Testamenta Vaovao 2023
27 Febroary–5 Martsa. Matio 8; Marka 2–4; Lioka 7: “Ny finoanao efa namonjy anao”


“27 Febroary–5 Martsa. Matio 8; Marka 2–4; Lioka 7: —Ny finoanao efa namonjy anao,—” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“27 Febroary–5 Martsa. Matio 8; Marka 2–4; Lioka 7,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023

Sary
Jesoa mampitsangana lehilahy iray avy eo am-pandriana

27 Febroary–5 Martsa

Matio 8; Marka 2–4; Lioka 7

“Ny finoanao efa namonjy anao”

Manomboka ny fiomanana hampianatra ataonao rehefa mandalina ombam-bavaka ny Matio 8; Marka 2–4; sy Lioka 7 ianao. Ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia afaka mampivelatra ny fandalinanao sy mibitsika hevitra hoenti-mampianatra ankoatra ireo atolotra eto.

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mety efa nahita hevi-baovao mafonja nandritra ny fandalinan’izy ireo manokana momba ireo fahagagana tao anatin’ireto toko ireto ny mpianatrao (jereo ny lisitr’ireo fanasitranana nataon’ny Mpamonjy ao anatin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana). Hevero ny hanasa ny mpianatra mba hizara amin’ilay mpianatra miara-miasa aminy na amin’ny iray kilasy ireo hevi-baovao avy amin’izy ireo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Matio 8; Marka 2–4; Lioka 7

Ny fahagagana dia miseho araky ny sitrapon’ Andriamanitra sy ny finoantsika an’i Jesoa Kristy.

  • Ahoana no ahafahanao mampiasa ireo tantara momba ireo fahagagana nataon’ny Mpamonjy mba hanampiana ny mpianatra hampitombo ny finoan’izy ireo Azy? Afaka mangataka azy ireo ianao mba hitanisa fanasitranana mahagaga maro eny amin’ny solaitrabe avy ao amin’ny Matio 8; Marka 2; sy Lioka 7. Afaka mifanakalo hevitra momba ny fomba nanehoan’ireo olona sitrana ny finoany an’i Kristy ny mpianatra. Inona no ampianaran’ireo tantara ireo momba ny finoana sy ny fahagagana? Afaka mizara fahamarinana fanampiny mikasika ny finoana sy ny fahagagana ny mpianatra avy ao amin’ny Môrmôna 9:15–21; Etera 12:12–16; Môrônia 7:27–37; ary Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 35:8 (jereo ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina koa ny hoe: “Fahagagana”). Oviana isika no nahita fahagagana rehefa nampihatra finoana an’i Jesoa Kristy?

  • Ilay tantara mikasika ilay fahagagana ao amin’ny Marka 2:1–12 dia mampianatra, ankoatra ireo zavatra hafa, ny lanjan’ny fiaraha-miasa ao anatin’ny firaisan-kina mba hanampiana ny Mpamonjy eo amin’ny fanompoana ireo izay manana fahasahiranana ara-panahy sy ara-batana. Hevero ny hanasa ny mpianatra hamerina hamaky ilay tantara ao amin’ny soratra masina ary hizara hevi-baovao fanampiny avy amin’ny hafatra nozarain’ny Loholona Chi Hong (Sam) Wong tao amin’ny “Manavotra ao anatin’ny firaisan-kina” (Liahona, nôv. 2014, 14–16; jereo koa ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”). Inona no ianarantsika avy amin’ny Marka 2:1–12 momba ny lanjan’ny fiaraha-miasa ao anatin’ny firaisan-kina mba hanompoana ireo izay sahirana? (jereo koa ny Marka 3:24–25).

Marka 4:35–41

Manana ny hery hitondrana fiadanana eo anivon’ny tafio-drivotry ny fiainana i Jesoa.

