Testamenta Vaovao 2023
30 janoary–5 febroary. Matio 4; Lioka 4–5: “Ny fanahin’i Jehovah no ato amiko”


“30 janoary–5 febroary. Matio 4; Lioka 4–5:—Ny fanahin’i Jehovah no ato amiko—” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“30 janoary–5 febroary. Matio 4; Lioka 4–5,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
I Jesoa mijoro eo amin’ny tany efitra

Into the Wilderness (Any an’efitra), nataon’i Eva Koleva Timothy

30 janoary–5 febroary

Matio 4; Lioka 4–5

“Ny fanahin’i Jehovah no ato amiko”

Rehefa mandalina ny Matio 4 sy ny Lioka 4–5 ianao dia raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao ara-panahy. Izany dia hitondra fitaomam-panahy mikasika ny fomba tsara indrindra hanomezana izay zavatra ilain’ny mpianatrao. Azonao atao koa ny mampiasa ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ary ity rindran-damina ity mba hahitana hevitra fanampiny.

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ny vakiteny atao amin’ity herinandro ity dia ahitana ity tena nambara ity: “Dia talanjona ny olona tamin’ny fampianarany, satria nisy fahefana ny teniny” (Lioka 4:32; jereo koa ny Marka 1:22). Asao ny mpianatra mba hizara andinin-tsoratra masina avy ao amin’ny Matio 4 sy Lioka 4–5 izay nanampy azy ireo hahatsapa manokana izany hery ara-potopampianarana izany.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Matio 4:1–11; Lioka 4:1–13

Ny Ray any An-danitra dia nanome antsika ny hery sy ny fomba hanoherana ny fakam-panahy.

  • Ny tantaran’ny Mpamonjy nanohitra an’i Satana dia afaka manampy ny mpianatra hahafantatra ireo fomba entin’i Satana hakana fanahy antsika. Afaka misafidy iray amin’ireo fakam-panahy hita ao amin’ny Matio 4:1–11 na Lioka 4:1–13 ny mpianatra ary mieritreritra fakam-panahy misy amin’izao fotoana izao izay mifandray ain’izany (mety afaka manampy ilay teny nambara ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”). Nahoana no manampy ny mahafantatra fa niatrika fakam-panahy mitovy amin’ireo izay atrehantsika amin’izao fotoana izao ny Mpamonjy? Nahoana i Kristy no afaka nanohitra ny fakam-panahy? Mba hahitana ohatra momba ny olona nanohitra an’i Satana ao amin’ny soratra masina, dia jereo ny Genesisy 39:7–20; 2 Nefia 4:16–35; sy ny Mosesy 1:10–22.

  • Inona no zavatra afaka manampy ny mpianatra mba hahatohitra fakam-panahy? Afaka mangataka azy ireo ianao mba hamerina hamaky ny Matio 4:1–11 na Lioka 4:1–13 mba hahafantarana ny fomba nanampian’ilay fahalalan’ny Mpamonjy ny soratra masina teo amin’ny famaliany an’i Satana, ary nampiasainy izany rehefa niteny Izy hoe: “Voasoratra hoe.” Omeo fotoana ny mpianatra mba hitady soratra masina eo ambanin’ny hoe “Fakam-panahy” ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina izay afaka manamafy orina sy mampatanjaka azy ireo rehefa mahatsapa ho mitady ho tratran’ny fakam-panahy izy ireo.

Lioka 4:16–32

I Jesoa Kristy no ilay Mesia nambara tao anatin’ny faminaniana.

  • Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra kokoa ilay tantara ao amin’ny Lioka 4:16–32, dia azonao hazavaina fa ireo anarana fiantsoana hoe Mesia sy Kristy dia samy midika hoe “ilay voahosotra.” Rehefa mamaky ny Lioka 4:18–21 ny mpianatra dia angataho izy ireo mba hieritreritra ny dikan’ny filazana fa i Jesoa no ilay Kristy, na ilay Mesia, na ilay Voahosotra. Mety hanampy azy ireo koa ny mamaky ny ao amin’ny “Ilay Voahosotra” ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina. Ahoana no fomba hanambaran’i Jesoa fa Izy no Mesia amin’izao fotoana izao? Azon’ireo mpianatra zaraina ny fomba nahafantaran’izy ireo fa i Jesoa Kristy no Mpamonjy azy ireo.

