Testamenta Vaovao 2023
10–16 aprily. Matio 15–17; Marka 7–9: “Hianao no Kristy”


“10–16 aprily. Matio 15–17; Marka 7–9: —Hianao no Kristy,—” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“10–16 aprily. Matio 15–17; Marka 7–9,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
Ny fiovan-tarehin’i Kristy

The Transfiguration (Ny Fiovan-tarehy), nataon’i Carl Heinrich Bloch

10–16 aprily

Matio 15–17; Marka 7–9

“Hianao no Kristy”

Ny iray amin’ireo tanjona fototrao amin’ny maha-mpampianatra anao dia ny hanampy ny hafa hanorina ny finoan’izy ireo an’i Jesoa Kristy. Ataovy ao an-tsaina izany rehefa mandalina ny soratra masina ianao amin’ity herinandro ity. Inona no hitanao fa afaka manampy ny mpianatra hino lalina kokoa Azy?

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ny fomba iray ahafahanao manampy ny mpianatra mba handalina manokana ny soratra masina sy miaraka amin’ny fianakaviany dia amin’ny alalan’ny fanasana azy ireo hizara isan-kerinandro ny fomba nanampian’ny fandalinan’izy ireo ny soratra masina azy ireo mba handray fanambarana sy ny fomba nitondran’izany fitahiana teo amin’ny fiainan’izy ireo. Ohatra, inona no fiantraikan’ny fandalinan’izy ireo ireo toko ireo teo amin’ireo safidy nataon’izy ireo nandritra ity herinandro ity?

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Matio 16:13–17

Tonga amin’ny alalan’ny fanambarana ny fijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy.

  • Misy amin’ireo mpianatrao ve no efa tsy maintsy nanazava tamin’olona hoe ahoana no ahafantarany fa marina ny filazantsara? Inona no nampianarin’ny Mpamonjy ao amin’ny Matio 16:13–17 momba ny fomba handraisantsika fijoroana ho vavolombelona? Azonao zaraina ny fomba nahazoan’i Almà ny fijoroana ho vavolombelona ananany (jereo ny Almà 5:45–46) na ny zavatra nampianarin’i Oliver Cowdery momba ny fanambarana (jereo ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:14–15, 22–23; 8:2–3). Inona raha ny hevitrao no mety nolazain’i Petera na i Almà na i Oliver Cowdery raha nisy olona nanontany azy ireo hoe ahoana no ahafantarany fa marina ny filazantsara?

  • Mety hisy olona ao amin’ny kilasinao izay mivavaka mba hahazo fanambarana ho azy manokana, saingy tsy mahalala ny fomba hamantarana izany rehefa tonga ilay izy. Ao amin’ny HearHim.ChurchofJesusChrist.org, dia afaka mahita horonan-tsary ianao izay hizaran’ireo mpitarika ao amin’ny Fiangonana ny fomba hamantarana ny feon’ny Tompo. Afaka miaraka mijery amin’ny iray kilasy ny iray na ny maro amin’ireo horonan-tsary ireo ianao ary miresaka momba ny zavatra ampianarin’ireo horonan-tsary momba ny fandraisana fanambarana. Inona ireo fampianarana na soratra masina hafa azon’ny mpianatrao eritreretina izay hanampy olona iray hamantatra ny fanambarana ho an’ny tena manokana? (Ohatra, jereo ny 1 Mpanjaka 19:11–12; Galatiana 5:22–23; Enôsa 1:1–8; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:22–24; 8:2–3; 9:7–9.)

Matio 16:13–19; 17:1–9

Tena ilaina ho an’ny famonjena antsika ireo fanalahidin’ny fisoronana.

  • Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ireo fanalahidin’ny fisoronana dia afaka manoratra eny amin’ny solaitrabe andinin-tsoratra masina toy ireto ianao: Matio 16:19; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 107:18–20; 128:8–11; 132:18–19, 59; Joseph Smith—Tantara 1:72; sy ny “Fanalahidin’ny Fisoronana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina (scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Asao avy eo ny mpianatra mba hamaky andalan-tsoratra masina iray na mihoatra sy hizara zavatra izay nianaran’izy ireo momba ireo fanalahidin’ny fisoronana. Nahoana no ilaintsika ireo fanalahidin’ny fisoronana?

