Testamenta Vaovao 2023
8–14 mey. Matio 19–20; Marka 10; Lioka 18: “Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?”


“8–14 mey. Matio 16–17; Marka 9; Lioka 9: —Hianao no Kristy—” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“8–14 mey. Matio 19–20; Marka 10; Lioka 18,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
mpiasa ao amin’ny tanim-boaloboka

8–14 mey

Matio 19–20; Marka 10; Lioka 18

“Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?”

Rehefa miomana ny hampianatra ianao dia diniho ombam-bavaka ny fomba ahafahanao manampy ireo mpianatra hizara ny zavatra nianarany na tsapany nandritra ny fandalinan’izy ireo manokana.

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mety hanampy ny mifanakalo hevitra momba ny zavatra niainan’ireo mpianatra amin’ny ankapobeny amin’ny fianarana ny filazantsara mifototra amin’ny ao an-tokantrano. Inona no zavatra niainana nahitam-pahombiazana azon’izy ireo zaraina? Inona no sakana na olana atrehan’izy ireo? Inona no torohevitra azon’izy ireo hifanomezana?

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Matio 19:3–9

Tena manan-danja ao amin’ny drafitr’ Andriamanitra ny fanambadian’ny lehilahy iray sy ny vehivavy iray.

Matio 20:1–16

Afaka mahazo ny fitahian’ny fiainana mandrakizay avokoa ny tsirairay, na oviana na oviana fotoana handraisany ny filazantsara.

  • Inona no hanampy ireo mpianatrao hampihatra ireo fitsipika ao amin’ilay fanoharana momba ny mpiasa tao amin’ny tanim-boaloboka? Afaka manasa mpianatra vitsivitsy ianao hanomana tantara an-tsehatra hilalaovana ilay fanoharana mba haseho amin’ny iray kilasy. Aorian’ny filalaovana an-tsehatra dia afaka mizara ny zavatra tsapany momba ny karama azony sy ny anton’izany ireo olona milalao eo amin’ny toeran’ireo mpiasa. Inona no resahan’io fanoharana io momba ny fanjakan’ny lanitra? Inona no hevi-baovao fanampiny azontsika momba io fanoharana io avy amin’ny hafatry ny Loholona Jeffrey R. Holland hoe “Ireo mpiasa ao amin’ny tanim-boaloboka”? (Liahona, mey 2012, 31–33).

Matio 19:16–22; Marka 10:17–27

Hitarika antsika hanakaiky kokoa Azy ny Mpamonjy rehefa mangataka ny fanampiany isika.

  • Ahoana no ahafahanao manampy ny mpianatra hamantatra sy hampihatra ireo fitsipika ao amin’ny tantaran’ilay tovolahy mpanan-karena? Fomba iray azo hanaovana izany ny mangataka azy ireo hamaky ny Marka 10:17–27 sy hieritreritra raha efa nanana fahatsapana tahaka ny an’ilay tovolahy mpanan-karena izy ireo. Inona no nanampy antsika hanaraka ny torohevitry ny Mpamonjy na dia amin’ny fotoana hoe sarotra aza ny manao izany? Mety hazoto hizara zavatra niainany ireo mpianatra izay nanontaniany hoe “Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?” (Matio 19:20) ka nahazo bitsika natao ho azy manokana mitaona azy hivoatra. Mba hanampiana ireo mpianatra izay mety ho lasa kivy amin’ny fifantohana amin’ny zavatra tsy mahatanteraka azy ireo dia azonao zaraina ilay teny ambara ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”

  • Mety efa namaky hafatra avy amin’ny fihaonambe izay mifandray amin’ireo andininy ireo ny mpianatra araka ny atolotra ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana. Asao izy ireo hizara ny hevi-baovao azony.

Sary
lehilahy mietry iray sy Fariseo iray

The Repentant Publican and the Self-Righteous Pharisee in the Temple (Ilay mpamory hetra nibebaka sy ilay Fariseo mihevi-tena ho marina ao amin’ny tempoly), nataon’i Frank Adams

Lioka 18:9–14

Tokony hatoky ny famindrampon’ Andriamanitra isika, fa tsy ny fahamarinan’ny tenantsika manokana.

  • Ilay fanoharana nataon’ny Mpamonjy izay mampitaha ny vavaka nataon’ny Fariseo iray amin’ny vavaka nataon’ny mpamory hetra iray dia afaka manampy anao hanamafy ilay fomba fisainana izay angatahan’ny Tompo mba hananan’ireo izay mikatsaka ny hanaraka Azy. Mba hanampiana ny mpianatra hampihatra io fanoharana io amin’izao androntsika izao dia afaka manasa azy ireo ianao hamerina hanoratra ny vavaka nataon’ilay Fariseo amin’ny alalan’ny fampiasana antsipirian-javatra maoderina kanefa miresaka io fomba fisainana io ihany. Azon’izy ireo atao toy izany koa ny vavak’ilay mpamory hetra ary avy eo izy ireo dia hizara ny zavatra nosoratany. Inona no ifandraisan’ny andininy 15–17 sy ny 18–24 amin’izay ampianarin’ny Mpamonjy ao amin’io fanoharana io? Azonao zaraina ihany koa ity teny nambara manaraka ity izay mahakasika ireo andininy ireo, izay nolazain’ny Loholona Dale G. Renlund: “Mazava ny hafatra ho antsika: manakaiky kokoa an’ Andriamanitra ny mpanota iray izay mibebaka noho ilay olona mihevi-tena ho marina izay mitsaratsara izany mpanota izany” (“Ilay Mpandry Tsarantsika,” Liahona, mey 2017, 31).

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Aoka isika tsy hionona fotsiny na ho kivy.

Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson hoe:

“Raha manontany amin-kitsim-po isika hoe: —Inona no tsy mbola mahatanteraka ahy?— Dia tsy hamela antsika haminany izany [Andriamanitra], fa hamaly amim-pitiavana kosa mba ho fifaliana ho antsika. Ary hanome fanantenana antsika Izy.

“Ezaka tena mandany hery [izany], ary mety tena nampatahotra tokoa raha toa ka irery isika tamin’ny ezaka nataontsika mba hananana fahamasinana. Ny fahamarinana tena lehibe dia hoe tsy irery isika. Isika dia manana ny fitiavan’ Andriamanitra, ny fahasoavan’i Kristy, ny fampiononana sy ny fitarihan’ny Fanahy Masina, ary ny finamanana amin’ireo Olomasina namantsika sy ny famporisihana avy amin’izy ireo ao amin’ny tenan’i Kristy. Tsy tokony hionona fotsiny amin’ny toerana misy antsika amin’izao fotoana izao isika, kanefa aoka koa isika tsy ho kivy mihitsy” (“Ilay mofo velona izay nidina avy tany an-danitra,” Liahona, nôv. 2017, 39).

Manatsara ny fampianarantsika

Mila ny talenta sy ny fahaizana miavaka anananao Andriamanitra. “Afaka mitahy ny zanak’ Andriamanitra ianao amin’ny alalan’ny fampiasanao ny fitiavanao ny hafa sy ireo fanomezam-pahasoavana nomen’ Andriamanitra anao ary ireo zavatra niainanao teo amin’ny fiainana. Rehefa manompo amim-pahatokiana ianao sy mikatsaka ny fanampian’ Andriamanitra dia hampivoatra anao Izy ary hitombo ny fahazainao mampianatra ny filazantsara araka ny fomban’ny Mpamonjy” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 5).

Hamoaka printy