Testamenta Vaovao 2023
20–26 martsa. Matio 13; Lioka 8; 13: “Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino”


“20–26 martsa. Matio 13; Lioka 8; 13: —Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino—” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“20–26 martsa. Matio 13; Lioka 8; 13,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
varimbazaha vonona ny hojinjaina

20–26 martsa

Matio 13; Lioka 8; 13

“Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino”

Rehefa mamaky ianao, dia eritrereto ireo fanontaniana izay mety hananan’ireo mpianatrao rehefa miezaka ny hahatakatra ny hafatra avy amin’ireo fanoharana izy ireo. Inona no mety ho sarotra takarina? Ahoana no hanomanan’ny fandalinana ataonao anao hamaly ny fanontanian’izy ireo?

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Avereno jerena miaraka amin’ireo mpianatra ny “Hevitra hanatsarana ny fandalinanao manokana ny soratra masina” ao amin’ny Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Asao ireo mpianatra hizara ny fomba nampiasainy mba handalinana ny Matio 13 sy ny Lioka 8; 13.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Matio 13:1–23

Tokony ho vonona handray ny tenin’ Andriamantitra ny fontsika.

  • Ahoana no ahafahanao mampiasa ilay fanoharana momba ny mpamafy voa mba hitaomana ireo mpianatra hanomana ny fon’izy ireo handray ny tenin’ Andriamanitra? Afaka manoratra hoe Mpianatra sy Hafa eny amin’ny solaitrabe ianao. Asao ireo mpianatra hamaky ny Matio13:10–17 ary hitady ny fomba namariparitan’ny Mpamonjy ireo fahasamihafana misy eo amin’ireo mpianany sy ireo hafa izay nandre ny fanoharana nataony. Avy eo dia angataho ireo mpianatra hamaky ny andininy 18–23, ka hitady izay mety mahatonga ny sofintsika ho “lalodalovana” na ny masontsika tsy hahita zavatra ara-panahy. Inona no torolalana raisintsika avy amin’ Andriamanitra sy avy amin’ireo mpanompony amin’izao fotoana izao? Ahoana no ahafahantsika mikolokolo “tany tsara” mba handraisana ny fitarihan’izy ireo? (andininy 23).

  • Azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy mba samy ho tonga vonona hampianatra ampahany amin’ilay lahatenin’ny Filoha Dallin H. Oaks hoe “Fanoharana momba ilay mpamafy voa” (Liahona, mey 2015, 32–35). Inona no zavatra fanampiny entin’io lahateny io eo amin’ny fahatakarantsika ilay fanoharana?

Matio 13:24–35, 44–53

Manampy antsika hahatakatra ny fitombon’ny Fiangonany sy izay hiafarany ary ny lanjan’izany ireo fanoharana nataon’i Jesoa.

  • Ahoana no ahafahanao manampy ireo mpianatra hahatakatra ireo fahamarinana momba ny Fiangonana izay ampianarina ao amin’ireo fanoharana nataon’i Jesoa ao amin’ny Matio 13? Azonao tanisaina eny amin’ny solaitrabe ny sasantsasany amin’ireo fanoharana (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity, ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana sy ny Teachings of Presidents of the Church: Joseph Smith [2007], 293–303). Azon’ireo mpianatra atao ny mandalina manokana fanoharana iray na mihoatra, na mandalina izany ao anatina vondrona kely ka hizara ny zavatra ianarany momba ny fitombon’ny Fiangonan’i Kristy sy ny hoaviny.

Sary
lehilahy iray manarato

Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny haraton’ny mpanjono.

  • Inona no ianarantsika momba ny lanjan’ny maha-mpikambana ao amin’ny Fiangonana avy amin’ireo fanoharana momba ny harena nafenina tany an-tsaha sy ny voahangy lafo vidy ireo, izay hita ao amin’ny Matio 13:44–46? Ny sasany amin’ireo mpianatrao (na ny olona fantany) dia mety nanao fahafoizan-tena, na lehibe na kely, mba hahatongavana ho mpikamban’ny Fiangonana. Asao ny mpianatra hizara ny fahafoizan-tena nataony na hitany nataon’ny hafa mba hahatongavana ho mpikamban’ny Fiangonana. Inona avy ireo fitahiana tonga vokatr’izany? Asao ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra tsapany fa hanentanan’ny Fanahy azy mba hafoiny ho an’ny Mpamonjy.

Matio 13:24–30, 36–43

Rehefa hifarana izao tontolo izao dia hanangona ny marina ny Tompo ary handringana ny ratsy fanahy.

  • Ahoana no ahafahanao manampy ireo mpianatrao hisintona lesona avy amin’ilay fanoharana momba ny vary sy ny tsimparifary izay hanampy azy ireo hijanona ho Olomasin’ny Andro Farany mahatoky? Atombohy izany amin’ny fanasana mpianatra iray hamintina ilay fanoharana sy ny fanazavana izany. Milazà lesona vitsivitsy ao amin’io fanoharana io izay natao ho an’izao androntsika izao? Nahoana no zava-dehibe ny mahafantatra fa avelan’ny Tompo “hiara-maniry” (Matio 13:30) miaraka amin’ny ratsy fanahy ireo Olomasiny mandra-pahatonga ny finjinjana? Ahoana no ahafahantsika mihazona ny finoantsika an’i Jesoa Kristy rehefa feno faharatsiana manodidina antsika? Ahoana no ahafahan’i Kristy manampy antsika? Ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 86:1–7 sy ny teny nambaran’ny Loholona L. Tom Perry ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia afaka manome hevi-baovao amin’ny fampiharana io fanoharana io amin’ny andro farany.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Tokony hokolokolointsika ilay voly tsara.

Nampianatra ny Loholona L. Tom Perry hoe: “Io fahavalon’ny olombelona rehetra efa hatrizay io dia nahita tetikady marobe araka izay azony neritreretina mba hamafazana ireo voan-tsimparifary manerana ny tontolo. Nahita fomba izy hampidirana azy ireo na dia ao anatin’ny fahamasinan’ny tokantranontsika manokana mihitsy aza. Lasa nahazo vahana tokoa ireo fomba feno haratsiam-panahy sy araka izao tontolo izao ka nanjary toa tsy misy fomba tena azo hanesorana azy ireo tanteraka. Tonga amin’ny alalan’ny tariby izy ireo ary koa avy eny amin’ny rivotra ka tafiditra ao amin’ireo fitaovana elektrônika izay namboarintsika mba hampianarana sy hampialana voly antsika. Niara-naniry sy nifanakaiky teo ny vary sy ny tsimparifary. Ny olona iray mpiandraikitra ny fikarakarana ilay tanimboly dia tsy maintsy mikolokolo amin’ny heriny rehetra ilay voly tsara ary manao izay hampatanjaka sy hahatsara tarehy tokoa izany mba tsy hahafahan’ireo tsimparifary misarika ny maso na ny sofina.” (Mitady fiadanana maharitra sy manorina fianakaviana mandrakizay,” Liahona nôv. 2014, 44).

Manatsara ny fampianarantsika

Ataovy mifototra amin’ny fotopampianarana ny fampianaranao. Ataovy izay hifantohan’ny fifanakalozan-kevitra ataon’ny mpianatrao amin’ny fotopampianarana fototra ao amin’ny soratra masina. Afaka manao izany ianao amin’ny fangatahana ireo mpianatra mba hamaky ny soratra masina mialoha sy mampifantoka ny fifanakalozan-kevitra ataon’ny mpianatra amin’ny soratra masina ary mangataka ireo mpianatra mba hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny fotopampianarana marina. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 20–21.)

Hamoaka printy