Testamenta Vaovao 2023
1–7 mey. Lioka 12–17; Jaona 11: “Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very”


“1–7 mey. Lioka 12–17; Jaona 11: —Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very—” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“1–7 mey. Lioka 12–17; Jaona 11,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
lehilahy mamihina ny zanany lahy

The Prodigal Son (Ilay zanaka adala), nataon’i Liz Lemon Swindle

1–7 mey

Lioka 12–17; Jaona 11

“Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very”

Atombohy amin’ny fandalinana ombam-bavaka ny Lioka 12–17 sy ny Jaona 11 ny fiomananao. Iza no “ondry very” ao amin’ny kilasinao izay tonga ao an-tsainao? Ampiasao ny Avia, hanaraka Ahy, ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana sy ity rindran-damina ity rehefa mikatsaka ny fitarihan’ny Tompo ianao mahakasika ny fomba tsara indrindra hanomezana izay ilain’ny mpianatra, na dia tsy manatrika ny kilasy aza izy ireo.

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ny fampiharana dia ampahany iray manan-danja amin’ny fianarana, koa asao ireo mpianatra hizara ny fomba nisafidianany hiaina zavatra iray izay nianarany avy amin’ny soratra masina tamin’ ity herinandro ity.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Lioka 14:15–24

Tsy misy fialan-tsiny ampy handavana ny filazantsara.

  • Mba hanampiana ireo mpianatra handalina ilay fanoharana momba ilay fanasana lehibe, dia azonao atao ny manasa azy ireo hanatrika fety iray an’eritreritra izay ampiantranoinao. Avelao izy ireo hizara antony vitsivitsy mety hahatongavany na mety tsy hahatongavany. Iaraho mamaky ny Lioka 14:15–24 ary mifanakaloza hevitra momba ireo fialan-tsiny nataon’ireo olona tao amin’ ilay fanoharana rehefa nasaina izy ireo hanatrika ilay fety izay tandindon’ireo fitahiana avy amin’ny filazantsara. Inona no fialan-tsiny ataon’ny olona ankehitriny rehefa tsy manaiky ilay fanasan’ny Mpamonjy handray ireo fitahian’ny Ray any An-danitra? Angamba azon’ireo mpianatra atao ny mizara ireo fitahiana noraisiny rehefa nanao ny fahafoizan-tena nilaina mba hiainana ny fitsipiky ny filazantsara sasany.

Lioka 15

Afaka mikaroka ireo izay very isika ary mifaly miaraka amin’ny Ray rehefa miverina izy ireo.

  • Ahoana no fomba hanomezanao fahafahana ireo mpianatra hizara ny zavatra nianarany momba ireo fanoharana ao amin’ny Lioka 15? Hevero ny hanomezana fanoharana iray isaky ny mpianatra mba haveriny vakina. Afaka mitady sy mizara ny valin’ny fanontaniana toy ireto izy ireo: Teny inona ao amin’ilay fanoharana no manambara ny zavatra tsapan’ny Ray any An-danitra momba ireo izay very? Inona no ampianarin’ilay fanoharana momba ny fomba hanolorantsika tanana ny zanak’ Andriamanitra rehetra? Afaka mizara ny fomba nahitan’ny Mpamonjy azy ireo fony izy ireo nahatsapa ho very ny mpianatra.

  • Ny fiarahana mihira ny “Au Berger elles sont chères” (Cantiques, n° 142) dia mety hitondra zavatra fanampiny manan-danja eo amin’ny fampianarana entin’ireo fanoharana ireo.

