Testamenta Vaovao 2023
9–15 janoary. Lioka 2; Matio 2: Tonga hiankohoka eo anatrehany izahay


“9–15 janoary. Matio 2; Lioka 2: Tonga hiankohoka eo anatrehany izahay,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“9–15 janoary. Matio 2; Lioka 2,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
Magy anankitelo nanao dia lavitra nitaingina rameva

Let Us Adore Him (Ndeha isika hitsaoka Azy), nataon’i Dana Mario Wood

9–15 janoary

Matio 2; Lioka 2

Tonga hiankohoka eo anatrehany izahay

Mialoha ny hamakianao ireo hevitra ao amin’ity rindran-damina ity, dia halalino ny Matio 2 sy ny Lioka 2, ary raketo ireo zavatra tsapanao ara-panahy. Izany dia hanampy anao handray fanambarana ny amin’ny fomba tsara indrindra hanomezana ireo zavatra ilain’ny mpianatrao.

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ahoana no ahafahanao mamporisika ny mpianatra hizara ireo hevi-baovao sy ireo zavatra niainany rehefa nandalina ny soratra masina manokana sy niaraka tamin’ny fianakaviany izy ireo? Na dia efa hain’izy ireo aza angamba ireo tantara mikasika ny fahaterahan’ny Mpamonjy ao amin’ny Matio 2 sy Lioka 2, dia afaka mahita hevi-baovao ara-panahy izy ireo. Hevero ny hanasa ny mpianatra vitsivitsy hizara hafatra iray hitan’izy ireo izay nisarika ny sain’izy ireo tamin’ny fomba vaovao.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Matio 2:1–12; Lioka 2:1–38

Maro ireo vavolombelon’ny fahaterahan’i Kristy.

  • Ireo tantara momba ireo mpitsaoka ao amin’ny Matio 2:1–12 sy Lioka 2:1–38 dia afaka manampy ny mpianatra hisaintsaina ireo fomba fanehoan’izy ireo ny fitiavan’izy ireo ny Mpamonjy. Avereno jerena ilay tabilao momba ny fahaterahan’i Kristy ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Ny olona sasany ao amin’ny kilasinao dia mety hanana hevi-baovao izay tiany hozaraina avy amin’ity sahanasa ity, na azonareo atao miaraka ao an-dakilasy ilay sahanasa. Nahoana no manan-danja ny maha-avy amin’ny sarangam-piainana sy sehatra samihafa an’ireo vavolombelon’i Kristy ireo? Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatr’izy ireo?

    Sary
    mpiandry ondry miaraka amin’ny ondriny

    Lasa anisan’ireo vavolombelona voalohany sasany tamin’ny fahaterahan’i Kristy ireo magy.

  • Nialoha ny nitsaohan’ireo vavolombelona ireo an’i Kristy zazakely, dia nitady Azy izy ireo. Mba hanampiana ny mpianatra hianatra avy amin’ny ohatra nasehon’izy ireo dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ireto lohateny manaraka ireto: Mpiandry ondry, Ana, Simeona, ary Ireo Magy. Afaka mamaky ny Matio 2 sy Lioka 2 ny mpianatra avy eo ary manoratra eny amin’ny solaitrabe ny zavatra nataon’ireo olona ireo mba hitadiavana ny Mpamonjy. Inona avy ireo fomba sasantsasany atolotr’ireo tantara ireo mba hahafahantsika mitady an’i Kristy?

Matio 2:13–23

Afaka mahazo fanambarana hiarovana ny fianakaviany ny ray aman-dreny.

  • Mba hanombohana ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny fomba nitarihan’ny Ray any An-danitra an’i Josefa sy i Maria tao anatin’ilay anjara asan’izy ireo amin’ny maha-ray aman-drenin’ny Mpamonjy azy ireo dia hevero ny hanasa ny mpianatra hitanisa eny amin’ny solaitrabe ireo zavatra mampidi-doza sasantsasany izay atrehantsika amin’izao fotoana izao. Inona no ianarantsika amin’ny Matio 2:13–23 mikasika ny fomba hiarovan-tena amin’ireo zavatra mampidi-doza ireo? Ahoana no fomba nanampian’ny fanambarana ho an’ny tena manokana antsika mba hiarovana ny fianakaviantsika na ireo olona akaikin’ny fontsika amin’ny zavatra mampidi-doza? Inona no torohevitra natolotr’ireo mpaminany sy apôstôly mba hanampiana antsika hahita fiarovana ara-panahy?

