Testamenta Vaovao 2023
13–19 febroary. Matio 5; Lioka 6: “Sambatra hianareo”


“13–19 febroary. Matio 5; Lioka 6: —Sambatra hianareo,—” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“13–19 febroary. Matio 5; Lioka 6,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
Jesoa mampianatra eo an-tendrombohitra

(Jesus Preaching Sermon on the Mount) I Jesoa nanao toriteny teo an-tendrombohitra nataon’i Gustave Doré

13–19 febroary

Matio 5; Lioka 6

“Sambatra hianareo”

Raketo ireo zavatra tsapanao ara-panahy rehefa mandalina ny Matio 5 sy ny Lioka 6 ianao. Ho tonga ny fanambarana rehefa mikatsaka ny hanome izay zavatra ilain’ny mpianatrao ianao.

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Nilaza ny Filoha Joseph Fielding Smith fa ny toriteny teo an-tendrombohitra no “[toriteny] lehibe indrindra natao hatramin’izay raha ny fahafantarantsika azy” (Teachings of Presidents of the Church: Joseph Fielding Smith [2013], 234). Asao ny mpianatra hizara ny fahatsapan’izy ireo mikasika ny antony maha-marina izany.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Matio 5:1–12

Ny fahasambarana maharitra dia avy amin’ilay fananana fiainana mifanaraka amin’ny zavatra nampianarin’i Jesoa Kristy.

  • Tao anatin’ilay Toriteny teo an-tendrombohitra dia nanasa ireo mpianany ny Mpamonjy mba hamerina hieritreritra ny dikan’ny hoe fiainana feno fahasambarana, ilay fiainana ahitana fahasambarana maharitra. Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ny fahasambarana maharitra dia afaka mangataka ny mpianatra ianao mba hizara ny zavatra mitondra fahasambarana ho azy ireo. Araka ny Matio 5:1–12, dia inona no nolazain’i Jesoa fa mahatonga ny olona iray ho “sambatra,” na ho faly mandrakizay? Inona no tsy mampitovy an’ireo fampianaran’i Jesoa amin’ireo fomba hafa izay hiezahan’ny olona hatao mba hahitana fahasambarana?

  • Hevero ny hitanisa eny amin’ny solaitrabe ireo toetra sasantsasany avy ao amin’ny andininy 3–12, toy ny hoe “madio am-po” na “mpampihavana.” Asao ny mpianatra avy eo mba hanolotra ny mifanohitra amin’ny teny tsirairay. Inona no ianarantsika mikasika ireo toetra ireo amin’ny alalan’ny fieritreretana ireo toetra mifanohitra aminy? Angataho ny mpianatra mba hisaintsaina ny zavatra azon’izy ireo ovaina mba ho lasa tahaka ilay karazana olona nofaritana ao amin’ireo andininy ireo. Manampy inona amin’ny fahatakarantsika ny 3 Nefia 12:3, 6 ny Matio 5:3, 6?

Sary
I Jesoa mampianatra ny mpianatra

Nampianatra ny fomba hiainana amim-pifaliana sy ny fomba hitoviana amin’ny Raintsika any An-danitra ny Mpamonjy.

Matio 5:14–16

Tokony ho fahazavan’izao tontolo izao ny mpianatry ny Mpamonjy.

  • Inona no dikan’ny hoe “fahazavan’izao tontolo izao”? (andininy 14). Inona no dikan’ny hoe manafina ny fahazavantsika “ao ambanin’ny vata famarana”(andininy 15), ary nahoana isika no mety ho alaim-panahy hanao izany? Ilay teny nambaran’ny Filoha Bonnie H. Cordon ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” sy ny 3 Nefia 18:24 dia mety hanampy ny mpianatra hikasa kokoa ho fahazavana ho an’ny hafa. Izy ireo koa dia afaka miresaka momba ireo olona izay fahazavana ho azy ireo sy nitarika azy ireo nankany amin’i Jesoa Kristy. Ahoana no ahafahantsika maka tahaka an’ireny olona ireny?

Matio 5:17–48

Nampianatra lalàna ambonimbony kokoa izay afaka mitarika antsika mankany amin’ny fahatanterahana i Jesoa Kristy.

