Testamenta Vaovao 2023
13–19 martsa. Matio 11–12; Lioka 11: “Izaho no hanome anareo fitsaharana”


“13–19 martsa. Matio 11–12; Lioka 11: —Izaho no hanome anareo fitsaharana,—” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“13–19 martsa. Matio 11–12; Lioka 11,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
Jesoa mijoro eo anivon’ny rahona

Be Not Afraid (Aza manahy), nataon’i Michael Malm

13–19 martsa

Matio 11–12; Lioka 11

“Izaho no hanome anareo fitsaharana”

Vakio ny Matio 11–12 sy ny Lioka 11 mandritra ilay herinandro alohan’ny hampianaranao. Hanome fotoana anao izany hisaintsainana sy handraisana fanambarana momba ny zavatra tokony hifantohana ao amin’ny kilasy.

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ny fampiharana ireo fitsipika hitantsika ao amin’ny soratra masina eo amin’ny fiainantsika dia fomba iray manan-danja hiainana ny herin’ny tenin’ Andriamanitra. Amporisiho ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany ao amin’ny fandalinan’izy ireo soratra masina tamin’ity herinandro ity izay azon’izy ireo ampiharina eo amin’ny fiainan’izy ireo. Ny fizarana ohatra momba ny fomba nampiharanao ny soratra masina dia afaka mitaona ireo mpianatra hizara ny ohatr’izy ireo manokana.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Matio 11:28–30

Hanome antsika fitsaharana i Jesoa Kristy rehefa miantehitra Aminy isika.

  • Ao amin’ny Matio 11:28–30 ny Mpamonjy dia mampianatra fa hanampy antsika Izy hitondra ny enta-mavesatsika raha toa ka manaiky ny fanasany isika manao hoe: “Ento ny ziogako” (andininy 29). Mba hanampiana ireo mpianatra hahatakatra bebe kokoa io fampanantenana io dia afaka mampiseho sarina zioga ianao (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana) dia zarao izao: ny zioga dia natao hanampiana ny biby hitondra entana mavesatra na hamitana asa, ary matetika ny zioga dia norafetina ho sahaza tsara an’ilay biby. Inona no ampian’ireo antsipirian-javatra ireo eo amin’ny fahatakarantsika ny Matio 11:28–30? Inona no fanasana hitantsika ao amin’ireo andininy ireo? Inona no fitahiana ampanantenaina antsika? Azonao zaraina ihany koa ny fampanantenan’ny Filoha Russell M. Nelson izay hita ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”

  • Manana enta-mavesatra avokoa isika rehetra izay azon’ny herin’i Jesoa Kristy hatao maivana. Mba hamporisihana fifanakalozan-kevitra momba izany dia azonao asaina ireo mpianatra hamaky ny Matio 11:28–30 sy hifanakalo hevitra momba izany miaraka amin’ny olona iray hafa ao amin’ny kilasy. Azon’izy ireo ampidirina ao anatin’ny fifanakalozan-kevitr’izy ireo ny fanontaniana toy ireto: Inona avy ireo ohatra maneho ireo enta-mavesatra sasantsasany izay mety lanjain’ny olona? Inona no ilaintsika atao mba hanatonana an’i Kristy? Inona no dikan’ny hoe mitondra eo amintsika ny ziogan’ny Mpamonjy? Tamin’ny fomba ahoana no efa nahatsapanao hoe nohamaivanin’ny Mpamonjy ny enta-mavesatrao rehefa nitodika tany Aminy ianao? Mety hahita hevi-dehibe fanampiny ireo mpianatra ao amin’ny hafatry ny Loholona David A. Bednar hoe “Mitondra mora foana ny enta-mavesany” (Liahona, mey 2014, 87–90).

Sary
andian-dehilahy mijery ireo mpianatra mamakivaky saham-barimbazaha

The Disciples Eat Wheat on the Sabbath (Mihinana varimbazaha amin’ny Sabata ireo mpianatra), nataon’i James Tissot

Matio 12:1–13

Andro hanaovan-tsoa ny Sabata.

  • Tao anatin’ny hafanam-pon’izy ireo hitandrina ny andro Sabata ho masina dia nametraka lalàna hentitra sy fomban-drazana noforonin’olombelona ny Fariseo, izay nanaloka ny fahatakaran’izy ireo ny tena tanjon’ny Sabata. Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ny antony nanomezan’ny Tompo antsika ny andro Sabata dia azonao asaina ireo mpianatra hamerina hijery ny Matio 12:1–13 sy ny Dikantenin’i Joseph Smith, Marka 2:26–27 (ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina). Inona no ampianarin’ireo tantara ireo momba ny tanjon’ny Sabata? Inona no hevi-baovao fanampiny momba ny Sabata izay azontsika avy amin’ny Eksodosy 31:16–17; Isaia 58:13–14; ary ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 59:9–13? Inona no fiovana nitranga teo amin’ny fifandraisantsika tamin’ny Mpamonjy rehefa niezaka nitandrina ny andro Sabata ho masina isika?

  • Raha toa ka nanantitrantitra lalàna maro tamin’ny antsipiriany momba ny Sabata ireo Fariseo, ny Mpamonjy kosa dia nampianatra fitsipika tsotra: “Mety ny manao soa amin’ny Sabata” (Matio 12:12). Fitsipika hafa inona no manampy antsika hitandrina ny andro Sabata ho masina? (jereo ny teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”). Nahoana ny fitsipika no mahomby kokoa noho ny lisitrana lalàna rehefa miezaka ny hanana fizakan-tena ara-panahy isika?

  • Ny hafatry ny Loholona Russell M. Nelson hoe “Fahafinaretana ny Sabata” (Liahona, mey 2015, 129–32) sy ireo horonan-tsary ahitana ny torohevitry ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia mety hanampy amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny andro Sabata.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Mifamatotra amin’i Jesoa Kristy.

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Manatona an’i Kristy ianao mba hifamatotra Aminy sy hiaraka amin’ny heriny, mba tsy hitondranao irery ny vesatry ny fiainana. Mifamatotra amin’ny Mpamonjy sy Mpanavotra izao tontolo izao ianao rehefa mitondra ny vesatry ny fiainana, ary tampotampoka eo ireo olanao, na mafy toy ny inona aza izany, dia lasa maivana” (“The Mission and Ministry of the Savior: A Discussion with Elder Russell M. Nelson,” Ensign, June 2005, 18).

“Inona no famantarana tiako homena an’ Andriamanitra?”

Nampianatra ny Filoha Russell M. Nelson hoe: “Rehefa nila nandray fanapahan-kevitra aho momba ny hoe mety sa tsy mety amin’ny Sabata ny zavatra atao iray dia nanontany tsotra aho hoe: —Inona no famantarana tiako homena an’ Andriamanitra?— Izany fanontaniana izany dia nahatonga ireo safidy nataoko mikasika ny andro Sabata ho mazava tsara” (“Fahafinaretana ny Sabata,” Liahona, mey 2015, 130).

Manatsara ny fampianarantsika

Amporisiho ny fizarana. “Ny olona tsirairay ao amin’ny kilasinao dia loharano manan-karena fijoroana ho vavolombelona, hevi-baovao ary traikefa eo amin’ny fiainana ny filazantsara. Asao izy ireo hifampizara sy hifampahery” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 5).

Hamoaka printy