  • Mety misy lesona tsara vitsivitsy azo ianarana avy amin’ny fandinihana ny antony tsy naneken’ny olona tao Nazareta an’i Jesoa ho ilay Mesia nambara tao anatin’ny faminaniana. Inona ohatra ireo antony hita ao amin’ny Lioka 4:22–24? Avy eo ny mpianatra dia afaka mampitaha ireo toetra ireo amin’ny an’ilay mpitondratena tao Zarefata sy ny an’i Namàna ao amin’ny Testamenta Taloha, izay olona tsy Isiraelita (jereo ny Lioka 4:25–27). Afaka mifampiresaka mialoha amin’ny mpianatra vitsivitsy ianao ary mangataka azy ireo mba ho tonga any am-pianarana vonona ny hamintina ny tsirairay amin’ireto tantara ireto (jereo ny 1 Mpanjaka 17:8–24; 2 Mpanjaka 5:1–17; Lioka 4:16–30). Inona no ampianaran’ireo tantara ireo antsika momba ny fananana finoana an’i Jesoa Kristy? Moa ve isika mahita hafatra ho antsika ao anatin’ireo tenin’ny Mpamonjy ho an’ny olona tao Nazareta?

Matio 4:18–22; Lioka 5:1–11

Ny atao hoe manara-dia an’i Kristy dia mampandefitra ny sitrapontsika ary manaraka ny Azy.

  • Indraindray ny fitarihana omen’ny Tompo antsika dia toa tsy mitombina amin’ny voalohany. Afaka mamaky ny Lioka 5:1–11 ny mpianatra mba hitadiavana ny zavatra nanontanian’ny Mpamonjy an’i Petera sy ny antony mety nahatonga an’i Petera hiahiahy ireo torolalana nomeny. Inona no mety ho fiantraikan’io zavatra niseho io teo amin’ireo fahatsapana nananan’i Petera momba ny Mpamonjy sy ny tenany? Azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara zavatra niainana izay nampisehoan’izy ireo ny finoan’izy ireo ilay fitarihana avy amin’ Andriamanitra na dia tsy takatr’izy ireo tanteraka aza izany. Inona no vokany rehefa nampihatra finoana izy ireo?

    Sary
    I Jesoa miantso an’i Petera sy i Andrea eo amoron-dranomasina

    “Andeha hanaraka Ahy fa hataoko mpanarato olona ianareo” (Matio 4:19).

  • Tahaka ny nataon’ireo mpanjono izay “nahafoy ny zavatra rehetra” mba hanaraka an’i Jesoa Kristy (Lioka 5:11), dia misy zavatra tokony hafointsika koa mba ho lasa mpianany. Inona no ianarantsika avy ao amin’ny Matio 4:18–22 mikasika ny toetran’i Petera sy i Andrea ary i Jakoba sy i Jaona ary ny finoan’izy ireo? Mety hanampy ny fitondrana harato any am-pianarana. Asao avy eo ny mpianatra mba hanoratra ireo zavatra vonona hafoin’izy ireo na ireo zavatra efa nafoin’izy ireo mba hanarahana an’i Kristy ary asaivo apetrak’izy ireo ao anatin’ny harato izany. Hevero ny hanasa mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niova teo amin’ny fiainan’izy ireo rehefa nisafidy ny hahafoy ny zavatra rehetra mba hanarahana ny Mpamonjy izy ireo.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ireo karazana fakam-panahy.

Taorian’ny firesahana mikasika ireo fakam-panahy natrehan’ny Mpamonjy tany an-tany efitra, dia naneho karazana fakam-panahy anankitelo ny Filoha David O. McKay:

“(1) Fakam-panahy hanome vahana ny fahalianan’ny nofo na ny firehetampo;

“(2) Filatsahana ao anatin’ny avonavona na ny fijejojejoana na ny fieboeboana;

“(3) Faniriana ny hahazo ireo haren’izao tontolo izao na hahazo hery na fahefana hanjakana eo amin’ireo tany na eo amin’ireo fananan’olona eto an-tany” (Teachings of Presidents of the Church: David O. McKay [2003], 82).

Manatsara ny fampianarantsika

Isaory ireo mpianatrao. “Aza diso variana loatra amin’ny lesona ka hadino ny misaotra ny mpianatra noho ny fandraisan’izy ireo anjara. Mila mahafantatra izy ireo fa mankasitraka ny fahavononan’izy ireo hizara ny heviny sy ny fijoroany ho vavolombelona ianao” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy,, 33).

Hamoaka printy