Testamenta Vaovao 2023
16-22 janoary. Jaona 1: Efa nahita ny Mesia izahay


“16-22 janoary. Jaona 1: Efa nahita ny Mesia izahay,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“16-22 janoary. Jaona 1,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
vehivavy mizara ny filazantsara ao amin’ny toby fiantsonan’ny fiaran-dalamby

16–22 janoary

Jaona 1

Efa nahita ny Mesia izahay

Rehefa mamaky ny Jaona 1 ianao dia mivavaha mba hahazo fitarihana ara-panahy eo amin’ny andraikitrao hampianatra momba ny fijoroana ho vavolombelon’i Jaona. Raketo ireo fahatsapana voarainao. Ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ary ireo hevitra ato amin’ity rindran-damina ity dia afaka manampy anao hitaona ny saina amam-panahin’ny olona ao amin’ny kilasinao mba hahatakatra sy hampihatra ny fotopampianarana ao amin’ity toko ity.

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mba hanampiana ny mpianatra hizara ny zavatra ianarany dia azonao atao ny mangataka azy ireo hanoratra amin’ny taratasy kely ireo fanontaniana, na fanehoan-kevitra, na hevi-baovao avy amin’ny zavatra novakiany ary hametraka izany ao anatin’ny boaty iray. Sintony avy ao amin’ilay boaty ireo taratasy kely ireo mba hiarahan’ny rehetra ao an-dakilasy mifanakalo hevitra.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Jaona 1:1–5

I Jesoa Kristy dia niaraka “tamin’ Andriamanitra tany am-piandohana.”

  • Inona no nampianarin’i Jaona momba ilay Kristy tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana? Nahoana no manan-danja ny mahafantatra ireo anjara asan’i Kristy tany amin’ny fiainana talohan’ny nahaterahana? Mety hanampy ny manoratra ireo fanontaniana ireo eo amin’ny solaitrabe ary ny mangataka ny mpianatra hitady valiny ao amin’ny Jaona 1:1–5 (jereo koa ny Dikantenin’i Joseph Smith, Jaona 1:1–5 [ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina]; Mosesy 1:32–33 ) Afaka mizara ny zavatra ianarany ihany koa ireo mpianatra momba ny anjara asan’i Kristy talohan’ny nahaterahany avy ao amin’ny (“Ilay Kristy velona: Tenivavolombelon’ny Apôstôly” (ChurchofJesusChrist.org).

  • Raha tianao ny hampiasa ireo andininy ireo mba hiresahana momba ireo zavatra noharian’ny Tompo dia azonao atao ny mamaky ny Jaona 1:3 sy ny mampiseho sary izay maneho ny hakanton’ny tany. Asao ny mpianatra hizara ny fomba ahafahan’ireo zavatra noharian’ny Mpamonjy manampy azy ireo hahatsapa ny fitiavany.

Jaona 1:1–14

I Jesoa Kristy no Fahazavana.

  • Angataho ireo mpianatra hitady ny toerana rehetra ahitana ny fampiasana ny teny hoe mazava ao amin’ny Jaona 1:1–14. Nahoana no teny tsara hamaritana an’i Jesoa Kristy ny hoe mazava? Azon’ny mpianatra atao ny mizara ny fomba hitondran’ny Mpamonjy sy ny filazantsarany hazavana eo amin’ny fiainan’izy ireo. Mandritra ity fifanakalozan-kevitra ity dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hamaky misimisy kokoa momba ny Fahazavan’i Kristy ao amin’ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:45–46; 88:11–13, na azonao asaina mijery ny “Fahazavan’i Kristy” ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina izy ireo. Ahoana no ahafahantsika mizara ny hazavan’ny Mpamonjy amin’ny hafa?

    Sary
    tara-masoandro mivoaka avy eo amin’ny vatolampy eny amoron-dranomasina

    Ny Mpamonjy sy ny filazantsarany dia mitondra fahazavana ara-panahy.

  • Mba hanampiana ny mpianatra hahazo sary an-tsaina ny zavatra ampianarina momba ny Mpamonjy ao amin’ny Jaona 1, dia afaka mampiseho sary maro ianao (tafiditra amin’izany ilay iray avy ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana) izay maneho ireo lafin-javatra teo amin’ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny asa masina nanirahana Azy. Azon’ny mpianatra atao ny mikaroka ao amin’ny Jaona 1:1–14 ka hitady teny na andian-teny izay azo ampiasaina ho lohatenin’ireo sary.

Jaona 1:35–51

Afaka mahazo fijoroana ho vavolombelona an’ny tenantsika manokana momba ny Mpamonjy isika ary avy eo dia manasa ny hafa “[ho avy dia hahita].”

  • Ilay fanasana “[ho avy dia hahita]” ao amin’ny Jaona 1 dia mitranga indroa (jereo ny andininy 39, 46). Mety tsy hanana fahafahana hahita ny Mpamonjy mivantana tahaka ny nahitan’i Andrea sy i Natanaela Azy isika, saingy afaka mamaly io fanasana io koa. Inona no mety ho dikan’ny hoe “Avia, fa ho hitanareo” amin’izao androntsika izao?

  • Azon’ny mpianatra atao ny mamaky ny Jaona 1:35–51 ary hizara ny zavatra ianarany avy amin’ireo andininy ireo momba ny fanasana ny hafa hianatra momba an’i Kristy (jereo koa ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”). Afaka mizara ny fomba nahitany fomba tsotra sy voajanahary hanasana ny hafa “[ho avy dia hahita]” ihany koa izy ireo.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Azontsika atao ny manasa ny hafa “[ho avy dia hahita].”

Nampianatra ny Loholona Neil L. Andersen hoe:

“Nampianatra antsika hizara ny filazantsara ny Mpamonjy. Tiako ny tantaran’i Andrea, izay nanontany hoe: —Mpampianatra ô, aiza Hianao no mitoetra?— [Jaona 1:38]. Afaka namaly ka nilaza ny toerana nipetrahany i Jesoa. Kanefa hoy Izy tamin’i Andrea: —Avia, fa ho hitanareo— [Jaona 1:39]. Tiako ny mieritreritra hoe niteny izao ny Mpamonjy, —Avia fa ho hitanareo, tsy ny fitoerako fotsiny ihany fa ny fomba fiainako ihany koa. Avia fa ho hitanareo hoe iza Aho. Avia dia ho tsapanareo ny Fanahy.— Tsy fantatsika avokoa ny momba izany andro izany, kanefa fantatsika fa rehefa nahita an’i Simona rahalahiny i Andrea dia nanambara hoe:: —Nahita … ny Mesia izahay— [Jaona 1:41].

“Ho an’ireo izay liana amin’ny resatsika, afaka manaraka ny ohatry ny Mpamonjy isika amin’ny fanasana azy ireo ho avy dia hahita. Misy ireo hanaiky ny fanasantsika, ary tsy hanaiky ny sasany. Samy mahalala olona iray nasaina imbetsaka talohan’ny nanekeny ny fanasantsika —hanatona ary hahita— isika rehetra’” (“Fahagagana izany,” Liahona, mey 2013, 79).

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny mpianatra hampitaha ny soratra masina amin’ny tenan’izy ireo. Ilay fanasana nomen’ny Tompo ny mpianany, ho avy dia hahita, dia afaka manampy ireo izay ampianarinao haniry ny hanaraka ny Mpamonjy. Amporisiho ny mpianatra hampihatra ireo fitsipika hita ao amin’ny soratra masina eo amin’ny fiainany ary hanasa ny hafa hanao torak’izany koa. (Jereo ny 1 Nefia 19:23; Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy21.)

Hamoaka printy