Lioka 2:40–52

Na dia fony Izy zatovo aza dia nifantoka tamin’ny fanaovana ny sitrapon’ny Rainy i Jesoa.

  • Ny tantaran’i Jesoa nampianatra tao amin’ny tempoly fony izy 12 taona dia afaka ny ho tantara mafonja indrindra ho an’ny zatovo izay manontany tena mikasika ny anjara biriky azon’izy ireo entina ao anatin’ny asan’ Andriamanitra. Azonao zaraina tsiroaroa ny mpianatra mba hiaraka hamaky ny Lioka 2:40–52. Ny mpiara-mamaky tsirairay avy dia afaka maka minitra vitsivitsy mba hifampizarana ny zavatra nanentana ny fanahin’izy ireo momba io tantara io. Inona avy ireo fahafahana ananantsika mba hizarana ny zavatra fantatsika momba ny filazantsara? Inona avy ireo zavatra niainana azontsika zaraina?

  • Inona no ampianarin’ny Lioka 2:40–52 antsika momba ny toetran’i Jesoa fony Izy zatovo? Ny lamin’ny fivoaran’ny tena manokana aroso ao amin’ny Lioka 2:52 dia afaka mitaona hanao fifanakalozan-kevitra iray momba ny zavatra ataontsika mba hitoviana bebe kokoa amin’i Kristy. Azonao atao ny manoro hevitra ny mpianatra hisaintsaina hoe toy ny ahoana ny fitomboany fahendrena (ara-tsaina), tena (ara-batana), fitia amin’ Andriamanitra (ara-panahy), ary fitia amin’ny hafa (ara-piarahamonina). Azony atao mihitsy aza ny mametraka tanjona eo amin’ny iray na maromaro amin’ireo sehatra ireo. Raha tianao ny hanohy fifanakalozan-kevitra iray momba ny fomba hitoviana amin’i Kristy eo amin’ireo sehatra ireo, indrindra raha mampianatra zatovo ianao, dia hevero ny hampiasa ilay teny nambara ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Manampy ny ankizy sy ny zatovo hitombo “saina sy tena sady [handroso fitia amin’ Andriamanitra] sy ny olona.”

Namariparitra ilay fandaharan’asa Ankizy sy Zatovo ny Filoha Steven J. Lund izay mifototra amin’ny ampahany amin’ny Lioka 2:52 araka izao manaraka izao:

Ny Ankizy sy Zatovo dia fitaovana hanampiana ny ankizy ao amin’ny Kilonga sy ny zatovo rehetra hitombo ao amin’ny maha-mpianatra azy ary hahazo fomba fijery feno finoana ny amin’ny hoe manao ahoana ny lalana mitondra any amin’ny fahasambarana. Afaka ny hianatra ny hiandrandra sy hikaroka ireo fiantsonana sy ireo famantarana eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana izy ireo, ka hatao batisa sy handray ny fanomezana ny Fanahy Masina ary avy eo ho mpikambana ao anatin’ny kôlejy sy kilasin’ny Zatovovavy eo amin’izany lalana izany, ary hahatsapa ny fifaliana avy amin’ny fanampiana ny hafa amin’ny alalan’ny fanaovana asa fanompoana maro tahaka ireo nataon’i Kristy. Hametraka tanjona lehibe sy kely izy ireo, izay hitondra fandanjalanjana eo amin’ny fiainany eo am-piezahan’izy ireo mba hitovy bebe kokoa amin’ny Mpamonjy” (“Mahita fifaliana ao amin’i Kristy,” Liahona, nôv. 2020, 36–37).

Manatsara ny fampianarantsika

Ampandraiso anjara ireo mpianatra izay tsy nandalina soratra masina tany an-tranony. Na dia tsy afaka namaky ny Matio 2 sy Lioka 2 aza ireo mpianatra sasany mialoha ny fotoam-pianarana, dia mbola afaka mizara hevi-baovao manan-danja izy ireo. Ataovy izay hananan’ny mpianatra rehetra fahafahana handray anjara sy hitondra anjara biriky ao anatin’ilay fifanakalozan-kevitra.

Hamoaka printy