  • Rehefa miaraka mamaky ilay fanoharana momba ilay zanaka adala ianareo dia mety hahitan’ireo mpianatra tombontsoa ny mifantoka amin’ireo teny sy fihetsika ary zavatra inoan’ny olona tsirairay ao amin’ilay fanoharana. Inona no ianarantsika avy amin’ny olona tsirairay? Mety hoe afaka manoratra fiafarana hafa ho an’ilay fanoharana ireo mpianatra izay ahitana hoe fihetsika hafa no nasehon’ilay zokilahy tamin’ny rahalahiny. Mampianatra inona antsika momba ny zavatra tokony ho tsapantsika mahakasika ireo izay very sy ireo izay miverina ao amin’ny filazantsara ny torohevitra nomen’ ilay raim-pianakaviana? (Jereo koa ny teny nolazain’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”) Na azonao asaina ny mpianatra haka sary an-tsaina fa izy ireo no ilay raim-pianakaviana ao amin’ ilay fanoharana. Inona no torohevitra fanampiny homen’izy ireo ilay zokilahy mba hanampiana azy hifaly amin’ny fivoarana sy ny fahombiazan’ny hafa?

Lioka 17:11–19

Ny fankasitrahana noho ireo fitahiana azoko dia hampanatona ahy an’ Andriamanitra.

  • Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra nianarany momba ny fankasitrahana avy amin’ny fandalinan’izy ireo ny Lioka 17:11–19 sy ilay horonan-tsary “Filoha Russell M. Nelson momba ny hery manasitran’ny fankasitrahana” (ChurchofJesusChrist.org). Tamin’ny fomba ahoana no nahavoatahy ilay boka feno fisaorana noho ny fanehoany fankasitrahana? Amin’ny fomba ahoana no hahavoatahy antsika rehefa maneho fankasitrahana? Afaka manolotra fomba ahafahantsika maneho fankasitrahana an’ Andriamanitra sy ny hafa ireo mpianatra.

Jaona 11:1–46

I Jesoa Kristy no Fananganana amin’ny maty sy Fiainana.

  • Ny fomba iray handinihana ny Jaona 11:1–46 dia ny mangataka ireo mpianatra mba hifandimby hamaky ireo andininy ary manasa azy ireo hijanona sy hifanakalo hevitra isaky ny mahita porofon’ny finoana an’i Jesoa Kristy. Azonao angatahana ihany koa ireo mpianatra mba handinika ny fomba fijerin’ireo olona mandray anjara amin’izany, tafiditra ao anatin’izany ny Mpamonjy, ireo Apôstôly, i Marta, ary i Lazarosy. Inona no ianarantsika avy amin’ny tsirairay amin’izy ireo? Angamba afaka mizara zavatra niainana ireo mpianatra izay nanamafisana orina ny finoany an’i Jesoa Kristy nandritra ny fitsapana iray.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Mianatra avy amin’ilay zanaka adala iray hafa.

Nanao izao fanamarihana izao ny Loholona Jeffrey R. Holland momba ny rahalahin’ilay zanaka adala: “Tsy hoe tezitra ny amin’ny niverenan’ilay iray ao an-trano io zokiny io fa noho ny hafalian’ny ray aman-dreniny amin’izany. … Mbola tsy maintsy tonga amin’ny fangorahana sy famindrampo ary ny halalin’ny fomba fijery feno fiantrana izy vao hahita fa ity fiverenana ity dia tsy fiverenana hampisy fifaninanana. Rahalahiny io. Araka izay niangavian’ny rainy azy mba ho hitany, dia io ilay efa maty ka velona indray ankehitriny. Io ilay very ka hita indray ankehitriny” (The Other Prodigal, Ensign, mey 2002, 63).

Manatsara ny fampianarantsika

Manolo-tanana ho an’ilay olona iray. Tahaka ilay mpiandry ondry tao amin’ny fanoharana nataon’ny Mpamonjy (jereo ny Lioka 15:4), dia “afaka manolo-tanana an’ireo izay tsy tonga manatrika ny kilasinao ianao. Ny fahafahanao hampianatra sy hanentana ny mpianatrao sy hanampy azy ireo hanatona an’i Kristy dia mitohy any ivelan’ny efitrano fianaranao sy mitohy any amin’ireo izay tsy manatrika ny fotoana napetraka hizaranao lesona” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 8).

Hamoaka printy