Testamenta Vaovao 2023
23–29 janoary. Matio 3; Marka 1; Lioka 3: “Amboary ny làlan’ i Jehovah”


“23–29 janoary. Matio 3; Marka 1; Lioka 3: —Amboary ny làlan’ i Jehovah—” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“23–29 janoary. Matio 3; Marka 1; Lioka 3,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
I Jaona Mpanao Batisa Manao Batisa an’i Jesoa

Takela-pitaratra misy sary ao amin’ny Tempolin’i Nauvoo Illinois, nataon’i Tom Holdman

23–29 janoary

Matio 3; Marka 1; Lioka 3

“Amboary ny làlan’ i Jehovah”

Rehefa mandalina sy misaintsaina ny Matio 3; Marka 1; ary ny Lioka 3 ianao dia raketo ireo zavatra tsapanao. Hanasa ny Fanahy izany rehefa miomana hampianatra ianao. Ankoatra ny hevitra enti-mampianatra ato amin’ity rindran-damina ity, ireo hevitra enti-mandalina ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia azo amboarina mba ho azo ampiasaina ao amin’ny kilasinao.

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mba hanampiana ny mpianatra hizara ny fomba hitahian’ny fianarana ny Testamenta Vaovao ny fiainan’izy ireo, dia afaka manoratra ity fanontaniana ity eny amin’ny solaitrabe ianao: Inona no zavatra nataonao noho ny zavatra novakinao tao amin’ny Testamenta Vaovao tamin’ity herinandro ity? Asao ny mpianatra hizara ny valinteniny.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Matio 3:1–12; Lioka 3:2–18

Manomana ny tenany sy ny hafa handray an’i Jesoa Kristy ny mpianatry ny Tompo.

  • Ahoana no fomba hiomanantsika amin’ny fitsidihan’ny vahiny iray manan-kaja? Ny fanontaniana tahaka an’io dia afaka manampy anao hampiditra fifanakalozan-kevitra mikasika ny fomba nanomanan’i Jaona Mpanao Batisa ny olona handray an’i Jesoa Kristy. Azonao zaraina ho vondrona telo avy eo ny mpianatra. Azon’ny vondrona tsirairay atao ny mamaky ny Matio 3:1–6; na ny Matio 3:7–12; na ny Lioka 3:10–15, hijerena ny fomba nanomanan’i Jaona Mpanao Batisa ny vahoaka handray an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainany. Avelao ny vondrona tsirairay hifandimby hizara ny zavatra hitany.

Sary
I Jaona Mpanao Batisa mitory ny filazantsara

John the Baptist Preaching in the Wilderness (I Jaona Mpanao Batisa mitory ny filazantsara any an’efitra), nataon’i Robert T. Barrett

Lioka 3:2–14

Mila mamoa “voa mendrika ny fibebahana” isika.

  • I Jaona Mpanao Batisa, ao amin’ny Lioka 3:8, dia nampianatra ny olona fa mila maneho “voa” na ny porofon’ny fibebahany ny olona mialoha ny hahafahana manao batisa azy ireo. Ahoana no ahafahanao manampy ny mpianatra hahafantatra ny porofon’ny fibebahan’izy ireo? Azonao atao ny mangataka azy ireo handalina ny Lioka 3:8–14 ary hitady ny zavatra izay raisin’i Jaona ho “voa” avy amin’ny fibebahana. Azon’izy ireo atao koa ny mijery ny Môrônia 6:1–3 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:37. Azonao atao ny manao sarina hazo fihinam-boa eo amin’ny solaitrabe dia mamela ny mpianatra hanisy anarana ny voankazo eo amin’ny hazony amin’ny alalan’ny voa avy amin’ny fibebahana izay hitan’izy ireo. Mety ho fotoana tsara ihany koa io hiresahana momba ny dikan’ny hoe mibebaka marina.

