Testamenta Vaovao 2023
24–30 aprily. Jaona 7–10: “Izaho no Mpiandry Tsara”


“24–30 aprily. Jaona 7–10: —Izaho no Mpiandry Tsara—” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“24–30 aprily. Jaona 7–10,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
Jesoa miaraka amin’ny vehivavy iray mianjera amin’ny tany

Neither Do I Condemn Thee (Izaho koa dia tsy manameloka anao), nataon’i Eva Koleva Timothy

24–30 aprily

Jaona 7–10

“Izaho no Mpiandry Tsara”

Hahazo hevi-baovao ianao sy ny mpianatrao rehefa mamaky ny Jaona 7–10 ianareo amin’ity herinandro ity. Tsarovy fa ireo hevitra ao amin’ ity rindran-damina ity dia tokony hanampy fa tsy hanolo ny fitaomam-panahy izay raisinao amin’ny alalan’ny fandalinanao ny soratra masina.

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ampahatsiahivo ny mpianatra ny maha-zava-dehibe ny fanaovan’izy ireo ny tokantranony ho ivon’ny fianarana ny filazantsara. Asao izy ireo hizara ny zavatra nampianarin’ny Fanahy Masina azy ireo teo am-pandalinany ny Jaona 7–10 tany an-trano, na teo am-pandalinany manokana izany na niaraka tamin’ny fianakaviany.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Jaona 7–10

I Jesoa Kristy no Mpamonjy an’ izao tontolo izao.

  • Ao amin’ny Jaona 7–10, ny Mpamonjy dia nanao fanambarana maromaro izay afaka manampy ireo mpianatra hahatakatra kokoa ny asa nanirahana Azy sy hanakaiky Azy kokoa. Hevero ny hanasana ny mpianatra hamaky ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto ary hizara izay zavatra ampianarin’izany momba ny asa masina nanirahana ny Mpamonjy. Amin’ny fomba ahoana no hanatanterahan’ i Kristy ireo anjara asa ireo eo amin’ny fiainantsika?

Sary
Jesoa Kristy

Light of the World (Fahazavan’izao tontolo izao), nataon’ i Howard Lyon

Jaona 7:14–17

Rehefa miaina ireo fampianaran’i Jesoa Kristy isika dia lasa mahafantatra fa marina izy ireo.

  • Misy fomba itovizan’ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona amin’ny fianarana fahaiza-manao iray, samy mila fanazaran-tena sy traikefa izany. Mba hanehoana izany dia azonao asaina ireo mpianatra izay manana fahaiza-manao manokana, toy ny manao tanisa na mitendry zava-maneno, mba hanazava ny fomba nampivoarany ny fahaiza-manaony. Nahoana no tsy ampy ny mamaky fotsiny momba ilay fahaiza-manao sy ny mijery olona hafa manao azy? Miaraha mifanakalo hevitra momba ny mampitovy ny ezaka atao amin’ny fanazaran-tena amin’ny fahaiza-manao iray sy ilay lamina ara-panahy nolazalazain’ny Mpamonjy ao amin’ny Jaona 7:14–17. Inona no tsy mampitovy azy?

  • Afaka mizara zavatra niainana angamba ireo mpianatra izay nanampian’ny fiainana fitsipika iray ao amin’ny filazantsara azy ireo hahazo fijoroana ho vavolombelona momba izany. Omeo fotoana ireo mpianatra hieritreretana fitsipiky ny filazantsara iray izay tian’ izy ireo hahazoana fijoroana ho vavolombelona matanjaka kokoa, ary avy eo dia amporisiho izy ireo hametraka tanjona mazava tsara mba hiainana izany fitsipika izany bebe kokoa.

Jaona 8:1–11

Ny famindrampon’ny Mpamonjy dia atolotra an’ireo rehetra izay mibebaka.

