Testamenta Vaovao 2023
17–23 aprily. Matio 18; Lioka 10: “Inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?”


“17–23 aprily. Matio 18; Lioka 10: —Inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?— Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“17–23 aprily. Matio 18; Lioka 10,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023

Sary
ilay Samaritana tsara fanahy

The Good Samaritan (Ilay Samaritana tsara fanahy), nataon’i Dan Burr

17–23 aprily

Matio 18; Lioka 10

“Inona no hataoko handovako fiainana mandrakizay?”

Vakio ny Matio 18 sy ny Lioka 10, dia raketo ireo zavatra tsapanao ara-panahy. Eo am-pandraisanao fahatsapana dia afaka manontany ianao, araka ny soso-kevitra naroson’ny Loholona Richard G. Scott hoe “Mbola misy zavatra hafa tokony ho fantatro ve? (“Mahazo fitarihana ara-panahy,” Liahona, nôv. 2009, 8).

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ireo toko ireo dia ahitana ohatra maro be amin’ny fampianaran’ny filazantsara izay tsy mitovy amin’ny zavatra ampianarin’izao tontolo izao antsika. Azon’ny mpianatra atao angamba ny mizara ohatra vitsivitsy izay hitan’izy ireo nandritra ny famakiana nataon’izy ireo tamin’ity herinandro ity. Ahoana no hitahian’ny Tompo antsika rehefa mampihatra ireo fampianarany isika?

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Matio 18:21–35

Tsy maintsy mamela ny hafa isika raha te hahazo famelan-keloka avy amin’ny Tompo.

  • Ahoana no fomba azonao ampiasana ilay fanoharana momba ilay mpanompo tsy nanana famindrampo mba hitaomana ny saina amam-panahin’ny mpianatra hahay hamela heloka bebe kokoa? Azonao atao angamba ny manoratra fanontaniana tahaka ireto manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe ary manasa ny mpianatra hisaintsaina izany eo am-pitantaran’ny olona iray indray ilay fanoharana: Maneho an’iza ilay Mpanjaka? Maneho an’iza ilay mpanompo tsy nanana famindrampo? Maneho an’iza ilay mpanompo namany ? Maneho inona ireo trosa? Asao ny mpianatra mba hizara ireo hafatra ao amin’ilay fanoharana izay ho azy ireo manokana. (Jereo koa ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”)

  • Azonao atao ny manasa ny mpianatra rehetra hamorona tantara namboarina avy amin’ilay fanoharana momba ilay mpanompo tsy nanana famindrampo izay mampianatra io lesona momba ny famelan-keloka io ihany amin’ny alalan’ny fampiasana toe-javatra sy antsipirian-javatra miseho amin’izao fotoana izao. (Asao izy ireo hanao izany ao anatin’ny vondrona maromaro.) Resaho ny fomba hamalian’ilay fanoharana ny fanontanian’i Petera momba ny isan’ny fotoana tokony hamelany heloka.

Sary
vola madinika fahiny

Niresaka vola sy trosa i Jesoa mba hampianarana momba ny famelan-keloka.

Lioka 10:25–37

Mba hahazoana ny fiainana mandrakizay, dia tsy maintsy tia an’ Andriamanitra sy tia ny namantsika isika.

  • Inty misy hevitra izay mety hanome ny mpianatra fahatakarana vaovao ny amin’ilay fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy: asao izy ireo mody hanao fikarohana momba ny famonoana olona sy halatra eo amin’ny lalana manelanelana an’i Jeriko sy i Jerosalema. Angataho ny mpianatra vitsivitsy ho tonga ao am-pianarana miaraka amin’ny fahavononana hitana ny anjara toeran’ireo olona samihafa ao amin’ilay fanoharana sy hiresaka momba ny zavatra andraisan’izy ireo anjara ao anatin’ilay toe-javatra. Ohatra, inona avy no mety ho antony tsy nijanonan’ilay mpisorona sy Levita mba hanampy ilay lehilahy naratra? Nahoana ilay Samaritana no nijanona? Inona no hevitra azon’ilay tompon’ny tranom-bahiny zaraina? Inona no mety ho tsapan’ilay lehilahy naratra mikasika ny tsirairay tamin’izy ireo? Ataovy izay hahatonga ilay fifanakalozan-kevitra hamporisika ny mpianatra mba ho lasa tahaka ilay Samaritana tsara fanahy sy ilay tompon’ny tranom-bahiny fa tsy ho lasa tahaka ilay mpisorona sy ilay Levita.

