Testamenta Vaovao 2023
27 martsa–2 aprily. Matio 14; Marka 6; Jaona 5–6: “Aza matahotra”


“27 martsa–2 aprily. Matio 14; Marka 6; Jaona 5–6: —Aza matahotra—” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“27 martsa–2 aprily. Matio 14; Marka 6; Jaona 5–6,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
Jesoa miaraka amin’ireo mpianany milanja harona misy mofo

27 martsa–2 aprily

Matio 14; Marka 6; Jaona 5–6

“Aza matahotra”

Rehefa miomana ny hampianatra avy ao amin’ny Matio 14; Marka 6; ary Jaona 5–6 ianao dia mitadiava hafatra izay ilain’ny mpianatra. Rehefa manao izany ianao dia eritrereto ny fomba hampirotsahana ny mpianatra hiaina zavatra manan-danja miaraka amin’ny soratra masina.

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ny fomba iray hanombohana fifanakalozan-kevitra dia ny fanasana mpianatra vitsivitsy mba samy hisafidy toko iray avy ao amin’ilay zavatra novakina ary hizara hafatra iray avy amin’izany toko izany izay manan-danja amin’izy ireo. Rehefa mizara izany izy ireo dia afaka mametraka fanontaniana na mizara hevitra ireo mpianatra hafa.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Jaona 5:16–47

I Jesoa Kristy no Zanaka Malalan’ny Ray any An-danitra.

  • Ao amin’ny Jaona 5, dia nanome hevi-baovao maro momba ny Tenany sy ny Rainy ary ny fifandraisany amin’ny Ray i Jesoa. Mba hanampiana ny mpianatra hahita ireo hevi-baovao ireo dia andramo zaraina ho vondrona vitsivitsy izy ireo ary omeo minitra vitsy mba hanao lisitra an’ireo fahamarinana faran’izay betsaka hitan’izy ireo ao amin’ny andininy 16–47 momba ny toetoetran’ Andriamanitra sy i Jesoa Kristy ary momba ny fifandraisan’izy ireo. Asao ireo vondrona hifandimby hamaky mafy ireo fahamarinana avy ao amin’ny lisitr’izy ireo. Ahoana no hanampian’ireo fahamarinana ireo antsika hahatakatra bebe kokoa ny Raintsika any An-danitra sy ny Zanany? Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy mikasika ny fankatoavana ny Ray?

  • Ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana dia manoro hevitra ny handraisana an-tsoratra ireo fotoana rehetra nampiasan’i Jesoa ny teny hoe Ray ao amin’ny Jaona 5:16–47. Manasà mpianatra vitsivitsy mba hizara ny zavatra nianaran’izy ireo rehefa nanatanteraka ilay sahanasa izy ireo. Angataho izy ireo mba hizara ireo hevi-baovao azon’izy ireo momba ny Ray any An-danitra sy ny Zanaka Malalany.

Matio 14:15–21; Marka 6:33–44; Jaona 6:5–14

Afaka mampisongadina ireo fanatitra kely atolotsika mba hanatanterahana ny tanjony ny Mpamonjy.

  • Inona no afaka manampy ny mpianatra hahalala manokana ny maha-zava-dehibe ny fahagagana nataon’i Jesoa tamin’ny famahanany ireo olona dimy arivo? Azonao atao ny manontany ny fomba nampitombo ny finoan’izy ireo ny fahafahan’ny Mpamonjy mitahy azy ireo manokana tamin’ny alalan’ny famakiana ilay tantara momba ilay fahagagana. Afaka miresaka mikasika ny fotoana iray izay nampisongadinan’ny Mpamonjy na nampitomboany ireo ezaka ataon’izy ireo izy ireo mba hanampiana azy ireo hanatontosa zavatra izay toa tsy ho azo atao. Ankoatra izay koa dia afaka mangataka ny mpianatra ianao mba hitondra sary iray na zavatra azo-tsapain-tanana iray izay maneho ilay zavatra niainan’izy ireo.

    Sary
    mofo sy hazandrano

    Namahana tamin’ny fomba mahagaga olona dimy arivo tamin’ny alalan’ny mofo dimy sy hazandrano roa i Jesoa.

