Testamenta Vaovao 2023
15–21 mey. Matio 21–23; Marka 11; Lioka 19–20; Jaona 12: “Indro, ny Mpanjakanao avy”


“15–21 mey. Matio 21–23; Marka 11; Lioka 19–20; Jaona 12: —Indro, ny Mpanjakanao avy—” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“15–21 mey. Matio 21–23; Marka 11; Lioka 19–20; Jaona 12,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
lehilahy iray eo ambony hazo raha nanatona i Jesoa

Zacchaeus in the Sycamore Tree (Zakaiosy eo ambony aviavy), nataon’i James Tissot

15–21 mey

Matio 21–23; Marka 11; Lioka 19–20; Jaona 12

“Indro, ny Mpanjakanao avy”

Rehefa mamaky ny Matio 21–23; Marka 11; Lioka 19–20; ary Jaona 12 ianao dia tadiavo ireo fitsipika izay hanampy amin’ny zavatra ilain’ireo olona ampianarinao. Hitaona anao ny Fanahy Masina hahafantatra ny fomba hanampiana ireo mpianatra hahita ireo fitsipika ireo.

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Andro maromaro mialoha ny fotoam-pianarana dia manasà mpianatra vitsivitsy mba ho tonga ao an-dakilasy amim-pahavononana hizara zavatra iray niainan’izy ireo tamin’ny fandalinana ireo toko nasaina nohalalinina tamin’ity herinandro ity. Angataho izy ireo hiresaka momba ireo fitahiana tonga teo amin’izy ireo rehefa mandalina ny soratra masina izy ireo mandritra ny herinandro.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Lioka 19:1–10

Mahafantatra antsika manokana ny Mpamonjy.

  • Mety efa nisy fotoana nahatsapan’ny mpianatrao ho tena tsy nisy mpijery na hadino teo amin’ny fiainany. Ny tantaran’i Zakaiosy dia afaka manampy azy ireo hahatakatra fa mahafantatra azy ireo sy miraharaha azy ireo Andriamanitra Ray sy i Jesoa Kristy. Mba hanampiana ny mpianatra hampifandray ity tantara ity amin’ny fiainan’izy ireo, dia asao izy ireo haka sary an-tsaina ny tenany ho i Zakaiosy. Araka ny eritreritrao dia inona no nianarany momba ny Mpamonjy avy amin’ny zavatra niainany? Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ezaka nataon’i Zakaiosy momba ny fikatsahana ny Mpamonjy?

Matio 21:1–11; Marka 11:1–11; Lioka 19:29–44; Jaona 12:12–16

I Jesoa Kristy no Mpanjakantsika.

  • Afaka mampiditra fifanakalozan-kevitra momba ny fiakaran’ny Mpamonjy tao Jerosalema ny sahanasa tsotra iray: Azon’ny mpianatra maromaro atao sary eny amin’ny solaitrabe ny zavatra misy ifandraisany amin’ny mpanjaka iray, toy ny satroboninahitra na seza fiandrianana, ary ny mpianatra ambiny kosa miezaka mamantatra ny sary ataon’izy ireo. Ireo mpianatra hafa dia afaka manao sarina zanaka boriky sy sampan-kazo. Inona no ifandraisan’ireo zavatra ireo amin’ny mpanjaka iray? Avy eo ianao dia afaka mampiseho ny sary maneho ny fidiran’ny Mpamonjy tamin’ny fomba manetriketrika tao Jerosalema avy ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ary manasa ny mpianatra hamaky ny Marka 11:1–11. Ahoana no naneken’ireo olona ireo an’i Jesoa ho Mpanjakany? Ahoana no hitsaohantsika an’i Jesoa Kristy amin’ny maha-Mpanjakantsika Azy amin’ny alalan’ny teny sy ny asa ataontsika?

Matio 22:34–40

Ny didy roa lehibe indrindra dia ny mitia an’ Andriamanitra sy ny mitia ny hafa tahaka ny tenantsika.