  • Ahoana no hamalian’ilay fanoharana momba ilay Samaritana tsara fanahy an’ireo fanontaniana napetrak’i Jesoa ao amin’ny Lioka 10:25–29? Asao ny mpianatra mba hiresaka momba ireo fotoana izay nahatsapan’izy ireo ho tahaka ilay “lehilahy anankiray” (andininy 30) izay nila fanampiana mafy. Ahoana no fomba nahatongavan’ny fanampiana? Ahoana no ahafahantsika miara-miasa amin’ny maha-mpikambana antsika ao amin’ny paroasy mba hanampy ny hafa, tahaka ny nataon’ilay Samaritana tsara fanahy sy ilay tompon’ny tranom-bahiny?

Lioka 10:38–42

Mifidy “ny anjara tsara” isika amin’ny alalan’ny fanaovana safidy isan’andro izay mitarika ho any amin’ny fiainana mandrakizay.

  • Aorian’ny famakian’ny iray kilasy ny Lioka 10:38–42 dia afaka manontany ny mpianatra ianao mikasika ny mety ho fihetsik’izy ireo teo anatrehan’ny torohevitry ny Mpamonjy raha teo amin’ny toeran’i Marta izy ireo. Inona no mety ho fiantraikan’izany zavatra niainana izany eo amin’ireo safidy hataon’izy ireo any aoriana? Ahoana no fomba ahafantarantsika ireo zavatra izay mila fotoana sy fifantohana bebe kokoa eo amin’ny fiainantsika manokana?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ireo trosa ao amin’ilay fanoharana momba ilay mpanompo tsy nanana famindrampo.

Raha nanao fanamarihana mikasika ireo trosa tokony haloa ao amin’ilay fanoharana momba ilay mpanompo tsy nanana famindrampo ny Loholona Jeffrey R. Holland dia nilaza hoe:

“Misy tsy fitovian-kevitra eo amin’ireo manam-pahaizana mikasika ny sandam-bola resahina eto, ary miala tsiny aho amin’ny fampiasana ny vola fampiasantsika mahazatra, saingy mba hanamora ny kajy dia, raha ataontsika hoe Ariary 100 amin’izao fotoana ohatra ilay denaria 100 tsy foy, ilay talenta 10.000 izay nafoy kosa dia hanakaiky ny iray miliara Ariary, na mihoatra!

“Raha trosan’ny tena manokana izany dia tena vola be tena tsy takatry ny saina. (Amin’ny fomba ahoana moa no handaniana izany vola izany!) Fa ho an’ny tanjon’ity fanoharana ity dia natao tsy ho takatry ny saina izany, natao ho mihoatra lavitra ny fahafahantsika manakatra izany, mba tsy hilazana hoe tsy voaloantsika. Izany no izy satria tsy hoe tantaran’ny mpanompo anankiroa nifanditra tao amin’ny Testamenta Vaovao izany. Izany dia tantara momba antsika, ao anatin’ny fianakaviamben’ny olombelona rehetra izay lavo, mpitrosa, mpandika lalàna, ary gadra. Isika tsirairay ireo dia mpitrosa ary ny didy dia sazy an-tranomaizina ho antsika tsirairay avy. Ary dia hijanona any isika rehetra raha tsy noho ny fahasoavan’ny Mpanjaka iray izay manafaka antsika satria tia antsika tsotra izao Izy ary —[entanin’ny] fangorahana [antsika]— [Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 121:4]” (“Aoka ho tanteraka ianareo, amin’ny farany,” Liahona, nôv. 2017, 41).

Manatsara ny fampianarantsika

Araho ny ohatry ny Mpamonjy. Rehefa mamaky ny tantaran’ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny Testamenta Vaovao ianao, dia tadiavo ireo lesona ao anatin’ny ohatra nasehony izay afaka manampy anao ho lasa mpampianatra tsaratsara kokoa. Ohatra, ao amin’ny Lioka 10: 25–37, inona no nataon’i Jesoa mba hampianarana an’ilay mpahay lalàna mikasika ny fomba hahazoana ny fiainana mandrakizay?

Hamoaka printy