  • Mba hanampiana ny mpianatra hanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny famerenana ireo fanalahidin’ny fisoronana amin’ny andro farany dia afaka mangataka ny antsasaky ny mpianatra ianao mba handalina ny Matio 17:1–9 ary ilay antsasany iray hafa handalina ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 110. Avy eo dia afaka mifampizara ny zavatra nianaran’izy ireo sy ireo zavatra mitovy tsikaritr’izy ireo ao amin’ireo tantara anankiroa izy ireo.

Sary
sarimivongan’i Petera mihazona fanalahidy

Ireo fanalahidin’ny fisoronana no fahefana hitarihana ny fampiasana ny fisoronana.

Marka 9:14–30

Rehefa mitady finoana lehibe kokoa isika dia atombotsika amin’ilay finoana ananantsika izany.

  • Ny Loholona Jeffrey R. Holland dia nampiasa ilay tantaran’ny raim-pianakaviana iray izay nitady fomba hahasitrana ny zanany lahy mba hampianarana antsika ny fomba tokony hoentitsika manatona ny Tompo rehefa tsapatsika fa tsy ampy ny finoantsika (jereo ny “Tompo ô, mino aho,” Liahona, mey 2013, 93–95). Aorian’ny famakian’ny iray kilasy ny Marka 9:14–30, dia afaka miaraka mifanakalo hevitra momba ireo fanamarihana anankitelo nataon’ny Loholona Holland ianareo (jereo ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”).

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Fanamarihana anankitelo mba hanampiana antsika hanana finoana bebe kokoa.

Rehefa avy namerina nizara ny tantara ao amin’ny Marka 9:14–29 ny Loholona Jeffrey R. Holland dia nampianatra hoe:

“Ny tsara ho marihana voalohany mikasika io tantara io dia rehefa teo anatrehan’ny fanamby tokony hanehoana finoana, dia nanamarina ny tanjany aloha ilay raim-pianakaviana, avy eo vao niaiky ny tsy fahatanterahany. Ny fanambarany voalohany dia marina ary tsy nisy fisalasalana: —Tompo ô, mino aho.— Te hilaza aminareo rehetra izay maniry ny hanana finoana bebe kokoa aho hoe tsarovy io lehilahy io! “Amin’ny fotoan’ny tahotra na ahiahy na tebiteby dia hazony ilay finoana izay efa anananao, na dia voafetra ihany aza izany. …

“Ny tsara ho marihina faharoa dia misy fiovana kely amin’ilay voalohany. Rehefa tonga ny olana ka mipetraka ny fanontaniana, dia aza atomboka amin’ny fitenenana hoe hatraiza ny tsy fanananao finoana rehefa mikatsaka finoana ianao, aza atomboka amin’ny —tsy finoanao.— … Tsy mangataka anareo aho hilaza ho manana ny finoana izay tsy anananareo. Mangataka anareo aho mba hijoro amin’ny finoana izay efa anananareo. …

“Ny tsara ho marihina farany dia hoe: rehefa tonga ny ahiahy na ny fahasarotana, dia aza matahotra ny hangataka fanampiana. Raha mila izany isika, ka feno fanetrentena sy fahitsim-po tahaka ity raim-pianakaviana ity, dia afaka mahazo izany” (““Tompo ô, mino aho”,” Liahona, mey 2013, 93–94).

Manatsara ny fampianarantsika

Mametraha fanontaniana izay manasa ireo mpianatra hijoro ho vavolombelona. Ny fametrahana fanontaniana izay mamporisika ny mpianatra mba hijoro ho vavolombelona dia afaka ny ho fomba mahery vaika iray hanasana ny Fanahy. Ohatra, mandritra ny fifanakalozan-kevitra momba ny Matio 16:13–17, dia azonao atao ny manontany hoe: “Inona no zavatra nianaranao momba ny Mpamonjy izay nampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny maha-Mpamonjy Azy?” (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy32.)

Hamoaka printy