  • Inona avy ireo antsipiriany ao amin’ity tantara ity izay mampitombo ny finoantsika ny Mpamonjy? Ahoana no fomba ahafahan’ny Mpamonjy mamahana antsika ara-panahy? Oviana isika no nofahanan’i Jesoa Kristy sy notohanany?

Matio 14:22–33

Manasa antsika i Jesoa Kristy mba hamela ny tahotsika sy ny ahiahintsika mba hahafahantsika manatona Azy misimisy kokoa.

  • Ilay tantara ao amin’ny Matio 14:22–33 dia afaka manampy ny mpianatra hampitombo ny finoan’izy ireo ny Mpamonjy sy ny fanirian’izy ireo hanaraka Azy. Asao ny mpianatra hamaky io tantara io sady hifantoka manokana amin’ny teny nolazain’i Kristy sy i Petera ary ireo apôstôly hafa. Ahoana no mety nanampian’ny tenin’i Jesoa an’i Petera hanam-pinoana mba handao ilay sambo kely dia handeha teo ambony rano? Azo ampiharina amintsika amin’izao fotoana izao amin’ny fomba ahoana ny fananaran’i Jesoa hoe “matokia” sy ny hoe “aza matahotra” (andininy 27). Inona no ianarantsika avy amin’i Petera mikasika ny dikan’ny hoe mpianatr’i Jesoa Kristy sy ny hoe matoky Azy? Azonao amporisihina koa ny mpianatra mba hieritreritra sy hizara zavatra niainana izay nanapahan’izy ireo hevitra, tahaka an’i Petera, mba hanaraka ny Mpamonjy na dia tsy fantatra aza izay ho vokany. Angataho izy ireo mba hizara ny zavatra nianaran’izy ireo avy amin’ireo zavatra niainan’izy ireo. Tamin’ny fomba ahoana no nahatongavan’i Jesoa Kristy mba hamonjy antsika tao anatin’ireo fotoana izay niainantsika tahotra sy ahiahy?

Jaona 6:22–71

Amin’ny maha-mpianatr’i Kristy antsika dia tsy maintsy mivonona ny hino sy hanaiky ny fahamarinana isika na dia amin’ny fotoana maha-sarotra ny fanaovana izany aza.

  • Ireo zava-niseho ao amin’ny Jaona 6 dia afaka manolotra fomba fijery izay manampy rehefa misy olona manana fanontaniana mikasika ny fotopampianaran’ny Fiangonan’i Kristy na ny tantarany na ireo fitsipika ao anatiny. Mba hanampiana ny mpianatrao hahatakatra ireo zava-niseho ireo, dia afaka manoratra fanontaniana toy izao manaraka izao eny amin’ny solaitrabe ianao mba hovalin’izy ireo: Inona no nantenain’ny olona? (Jereo ny andininy 26). Inona anefa no natolotr’i Kristy? (jereo ny andininy 51). Inona no zavatra tsy takatry ny olona? (jereo ny andininy 41–42, 52). Afaka mametraka fanontaniana toy ireto koa ianao mba hanampiana ny mpianatra hampihatra io tantara io eo amin’ny fiainan’izy ireo: Inona avy ireo fomba sasantsasany azontsika isafidianana mba handehanana miaraka amin’i Kristy na dia amin’ny fotoana ananantsika fanontaniana sy ahiahy aza? (jereo ny andininy 66). Inona avy ny sasantsasany amin’ireo fotopampianarana na ôrdônansy na ireo “teny [hafan’ny] fiainana mandrakizay” izay tsy hita afa-tsy ao anatin’ny Fiangonan’i Kristy naverina tamin’ny laoniny? (jereo ny andininy 67–69). Mba hahitana hevi-baovao avy amin’ny mpaminany maoderina iray, dia jereo ny hafatry ny Filoha M. Russell Ballard “Hankany amin’iza moa isika?,” (Liahona, nôv. 2016, 90–92).

Manatsara ny fampianarantsika

Mihainoa. “Fihetsika maneho fitiavana ny fihainoana. … Angataho ny Ray any An-danitra mba hanampy anao hahatakatra ny zavatra lazain’ny mpianatrao. Rehefa mandinika tsara ny hafatra ampitainy am-bava sy ampitainy amin’ny fomba hafa ianao, dia hahatakatra tsara kokoa ny zavatra ilainy sy ny olany ary ny faniriany” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy34).

Hamoaka printy