  • Ahoana no hanampianao ireo mpianatra hahatakatra fa “izany didy roa izany,” dia ny mitia an’ Andriamanitra sy ny namantsika, “no ihantonan’ny lalàna rehetra sy ny mpaminany”? (Matio 22:40). Rehefa avy miaraka mamaky ny Matio 22:34–40, dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny hoe Tiava an’ Andriamanitra sy ny hoe Tiava ny namanao. Omeo taratasy kely ny mpianatra tsirairay izay misy didy iray misoratra eo amin’izany. Manasà vitsivitsy amin’izy ireo hamaky ny didiny ary hiresaka momba ny ahafahan’ilay didy any aminy manampy antsika hankatò ny iray amin’ireo didy roa lehibe ireo na izy anankiroa. Rehefa avy mifanakalo hevitra momba ny didy any aminy izy ireo dia azon’izy ireo apetraka eny amin’ny solaitrabe ny taratasin’izy ireo. Nahoana no manan-danja ny mahatsiaro fa ny didy rehetra dia mifandray amin’ireo didy roa lehibe ireo? (jereo ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”).

Matio 23:13–33

Ho voaro isika rehefa misoroka ny fanarahana mpitarika jamba.

  • Moa ve ireo mpianatrao hahazo tombontsoa avy amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ilay andian-teny hoe “mpitarika jamba” izay nampiasain’ny Mpamonjy hamariparitana ireo Fariseo jamba ara-panahy sy ireo mpanora-dalàna? (Matio 23:16). Afaka mieritreritra fomba iray ianao hanehoana hoe manao ahoana izany manaraka olona iray tsy mahita izany. Na azon’ny mpianatra soratana eny amin’ny solaitrabe ny toetoetran’ny mpitarika jamba, araka izay voafariparitra ao amin’ny Matio 23:13–33. Mba hanampiana ilay lisitra dia jereo ireo soratra masina fanampiny izay mampianatra momba ny fahajambana ara-panahy, toy ny 2 Korintiana 4:3–4; 2 Nefia 9:28–32; ary ny Jakôba 4:14. Ahoana no ahafahantsika mamantatra mpitarika jamba sy hisorohantsika ny fanarahana azy ireo?

Sary
I Jesoa miresaka amin’ireo Fariseo

Nanameloka ny Fariseo ho mpihatsaravelatsihy sy mpitarika jamba ny Mpamonjy.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny fitiavana ny namantsika no fototry ny zavatra rehetra ataontsika.

Raha niresaka momba ireo didy roa lehibe hita ao amin’ny Matio 22:37–39 ny Filoha M. Russell Ballard dia nampianatra hoe:

“Ny fankatoavana ireo didy roa ireo dia manolotra fomba hiainana fiadanana sy fifaliana bebe kokoa. Rehefa tia sy manompo ny Tompo isika ary tia sy manompo ny namantsika dia hahatsapa ho azy fifaliana bebe kokoa izay tonga ao amintsika amin’ny fomba tsara tsy misy toy izany.

“Ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny namantsika no fototra ara-potopampianaran’ny fanompoana, ny fianarana mifototra amin’ny tokantrano ary hamafisin’ny Fiangonana, ny fitsaohana ara-panahy amin’ny andro Sabata, ary ny asa famonjena eo amin’ny lafy roan’ny voaly izay tohanan’ny Fikambanana Ifanampiana sy ny kôlejin’ny loholona. Ireo zavatra rehetra ireo dia mifototra amin’ireo didy masina [ny] hitia an’ Andriamanitra sy hitia ny namantsika. Mbola mety hisy zavatra fototra kokoa sy tsotra kokoa noho izany ve?” (“Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay marina sy madio ary tsotra,” Liahona, mey 2019, 29).

Manatsara ny fampianarantsika

Aza miezaka ny hampianatra ny zavatra rehetra ao anatin’ny lesona. “Misy zavatra maro tokony hifanakalozana hevitra ao anatin’ny lesona tsirairay, saingy tsy ilaina ny mampianatra ny zavatra rehetra ao anatin’ny fotoam-pianarana iray vao handona ny fon’olona iray. Hevi-dehibe iray na roa matetika dia ampy. Rehefa misaintsaina ireo zavatra ilain’ny mpianatra ianao dia hampian’ny Fanahy hamantatra izay fitsipika na tantara na soratra masina hanan-danja manokana amin’izy ireo” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy7).

Hamoaka printy