  • Ny sasany tamin’ireo toe-javatra nisy voafaritra ao amin’ny Matio 5 dia niseho manokana tamin’ny andron’ny Mpamonjy saingy miantefa amin’izao tontolo izao kosa ireo fitsipika nampianariny. Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny fiantefan’izany eo amin’ny fiainan’izy ireo dia asao izy ireo hisafidy iray amin’ireto andalan-tsoratra masina ireto sy hieritreritra ohatra hita amin’izao fotoana izao izay mampiseho ny zavatra ampianarin’ny Mpamonjy: andininy 21–24; 27–30; 33–37; 38–39; 40–42; ary 43–44. Azon’izy ireo atao samirery izany na ao anatina vondrona kely maromaro ary zarain’izy ireo amin’ny mpianatra.

  • Ahoana no ahafahanao manampy ny mpianatra hahita fa ilay didin’ny Mpamonjy mba ho “tanteraka” (Matio 5:48) dia midika hoe “feno” na “lavorary”? (“Perfection Pending,” Ensign, Nov. 1995, 86–88). Afaka manety sarin’i Jesoa anankiray ho lasa piozila ianao ary manasa ny mpianatra hanoratra ao ambadiky ny sombin-tsary tsirairay fampianarana iray avy amin’ny Matio 5 izay tsapan’izy ireo fa tian’izy ireo hampiharina eo amin’ny fiainan’izy ireo. Avelao izy ireo hiara-hiasa mba hanambatra ilay piozila. Ahoana no hanampian’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy antsika ho lasa “feno” na “lavorary”? (Jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Fahasoavana”). Inona no zavatra ampian’ny teny nambaran’ny Filoha Joy D. Jones ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” eo amin’ny fahatakarantsika izany dingana izany?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Manolo-tena ho fahazavana.

Nampianatra ny Filoha Bonnie H. Cordon hoe: “Ny fanasan’ny Tompo mba hamela ny fahazavantsika hamiratra dia tsy hoe mampikivilivily ny tara-pahazavana fotsiny sy manao izay hampazava kokoa izao tontolo izao fotsiny. Fa mampifantoka kosa ny fahazavantsika mba hahafahan’ny hafa mahita ny lalana mankany amin’i Kristy. Fanangonana an’i Isiraely eto amin’ity lafiny ilany amin’ny voaly ity izany, fanampiana ny hafa hahita ny dingana hirosoana manaraka amin’ny alalan’ny fanaovana fanekempihavanana masina amin’ Andriamanitra sy fitandremana izany” (“Mba hahazoany mahita,” Liahona, mey 2020, 79).

Mikatsaka ny fahatanterahana.

Nanazava ny Filoha Joy D. Jones hoe:

“Tian’ny Tompo ny fanaovana ezaka, ary ny ezaka dia mitondra valisoa. Miezaka hatrany isika. Mivoatra hatrany isika raha toa ka mbola milofo ny hanaraka ny Tompo. Tsy miandrandra fahatanterahana eo no ho eo Izy. Manohy mihanika ny tendrombohitr’i Sinay antsika manokana isika. Toy ny tamin’ny taloha dia tena mitaky ezaka, fisasarana, ary fandalinana ny diantsika, saingy ny fanolorantenantsika mba hivoatra dia miteraka valisoa mandrakizay. …

“Ndeha isika hanambara amim-pahasahiana ny fanolorantenantsika amin’ny Raintsika any An-danitra sy ny Mpamonjy antsika omban’ny —[ny finoana] Azy tsy voahozongozona ary ny [fianteherana] tanteraka amin’ny fahamendrehan’ilay Mahery ka mahavonjy— [2 Nefia 31:19]. Ndeha isika hanohy amim-pifaliana ity dia ity izay mitondra any amin’ilay hery ara-panahy faratampony ananantsika” (“Antso mendri-kaja manokana,” Liahona,, mey 2020, 16–17).

Manatsara ny fampianarantsika

Ampitomboy ny fandraisana anjaran’ny mpianatra. Maro ireo sahanasa azo atao miaraka, na ao anatina vondrona kely maromaro, na tsiroaroa, na hanaovana adihevitra. Mampiasà fomba isan-karazany hampandraisana anjara ny olona, izay mety tsy manana fahafahana handray anjara raha amin’ny fomba hafa. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy33.)

Hamoaka printy