ireo izay namaky aza dia mety hahatsapa ho tsy mahazo aina rehefa asaina mizara hevitra. Ataovy izay hahatsapan’ny mpianatra rehetra fa singa manan-danja ao anatin’ilay kilasy izy ireo, na manana zavatra hozaraina na tsia.

Ampianaro ny fotopampianarana

Na ianao na ny mpianatrao dia tokony hifantoka amin’i Jesoa Kristy sy ny fotopampianarany, dia ireo fahamarinana mandrakizain’ny filazantsara, izay hita ao amin’ireo andalan-tsoratra masina asaina vakina. Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia afaka manampy anao hahatakatra tsara kokoa ilay fotopampianarana hampianarinao ny ankizy. Eo am-pifanakalozanareo hevitra momba ireo fotopampianarana avy amin’ny soratra masina, dia inona avy ireo andinin-tsoratra masina, teny nindramina, zavatra niainana, fanontaniana ary loharanom-pitaovana fanampiny mety hozarainao? Ahoana no mety hampiasanao ireo loharanom-pitaovana ireo mba hanampiana ny mpianatra hahafantatra sy hahatakatra ireo fitsipiky ny filazantsara? Ahoana no ahafahanao manampy azy ireo hanamafy ny finoany ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Hamoaka printy