“26 desambra–1 janoary. Tompon’andraikitra amin’ny fianarantsika manokana isika,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)
“26 desambra–1 janoary. Tompon’andraikitra amin’ny fianarantsika manokana isika,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023
26 desambra–1 janoary
Tompon’andraikitra amin’ny fianarantsika manokana isika
Rehefa mamaky sy misaintsaina ireo andalan-tsoratra masina ato amin’ity rindran-damina ity ianao dia raketo ireo zavatra tsapanao ara-panahy. Hanasa ny Fanahy ho ao amin’ny fanomananao izany. Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’ olona sy ny fianakaviana sy ireto hevitra manaraka ireto dia afaka manampy anao hitaona ireo olona ao amin’ny kilasinao handalina ny Testamenta Vaovao amin’ity taona ity.
Asao mba hizara
Ny iray amin’ireo tanjonao amin’ny maha-mpampianatra anao dia ny mamporisika ireo mpianatra hianatra samirery avy amin’ny soratra masina sy miaraka amin’ny fianakaviany. Ny fihainoan’izy ireo ny traikefan’ny hafa dia afaka manentana azy ireo hikatsaka ny traikefany manokana. Koa, isak’izay hanomboka fotoam-pampianarana, dia angataho ny mpianatra hizara soratra masina avy amin’ny fandalinana nataony izay nanentana ny fanahiny na nanaitra azy ireo.
Ampianaro ny fotopampianarana
Mitaky fanaovana asa amim-pinoana ny fianarana.
-
Ahoana no ahafahanao manentana ireo mpianatrao mba havitrika kokoa amin’ny fandraisany an-tanana ny fianarany, fa tsy mametraka ny andraikitra manontolo eo amin’ny mpampianatra fotsiny? Indro misy hevitra anankiray. Manipaza zavatra malemilemy iray eny amin’ny mpianatra iray, izay efa nangatahinao mialoha tsy hiezaka hahazo izany. Ampiasao ity sahanasa ity hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ny anjara asan’ny mpianatra sy ny mpampianatra amin’ny fianarana ny filazantsara. Amin’ny maha-mpianatra antsika, ahoana no “hahazoantsika” ny zavatra ampianarina ao amin’ny kilasintsika? Ireo teny nambara hita ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia afaka manampy amin’io fifanakalozan-kevitra io.
-
Ny mpianatra rehetra dia manana andraikitra hanasa ny Fanahy ao an-dakilasy. Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra izany dia asao izy ireo hamaky ny Almà 1:26 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:13–22; 88:122–23 ary hizara ny zavatra azon’ny mpampianatra sy ny mpianatra atao mba hanasana ny Fanahy. Mety hanampy ny fanoratana ny valintenin’izy ireo eo amin’ny solaitrabe, eo ambanin’ny lohateny toy ireto: Ny azon’ny mpampianatra atao sy Ny azon’ny mpianatra atao. Afaka mamorona petadrindrina ahitana ny valintenin’izy ireo ny mpianatra izay azo haranty mandritra ny herinandro vitsivitsy manaraka.
Mila mahafantatra mivantana ny fahamarinana isika.
-
Andalan-tsoratra masina maro ao amin’ny Testamenta Vaovao no mampianatra fitsipika afaka mitarika antsika amin’ny fikatsahantsika fahamarinana. Tafiditra ao anatin’ izany ny Lioka 11:9–13; Jaona 5:39; 7:14–17; ary ny 1 Korintiana 2:9–11. Afaka manasa ny mpianatra izay namaky ireo andalan-tsoratra masina ireo nandritra ny fandalinany manokana ianao mba hizara izay zavatra nianarany. Na azonao atao ny mamaky ireo andalan-tsoratra masina ireo miaraka amin’ny mpianatra ary manasa azy ireo hizara ny fomba nahazoany fijoroana ho vavolombelona.
-
Ny Asan’ny Apostoly 17:10–12 dia milazalaza momba ireo Olomasina izay nanadihady ny soratra masina ary nahazo fijoroana ho vavolombelona azy ireo manokana momba ny fahamarinana. Mba hamporisihana ny mpianatra hanaraka ny ohatr’izy ireo dia iarahomamaky ireo andininy ireo, ary asao ny mpianatra hizara andalan-tsoratra masina izay nampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba ny filazantsara.
Inona no azontsika atao mba hampisy lanjany kokoa ny fandalinantsika ny soratra masina?
-
Ny fahazoana fahazarana mandalina soratra masina dia mety hanano-sarotra ho an’ny mpianatra izay mahatsapa fa tsy ampy fotoana, na fahatakarana, na fahaiza-manao. Inona no azonao atao mba hanampiana azy ireo hahomby? Mba hanampiana ny mpianatra hahazo ny fahatokian-tena handalinana ny soratra masina dia azonao zaraina ny fampahalalana avy amin’ny “Hevitra hanatsarana ny fandalinanao manokana ny soratra masina” ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Angamba afaka mifampizara traikefa amin’ny fampiasana ny sasany amin’ireo hevitra ireo na traikefa manan-danja hafa momba ny fandalinana soratra masina ianao sy ireo mpianatra hafa. Afaka mifidy toko iray ao amin’ny Testamenta Vaovao ihany koa ianao ary manandrana miara-mandalina izany ao an-dakilasy amin’ny alalan’ny fampiasana ny sasany amin’ireo hevitra ireo.
Loharanom-pitaovana fanampiny
Mitaky fahalalana ara-panahy ho an’ny tenantsika manokana.
Nampianatra ny mpaminany Joseph Smith hoe: “Lalina ny lanjan’ny zavatr’ Andriamanitra ary ny fotoana sy ny traikefa ary ny fisainana mifono fitandremana sy famakafakana tena lalina sy matotra ihany no ahitana izany. Ô ny sainao ry olona! Raha te hitondra fanahy ho amin’ny famonjena ianao, dia tokony hanakatra ambony dia ambony any amin’ny lanitra, ary hikaroka sy handinika ny ao amin’ny lavaka mangitsokitsoka indrindra sy ny .fidadasiky ny mandrakizay Mila miombona amin’ Andriamanitra ianao Mendrika sy manana ny hajany mihoatra lavitra noho ny eritreritra foana ao am-pon’ny olombelona ny fisainan’ Andriamanitra!” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 267).
Nanazava ny Loholona David A Bednar hoe: “Raha ny zavatra ampianarin’olon-kafa sy ambarany amintsika ihany no mba hany fantatrareo na fantatro momba an’i Jesoa Kristy sy ny filazantsarany naverina tamin’ny laoniny, dia miorina eo ambony fasikay ny fototry ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba Azy sy ny asany be voninahitra amin’ny andro farany. Tsy afaka hiankina tanteraka na hindrana fahazavana sy fahalalana ny filazantsara avy amin’olona hafa isika, eny fa na ireo izay tiantsika sy atokisantsika aza” (“Vonona hahazo ny zavatra rehetra ilaina,” Liahona, mey 2019 102).