Testamenta Vaovao 2023
20–26 febroary. Matio 6–7: “Nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy”


“20–26 febroary. Matio 6–7: —Nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy—” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“20–26 febroary. Matio 6–7,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
I Jesoa mampianatra eo amoron-dranomasina

Jesus Teaching the People by the Seashore (Nampianatra ny olona teo amoron-dranomasina i Jesoa), nataon’i James Tissot

20–26 febroary

Matio 6–7

“Nampianatra azy toy izay manana fahefana Izy”

Rehefa miomana hampianatra ianao, dia atombohy amin’ny fanomanana ny tenanao izany. Halalino ny Matio 6–7, dia raketo an-tsoratra ireo zavatra tsapanao ara-panahy. Izany dia hanampy anao handray fanambarana ny amin’ny fomba tsara indrindra hanomezana ireo zavatra ilain’ny mpianatrao. Dia halalino avy eo ity rindran-damina ity mba hahitana hevitra hoenti-mampianatra.

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ny mpianatra hizara hoe inona amin’ireo andinin-tsoratra masina ao amin’ny toriteny teo an-tendrombohitra no tsapan’izy ireo fa tena ilaina indrindra amin’izao fotoana izao. Amporisiho ny mpianatra hifampizara ny heviny.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Matio 6–7

Raha mihaino sy mampihatra ireo fampianaran’ny Tompo isika dia hiorina eo amin’ny fototra mafy orina ny fiainantsika.

  • Inona avy ireo fampianarana manokana avy ao amin’ny Matio 6–7 no tena hitondra tombontsoa ho an’ireo izay ampianarinao? Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe andinin-tsoratra masina maro avy ao amin’ny Matio 6–7 izay ahitana ireo fampianarana ireo. Afaka mifidy ny iray amin’ireo andininy ireo ny mpianatra mba hohalalininy mangina ary avy eo dia hanoratra izay mety ho fahamarinana ara-panahy nianaran’izy ireo eny amin’ny solaitrabe. Inona no fiantraikan’ireo fampianarana ireo teo amin’ny fiainantsika?

  • Nofaranan’ny Mpamonjy tamin’ny fanoharana izay mety hanampy ny mpianatrao hahatakatra tsara kokoa ny maha-zava-dehibe ny fiainana araka ny fampianaran’ny Mpamonjy ny toriteniny (jereo ny Matio 7:24–27; jereo koa ny Helamàna 5:12). Mba hahitana maso io fanoharana io, dia afaka miara-miasa ny mpianatra mba hanorina fototra mafy orina amin’ny fampiasana kilalao hanorenan-javatra, na kaopy, na zavatra hafa ary avy eo dia hitsapa ny tanjaky ny fototra naoriny. Azon’izy ireo atao koa angamba ny manoratra ireo zavatra azon’izy ireo atao mba hampiharana ny fampianaran’ny Mpamonjy eo amin’ireo fitaovana entiny manorin-javatra. Nahoana ny fanaovana zavatra toy izany no manampy antsika hahatohitra ny oram-baratry ny fiainana?

Matio 6:5–13

Nampianatra antsika ny fomba fivavahana ny Mpamonjy.

  • Ny fandalinana ny Vavaka nampianarin’ny Tompo dia mety hanampy ny mpianatra hamantatra ny fomba azon’izy ireo hanatsarana ny vavaka ataony manokana amin’ny alalan’ny fanarahana ny ohatra nasehon’ny Tompo. Afaka manasa azy ireo ianao mba hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireo andian-teny avy ao amin’ny Matio 6:9–13 (na ny Lioka 11:1–4) izay nisarika ny sain’izy ireo. Rehefa mandalina ireo tenin’ny Mpamonjy isika dia inona no zavatra ianarantsika momba ny vavaka? Mety hampanita-tsaina ny mpianatra ny milaza amin’ny fomba hafa ny sasany amin’ireo andian-teny nampiasain’ny Mpamonjy ho toy ny zavatra izay mety holazainy ao anatin’ny vavaka ataony manokana. Ohatra, ny hoe “Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay” dia azo lazaina amin’ny fomba hafa toy ny hoe “Mba ampio aho amin’ny ezaka ataoko mba hamelona ny fianakaviako.”