  • Ho an’ireo izay mahatsapa fa voaheloka noho ny fahotany, dia mety ho loharanom-pankaherezana ho azy ireo ilay tantaran’ny Mpamonjy izay manolotra famindrampo sy fibebahana ho an’ilay vehivavy tratra nijangajanga. Na koa, raha mahatsapa ireo mpianatra fa alaim-panahy hanameloka ny hafa noho ny fahotany, dia azo raisina ho fampitandremana ilay tantara. Azonao atao ny manasa ireo mpianatra hamaky ny Jaona 8:1–11 ka hitady ny valin’ny fanontaniana toy izao manaraka izao: Inona no ampianarin’io tantara io momba ny famindrampon’ny Mpamonjy? Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fandraisana ny famindrampony rehefa manota isika manampy antsika rehefa alaim-panahy isika hitsara ny hafa? (jereo ny Almà 29:9–10).

  • Mba hanampiana ireo mpianatra hahita zavatra manan-danja amin’ny tenany manokana ao amin’ny Jaona 8:1–11 dia azonao atao ny mizara ny mpianatra ho vondrona anankitelo: ny iray mba hifantoka amin’ireo teny sy zavatra nataon’ny Fariseo, ny iray mba hifantoka amin’ireo teny sy zavatra nataon’ny Mpamonjy, ary ny iray mba hifantoka amin’ireo teny sy zavatra nataon’ ilay vehivavy. Azon’izy ireo atao izany eo am-pamakiana ilay tantara. Asao ny vondrona tsirairay hanao ny lisitr’ireo fahamarinana ara-panahy izay nianarany avy amin’ny famakiana ireo ampahany tsirairay amin’ilay tantara.

  • Indraindray isika dia tsy tonga saina amin’ny fomba izay hitsarantsika ny hafa. Ity misy sahanasa mba hanampiana ireo mpianatra handresy izany fironana izany: Angataho ireo mpianatra mba hanampy anao hanao ny lisitr’ireo fomba izay hitsarantsika ny olona (eo amin’ny endriny ivelany, ny fihetsiny, ny zavatra manodidina azy, sy ny sisa). Omeo taratasy kely nohetezana mba hiendrika vato ireo mpianatra, ary angataho izy ireo hisafidy fomba iray hitsarana ny hafa izay tsapany fa maha-meloka azy sy hanoratra izany eo amin’ny taratasy miendrika vato. Inona no ianarantsika avy amin’ny teny nataon’ny Mpamonjy tamin’ireo Fariseo ao amin’ny Jaona 8:1–11? Asaivo soratan’ireo mpianatra ao ambadik’ilay taratasy miendrika vato ny zavatra iray izay hampahatsiahy azy mba tsy hitsara (ohatra hoe andian-teny avy ao amin’ny Jaona 8).

Jaona 8:18–19, 26–29

Rehefa lasa mahafantatra an’i Jesoa Kristy isika dia lasa mahafantatra ny Ray.

  • Inona no ampianarin’ny tenin’ny Mpamonjy ao amin’ny Jaona 8:18–19, 26–29 momba ny fifandraisana misy eo Aminy sy ny Rainy? Rehefa avy mamaky sy mifanakalo hevitra momba ireo andininy ireo, dia azon’ireo mpianatra tanisaina eny amin’ny solaitrabe ny zavatra vitsivitsy nataon’ i Jesoa, na nolazainy na nampianariny. . Inona no ianarantsika momba an’ Andriamanitra Ray avy amin’ireo zavatra ireo?

Manatsara ny fampianarantsika

Manàna fiainana izay mendrika ny fitarihan’ny Fanahy Masina. Rehefa miaina ny filazantsara ianao dia mendrika ny hanana ny Fanahy ho namana. Rehefa mikatsaka ny fitarihany ianao, dia hanome anao eritreritra sy fahatsapana momba ny fomba hanomezana izay zavatra ilain’ireo mpianatrao Izy. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy5.)

Hamoaka printy