Testamenta Vaovao 2023
3–9 aprily. Paska: “Ry fasana ô, aiza ny fandresenao?”


“3–9 aprily. Paska: —Ry fasana ô, aiza ny fandresenao?,—” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Taloha 2023 (2022)

“3–9 aprily. Paska,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Fasana ao an-jardaina

3–9 aprily

Paska

“Ry fasana ô, aiza ny fandresenao?”

Rehefa miomana hampianatra ianao amin’ity herinandro ity, dia diniho hoe afaka mampiorina ny finoana an’ i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany amin’ny fomba ahoana ny fifanakalozan-kevitra ataon’ny kilasinao amin’ny Alahadin’ny Paska.

sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Anontanio ny mpianatra ny fomba hamaliany ny fanontaniana toy ny hoe: “Inona no atao hoe Sorompanavotan’i Jesoa Kristy” sy ny hoe “Ahoana no ahafahako mahazo ireo fitahiana avy amin’ny Sorompanavotan’i Kristy?” Asao izy ireo hizara izay soratra masina novakiny tamin’ity herinandro ity ka manampy amin’ny famaliana ireo fanontaniana ireo.

sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

I Jesoa Kristy dia manafaka antsika amin’ny fahotana sy ny fahafatesana, sy mampatanjaka antsika amin’ny fahalementsika ary mampionona antsika ao anatin’ny fitsapana lalovantsika.

  • Moa ve takatry ny mpianatrao fa i Jesoa dia mankahery antsika ao anatin’ny fitsapana lalovantsika sy manome hery antsika ao anatin’ny fahalementsika, ary koa manafaka antsika amin’ny fahotana sy ny fahafatesana? Fomba iray hanampiana azy ireo hahita ireo fitsipika ireo ny manoratra ireto teny ireto eny amin’ny solaitrabe: Fahotana, Fahafatesana, Fitsapana, Fahalemena. Afaka mamaky ny iray amin’ireo soratra masina voatanisa ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” ny mpianatra tsirairay ary misaintsaina ny fomba hanampian’ny Mpamonjy antsika handresena na hizakana ireo zavatra ireo. Afaka manoratra ny zavatra nianarany avy amin’ireo soratra masina ireo eo ambanin’ny lohateny tsirairay avy eo ny mpianatra ary mizara ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany.

    Jesoa eo amin’ny hazo fijaliana

    Crucifixion (Fanomboana), nataon’i Louise Parker

  • Mety hanampy hampiseho ny fahasamihafana eo amin’ny hoe voadio amin’ny fahotana sy ny hoe lasa tanteraka ny lesona iray tsotra izay mampiasa zavatra azo tsapain-tanana: Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ireo andalana vitsivitsy voalohany ao amin’ny Môrônia 10:32 kanefa asio diso tsipelina na diso fitsipi-pitenenana ao anatiny. Avy eo dia asao ny mpianatra iray hamafa (fa tsy hanitsy) ireo diso. Moa ve namaha ilay olana izany? Inona no lesona ianarantsika avy amin’io soratra masina io sy ilay lesona mampiasa zavatra azo tsapain-tanana momba ny mety ho fiantraikan’ny Sorompanavotana eo amintsika? Ity teny nolazain’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ity dia mety hanampy koa: “Raha toa ka midika hoe famafana ny fahadisoantsika sy ny fahotantsika fotsiny ny famonjena, dia tsy mahatanteraka ny tanjon’ Andriamanitra ho antsika noho izany ny famonjena, na dia mahagaga aoka izany aza. Ambony lavitra kokoa noho izany ny tanjony: Tiany ho tonga tahaka Azy ireo zanany lahy sy zanany vavy” (“Ny fanomezam-pahasoavan’ny famindrampo,” Liahona mey 2015,108).

  • Afaka manampy antsika hahatakatra kokoa ny Sorompanavotan’ i Kristy ireo tantara sy fifanahafana. Mety te hizara tantara na fifanahafana iray avy amin’ireo hafatry ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” ianao. Azon’ny mpianatra atao avy eo ny mizara izay eritreritra sy fahatsapana ananany momba ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany ho antsika.

Matio 28:1–10; Lioka 24:13–35; Jaona 20:1–29; 1 Korintiana 15:3–8, 55–58

Ireo vavolombelona ao amin’ny Testamenta vaovao dia nijoro ho vavolombelona fa nandresy ny fahafatesana i Jesoa Kristy.

  • Avereno vakina ny fitantarana ao amin’ny soratra masina ny Paska voalohany, dia ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty. Afaka manasa mpianatra iray ianao hamerina hitantara ilay tantara amin’ny teniny manokana (jereo ny Jaona 20:1–17). Afaka mandefa horonan-tsary momba ny Baiboly ihany koa ianao, toy ny “Il est réssuscité” (ChurchofJesusChrist.org).

  • Mety hahatakatra bebe kokoa ny maha-zava-dehibe ireo vavolombelon’ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty ireo mpianatrao raha toa izy ireo ka maka sary an-tsaina fa izy ireo dia mpisolovava na mpanao gazety izay manao fanadihadiana momba ny filazana fa nitsangana tamin’ny maty i Kristy. Asao izy ireo hitady olona ao amin’ny soratra masina izay azo atao vavolombelona (jereo ny Matio 28:1–10; Lioka 24:13–35; Jaona 20:19–29; 1 Korintiana 15:3–8, 55–58). Azon’izy ireo atao mihitsy aza ny manoratra famintinana fohy ny amin’ny zavatra mety holazain’ireo olona ireo rehefa milatsaka ho vavolombelona any amin’ny fitsarana izy ireo na rehefa alaina am-bavany mba havoaka amin’ny fampahalalam-baovao.

  • Fomba iray hahalalim-paka ny fankasitrahantsika ny Fitsanganan’ny Mpamonjy tamin’ny maty ny mieritreritra ny fomba hanazavantsika ny zavatra inoantsika amin’ny hafa. Ahoana no hizaran’ireo mpianatra ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba an’i Jesoa Kristy amin’ireto toe-javatra manaraka ireto: misy olona iray ao amin’ny fianakaviana hita fa manana aretina sarotra tsaboina; misy namana namoy ny olona iray akaiky azy; misy mpiray vodirindrina manontany ny antony hankalazanao ny Paska. Amporisiho izy ireo hijery ny soratra masina (toy ireo izay ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”) rehefa manomana ny valiny homen’izy ireo. Manasà mpianatra vitsivits hizara ny eritreriny.

sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Soratra masina momba ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty.

Hafatra momba ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy sy ny Fitsanganany tamin’ny maty.

Manatsara ny fampianarantsika

Aoka ianao ho fitaovan’ny Fanahy. “Ny tanjonao amin’ny maha-mpampianatra anao dia tsy ny hanao famelabelarana mahavariana fa hanampy ny hafa kosa handray ny fitarihan’ny Fanahy Masina, ilay tena mpampianatra” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 10).