  • Aorian’ny famakian’ny mpianatra ny Matio 6:5–13 dia azonareo ifanakalozana hevitra ny fanontaniana toy ireto manaraka ireto: Ahoana ny fomba nanamafisan’ny vavaka ny fifandraisanao tamin’ny Ray any An-danitra? Ahoana no fomba nanampian’ny vavaka anao ho lasa hahafantatra ny sitrapon’ Andriamanitra?

Matio 7:7–11

Mamaly vavaka ny Ray any An-danitra.

  • Mba hanampiana ny mpianatra hanamafy orina ny finoan’izy ireo fa hihaino sy hamaly ny vavaka ataon’izy ireo Andriamanitra dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny hoe mangataha, mitadiava, ary dondony. Avy eo dia afaka mikaroka ao anatin’ny soratra masina ireo olona izay “nangataka,” sy “nitady,” ary “nandondona” ny mpianatra (ohatra, jereo ny 1 Nefia 11:1; Etera 2:18–3:6; Joseph Smith—Tantara 1:11–17). Inona no ianarantsika avy amin’ireo ohatra ireo mikasika ny fandraisana ireo valin’ny vavaka nataontsika?

  • Ny sahan-kevitra manan-danja sasantsasasany ho an’ny Matio 7:7–11 dia hita ao amin’ny Dikantenin’i Joseph Smith Matio 7:12–17 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina). Ny mpianatr’i Jesoa, ao amin’ireo andininy ireo dia naminavina ireo antony sasantsasany izay mety homen’ny olona mba tsy hikatsahana ny fahamarinana avy amin’ny Ray any An-danitra. Azonao atao ny mangataka ny mpianatra mba haka sary an-tsaina hoe manana namana izy ireo izay malaina ny hikatsaka fitarihana na fitahiana avy amin’ny Tompo. Inona no mety holazain’ny mpianatra mba hamporisihana io namana io? Ahoana no mety hampiasan’izy ireo ny tenin’ny Mpamonjy ao amin’ny Matio 7:7–11?

Matio 7:15–20

Afaka mamantatra ny mpaminany marina sy ny mpaminany sandoka amin’ny alalan’ny voany isika.

  • Mety efa nahita foto-kevitra diso na famitahan’ilay fahavalo ny mpianatrao, na tamin’ny internet izany na avy amin’ny loharano hafa. Mety efa nahare ny hafa nitsikera ny mpanompon’ny Tompo koa izy ireo. Ahoana no ahafahanao manampy azy ireo hahatakatra ny fomba hanavahana ny mpaminany sy ny fampianarana sandoka amin’ireo marina? Afaka mampiseho voankazo maromaro ianao dia manontany ny zavatra azontsika vinaniana momba ny hazo niavian’izy ireo. Ahoana no hanampian’ io fampiharana io antsika hahatakatra ny Matio 7:15–20? Afaka miara-mamaky ny sasantsasany amin’ireo hafatra vao haingana avy amin’ireo mpaminany velona ihany koa ianareo. Inona no “voa” na ny vokatra azo avy amin’ny fanarahana ny torohevitr’izy ireo?

    Sary
    voankazo

    Afaka mahafantatra ny mpaminany marina amin’ny voany isika.

  • Ny Matio 7:15–20 dia afaka mampiorina ny finoan’ny mpianatra amin’ny iraka masina nampanaovina ny Mpaminany Joseph Smith. Inona avy ireo vokatra azo avy amin’ny asa notanterahan’i Joseph Smith? Mba hahitana hevitra vitsivitsy dia vakio ny hafatry ny Loholona Neil L. Andersen “Joseph Smith” (Liahona, nôv. 2014, 28–31). Ahoana no fomba hampiasantsika ilay fanoharan’ny Mpamonjy ao amin’ny Matio 7:15–20 mba hijoroana ho vavolombelona amin’ireo namantsika sy ny fianakaviantsika mikasika ny Mpaminany Joseph?

Manatsara ny fampianarantsika

Aza matahotra ny fahanginana. “Mitaky fotoana ny famaliana fanontaniana tsara. Mitaky fisaintsainana sy fikarohana ary fanentanam-panahy izany. Ny fotoana atokanao hiandrasana ireo valin’ny fanontaniana dia afaka ny ho fotoana masina hisaintsainana. Ialao ny fakam-panahy hamarana haingana izany fotoana izany mba hamaliana ilay fanontanianao manokana na mba hirosoana any amina zavatra hafa” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy31).

Hamoaka printy