Testamenta Vaovao 2023
Mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady


“Mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady,,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“Mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady,,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady

Miomana hampianatra ao amin’ny Sekoly Alahady

Ny fandalinana manokana sy miaraka amin’ny fianakaviana ao an-tokantrano no tokony ho ivon’ny fianarana ny filazantsara. Marina izany ho anao sy ireo izay ampianarinao. Rehefa miomana hampianatra ianao dia atombohy amin’ny fananana ny traikefanao manokana amin’ny soratra masina. Ny fiomananao manan-danja indrindra dia hitranga rehefa manatona an’i Kristy ianao sy mamakafaka ny soratra masina ary mikatsaka ny fitaoman’ny Fanahy Masina.

Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia sady ampahany manan-danja amin’ny fandalinanao manokana no ampahany manan-danja amin’ny fiomananao hampianatra. Izy io dia hanampy anao hahatakatra lalindalina kokoa ireo fitsipika ara-potopampianarana izay hita ao amin’ny soratra masina. Izy io dia hanome fahafahana anao hitaona sy hanasa ireo mpianatra hampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny mpianakavy mba hanatsarana ny fandalinana soratra masina ataon’ny tena manokana sy ataon’ny fianakaviana (ho fanampiana amin’ny fanaovana izany dia jereo ny “Hevitra handrisihana ny fandalinana manokana sy ny fandalinana ataon’ny mpianakavy” ao anatin’ity loharanom-pitaovana ity). Eo am-panaovanao izany, dia tadidio ny mitandrina tsara ny amin’ireo mpianatra izay noho ny toe-javatra iainana eo anivon’ny fianakaviana dia tsy afaka miara-mandalina ny soratra masina na manao takarivan’ny mpianakavy tsy tapaka .

Ho tonga ao aminao mandritra ny fiomananao ireo hevitra sy fahatsapana momba ireo olona ampianarinao. Hahazo hevi-baovao ny amin’ny fomba hitahian’ireo fitsipika ao amin’ny soratra masina ny fiainan’izy ireo ianao. Hotarihina ianao mba hitaona azy ireo hahita ireo fitsipika ireo rehefa mianatra avy ao amin’ny soratra masina samirery izy ireo.

Hevitra hoenti-mampianatra

Eo am-piomanana hampianatra dia mety hahazo fitaomana fanampiny ianao amin’ny alalan’ny fizahana ireo rindran-damina hoenti-mampianatra ato anatin’ity loharanom-pitaovana ity. Aza heverina ho toy ny torolalana arahina amin’ny antsipiriany ireo hevitra ireo fa hevero kosa ho toy ny soso-kevitra hahazoanao fanentanam-panahy ho anao manokana. Fantatrao ireo olona ao amin’ny kilasinao, ary hanana fahafahana hahafantatra azy ireo kokoa ianao rehefa miara-mianatra ao an-dakilasy ianareo. Mahafantatra azy ireo koa ny Tompo ary hanolotra ireo fomba faran’izay tsara ho anao Izy mba hanampiana ny mpianatra hiorina eo amin’ny fianaran’izy ireo ny filazantsara any an-trano.

Maro ireo loharanom-pitaovana hafa azonao ampiasaina eo am-piomananao, anisan’izany ireo hevitra hita ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana sy ireo gazetibokin’ny Fiangonana. Mba hahazoana fampahalalana bebe kokoa momba ireo sy ireo loharanom-pitaovana hafa, dia jereo ilay fizarana mitondra ny lohateny hoe “Loharanom-pitaovana fanampiny” ato amin’ity loharanom-pitaovana ity.

Zavatra tsara tadidina

  • Tena mahomby ny fianarana ny filazantsara rehefa mifototra ao an-tokantrano izany. Amin’ny maha-mpampianatra anao dia manana andraikitra lehibe ianao ny hanohana sy hamporisika ary hiorina eo amin’ny fianarana ny filazantsara ao an-tokantrano ataon’ny mpianatra.

  • Ny fiovam-pon’ireo mpianatra ao amin’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany dia hihalalina kokoa rehefa takatr’izy ireo sy ampiharin’izy ireo ny fotopampianarana marina. Amporisiho izy ireo hirakitra sy hanaraka ireo bitsika azon’izy ireo avy amin’ny Fanahy Masina.

  • Ny mampianatra dia tsy vitan’ny hoe manome lesona fotsiny, kanefa izany koa dia tsy vitan’ny hoe mitarika fifanakalozan-kevitra fotsiny. Tafiditra ao anatin’ny anjara asanao ny mamporisika ny fandraisana anjara izay mankahery sy mifototra amin’ny soratra masina. Tokony hizara koa ireo hevitra avy amin’ny fanentanam-panahy izay azonao ianao rehefa nandalina ny soratra masina.

  • Tsarovy fa mpianatra maro no miaina zavatra manan-danja rehefa mandalina any an-trano ny soratra masina izay horesadresahanareo ao an-dakilasy. Afaka manohana ny fandalinany ny soratra masina ianao amin’ny fanomezana azy ireo fahafahana matetika hizara ny zavatra niainany tany an-tokantrano.

  • Tian’ny Ray any An-danitra ho mpampianatra mahomby ianao. Nanome loharanom-pitaovana maro Izy mba hanampiana anao, anisan’izany ny fivorian’ny filankevitry ny mpampianatra. Amin’ireny fivoriana ireny no ahafahanao mifanolotra hevitra amin’ny mpampianatra hafa momba ireo olana izay atrehinao. Azonao atao koa ny mifanakalo hevitra sy mampihatra fitsipiky ny fampianarana tahaka ny an’i Kristy.

  • Tena mianatra zavatra ny olona rehefa manana fahafahana hampianatra. Azonao atao indraindray ny mamela mpianatra iray, anisan’izany ireo zatovo, hampianatra ampahany iray amin’ny lesona. Ataovy arakaraka ireo zavatra ilaina sy ny fahaiza-manaon’ny mpianatrao ny fandraisana izany fanapahan-kevitra izany. Raha manasa mpianatra iray ianao hampianatra, dia makà fotoana hanampiana azy hiomana mialoha amin’ny fampiasana ireo hevitra hita ao amin’ity loharanom-pitaovana ity sy ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Tsarovy fa amin’ny maha-mpampianatra voantso anao, dia ianao ihany amin’ny farany no tompon’andraikitra amin’izay zavatra ampianarina ao an-dakilasy.

Ity loharanom-pitaovana ity dia ahitana rindran-damina hoenti-mampianatra ho an’ny herinandro rehetra ao anatin’ny taona. Amin’ireo alahady izay tsy misy Sekoly Alahady noho ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany, na fihaonamben’ny tsatòka, na izay mety antony hafa dia amporisihina ny fianakaviana hanohy hamaky ny Testamenta Vaovao any an-tokantrano araka ny fandaharam-potoana efa napetraka ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Amin’ireo alahady misy Sekoly Alahady dia afaka misafidy ny handingana lesona na hanambatra lesona ianao.

Hamoaka printy