  • Mety mahafantatra ny sasany amin’ireo olana atrehan’ny mpianatrao ianao. Satria isika rehetra samy mandalo fitsapana indraindray eo amin’ny fiainantsika, dia afaka mampiorina ny finoan’ny mpianatra ny famakiana indray ny tantara ao amin’ny Marka 4:35–41 fa ny Mpamonjy dia afaka mitondra fiadanana ho azy ireo. Omeo taratasy iray avy ny olona tsirairay ary asaivo soratany eo amin’ny lafiny iray ny fitsapana iray efa niainany. Angataho izy ireo hanoratra ao ambadika indray ny zavatra iray avy amin’ny Marka 4:35–41 izay manentana azy ireo mba hitodika any amin’ny Mpamonjy mandritra ny fitsapana lalovan’izy ireo. Amporisiho ny mpianatra hizara ny zavatra nosoratany, raha tsy manahirana azy ireo ny manao izany.

  • Ny hira “Maître la tempête lance” (Cantiques, no. 56) dia mifototra amin’ilay tantara ao amin’ny Marka 4:35–41. Angamba ny mpianatra afaka mitady tonony ao anatin’ilay hira izay mifandray amin’ireo andian-teny ao amin’ilay soratra masina. Afaka mampiseho sary maneho ilay zava-nitranga koa ianao (jereo ny Boky mirakitra sary momba ny filazantsara, lah. 40) ary mifanakalo hevitra hoe inona ilay toe-javatra nasehon’ilay mpahaikanto teo. Inona ireo fomba hafa azonao hanampiana ny mpianatra mba hahatakatra ny dikan’io fahagagana io sy ny hery avy amin’izany?

Sary
Jesoa mampitony tafio-drivotra ao anaty sambo

From Fear to Faith (Niainga teo amin’ny tahotra ka tonga tany amin’ny finoana), nataon’i Howard Lyon

Lioka 7:36–50

Rehefa voavela amin’ny fahotantsika isika, dia mihalalim-paka ny fitiavantsika ny Mpamonjy.

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatr’ilay vehivavy sy ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny Lioka 7:36–50 rehefa mikatsaka famelana ho an’ny fahotantsika isika? Ahoana no fomba hanampian’ny fibebahana antsika mba hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy? Inona no fiantraikan’io tantara io eo amin’ny fomba fijerintsika ireo izay nanota?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

“Ary [Jesoa], nony nahita ny finoan’ireo.”

Ny Loholona Chi Hong (Sam) Wong dia nizara ity hevitra manaraka ity mikasika ilay tantara ao amin’ny Marka 2:1–12:

“Mamelà ahy hizara aminareo harena miafina iray fanampiny izay hita ao amin’ity tantara ao amin’ny soratra masina ity. Ao amin’ny andininy 5 izany: —Ary Jesoa, nony nahita ny finoan’ireo faith— (nampiana fanamafisana). Tsy tandritandriko io taloha—ny finoan’ireo. …

“Iza moa ireo olona izay nolazain’i Jesoa ireo? Azo ampidirina tsara ao anatin’izany ireo olona efatra nilanja ilay lehilahy mararin’ny paralysisa sy ilay lehilahy marary, ny olona izay nivavaka ho azy ary ireo olona rehetra izay nihaino ny fampianaran’i Jesoa sy nifaly mangina tany am-pon’izy ireo ny amin’ilay fahagagana ho avy tsy ho ela. Azo ampidirina ao koa ny vady, ny ray aman-dreny iray, ny zanakalahy na zanakavavy iray, ny misiônera iray, ny filohan’ny kôlejy iray, ny filohan’ny Fikambanana Ifanampiana iray, ny eveka iray ary ny namana lavitra iray. Afaka mifanampy isika rehetra. Tokony hazoto hirotsaka hatrany amin’ny fikatsahana hanavotra ireo sahirana isika” (“Manavotra ao anatin’ny firaisan-kina,” Liahona, Nov. 2014, 16).

Manatsara ny fampianarantsika

Mijoroa ho vavolombelona matetika. Ny fijoroanao ho vavolombelona amin’ny fomba tsotra sy amin-kitsim-po mikasika ireo fahamarinana ara-panahy, dia afaka ny hisy fiantraikany mahery vaika eo amin’ireo izay ampianarinao. Tsy ilaina ho be haingon-teny na atao lava be ny fijoroanao ho vavolombelona. Izany ohatra dia mety ho fijoroana ho vavolombelona tsotra momba ny fahagagana amin’ny fananana ny filazantsara eo amin’ny fiainanao.

Hamoaka printy