Matio 3:13–17

Manaraka an’i Jesoa Kristy isika rehefa vita batisa sy mandray ny Fanahy Masina.

  • Mba hamerenana mandinika ny tantaran’ny batisan’i Jesoa Kristy, dia andramo ity hevitra ity: Anontanio ny mpianatra ny fomba azon’izy ireo ampiasana ny Matio 3:13–17 mba hampianarana olona iray, toy ny ankizy na olona avy amin’ny antokom-pinoana hafa, momba ny batisa. (Azon’izy ireo atao koa ny mampiasa ilay sary ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana.) Inona avy ireo singa manan-danja ao amin’ny batisa izay hohamafisin’izy ireo? Azon’izy ireo atao ny manao fanazarana mizara ny heviny amin’ny alalan’ny fifampianarana eo amin’ny izy samy izy.

  • Mba hanampiana ireo mpianatra handinika ny maha-zava-dehibe ny fiainana ny fanekempihavanan’ny batisany dia azonao atao ny manasa olona iray hamaky ny teny nambaran’ny Loholona Bednar ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Mety hankafy ny fizarana ny zavatra tsapany momba ny batisany sy ny fanekempihavanana nataony tamin’ny batisa ny mpianatra. Afaka mihira hira momba ny fanarahana ny Mpamonjy ihany koa izy ireo, toy ny “Viens et suis-moi!” (Cantiques, n° 61).

  • I Jaona Mpanao Batisa dia nampianatra fa hanao batisa “amin’ny Fanahy Masina, sy ny afo” ny Mpamonjy (Matio 3:11). Mitranga ny batisa amin’ny afo rehefa raisina ho mpikambana isika ary mandray ny fanomezana ny Fanahy Masina. Nahoana isika no tsy maintsy manana ny fanomezana ny Fanahy Masina raha te hivoatra ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra? Inona no fiantraikan’ny batisan’ny afo sy ny Fanahy Masina eo amintsika? (jereo ny Almà 5:14).

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ireo fanekempihavanana tamin’ny batisantsika.

Nampianatra ny Loholona Bednar hoe: “Ahitana fanolorantena fototra anankitelo ny fanekempihavanan’ny batisa: (1) vonona hitondra eo amintsika ny anaran’i Jesoa Kristy, (2) hahatsiaro Azy mandrakariva, ary (3) hitandrina ny didiny. Ny fitahiana ampanantenaina noho ny fanajana io fanekempihavanana io dia ny —hananan[tsika] mandrakariva ny Fanahiny miaraka amin[tsika]— [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:77]. Araka izany dia ny batisa no fiomanana tena ilaina mba handraisana ilay fahafahana nahazoana lalana hanana ny mpikambana fahatelo ao amin’Ny Andriamanitra mba ho namana lalandava” (“Hitana mandrakariva ny famelana ny fahotanareo,” Liahona, mey 2016, 60).

Mba hanomezana ohatra momba ny zazalahy iray mitandrina ny fanekempihavanany tamin’ny batisa dia jereo ilay tantara any am-piandohan’ny hafatry ny Rahavavy Carole M. Stephens hoe “Misy antony lehibe hifaliantsika” (Liahona, nôv. 2013, 115–17).

Manatsara ny fampianarantsika

Mampianara fotopampianarana fototra. Nampianatra i Hyrum Smith hoe: “Torio ireo fitsipika voalohany ao amin’ny Filazantsara—torio foana izy ireny. Ho hitanareo fa hisy hevitra vaovao sy fahazavanafanampiny momba azy ireny hambara aminareo isan’andro. Afaka mampitombo ny fahalalanareo mikasika izany ianareo mba hahatakaranareo izany kokoa. Aorian’izay ianareo dia ho afaka hanampy ireo izay ampianarinareo hahatakatra izany mazava kokoa” (ao amin’ny History, 1838–1856 [Manuscript History of the Church], volume E-1, 1994, josephsmithpapers.org).

Hamoaka printy