Testamenta Vaovao 2023
22–28 mey. Joseph Smith—Matio 1; Matio 24–25; Marka 12–13; Lioka 21: “[Ho tonga] ny Zanak’olona”


“22–28 mey. Joseph Smith—Matio 1; Matio 24–25; Marka 12–13; Lioka 21: —[Ho tonga] ny Zanak’olona—” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“22–28 mey. Joseph Smith—Matio 1; Matio 24–25; Marka 12–13; Lioka 21,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
Fiaviana Fanindroany

The Second Coming (Ny Fiaviana Fanindroany), nataon’i Harry Anderson

22–28 mey

Joseph Smith—Matio 1; Matio 24–25; Marka 12–13; Lioka 21

“[Ho tonga] ny Zanak’olona”

Tsarovy ny manomboka ny fiomananao hampianatra amin’ny alalan’ny famakiana ombam-bavaka ny Joseph Smith—Matio 1; Matio 24–25; Marka 12–13; sy ny Lioka 21. Mikatsaha fanentanam-panahy manokana ary diniho avy eo ity rindran-damina ity mba hahitana hevitra fanampiny.

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ireo fanoharana nataon’ny Mpamonjy izay hita ao amin’ny vakiteny ho an’ ity herinandro ity, toy ny hoe ilay hazon’ aviavy, ilay lehilahy tsara fanahy sy ilay mpangalatra, ilay mpanompo mahatoky sy ilay mpanompo ratsy fanahy, ireo virijiny folo, ny talenta, ary ilay ondry sy ireo osy. Asao ny mpianatra hizara ireo fahamarinana nianaran’izy ireo avy amin’ireo fanoharana ireo izay afaka manampy azy ireo hiomana amin’ny Fiavian’ny Tompo Fanindroany. Inona no ataon’izy ireo mba hampiharana ireo fahamarinana ireo eo amin’ny fiainany?

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Joseph Smith—Matio 1:21–37

Ireo faminaniana momba ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany dia afaka manampy antsika hiatrika ny hoavy amim-pinoana.

  • Mety ho sarotra amin’ny mpianatra sasany ny mahatakatra ireo famantarana ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany. Mety hanampy azy ireo ny miasa ao anatina vondrona ka mamantatra ireo famantarana izay hitany ao amin’ny Joseph Smith—Matio 1:21–37. Mety hanampy azy ireo ihany koa hahatakatra kokoa ny maha-zava-dehibe ireo famantarana ireo ny fampitahany izany amin’ireo famantarana eny amin’ny lalana. Nahoana no zava-dehibe ireo famantarana eny amin’ny lalana? Inona no mampitovy ireo famantarana ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany amin’ireo famantarana eny amin’ny lalana? Inona kosa no tsy mampitovy azy ireo? Azonao atao mihitsy aza ny manome taratasy miendrika famantarana eny amin’ny lalana ho an’ny vondrona tsirairay ary manasa azy ireo hanoratra famantarana izay mialoha ny Fiaviana Fanindroany eo amin’ny taratasy tsirairay. Avelao izy ireo hizara ny zavatra hitany, ary asao ny rehetra hifanakalo hevitra momba ny porofon’ny fisian’ ireo famantarana ireo eo amin’ izao tontolo izao ankehitriny.

Joseph Smith—Matio 1:26–27, 38–55; Matio 25:1–13

Tokony ho vonona hatrany isika ho amin’ny Fiavian’ny Mpamonjy Fanindroany.

  • Ireo fanoharana ao amin’ny Joseph Smith—Matio 1:26–27, 38–55 sy ny Matio 25:1–13 dia afaka manampy ny mpianatra hahafantatra ny maha-zava-dehibe ny fahavononana ho amin’ny Fiaviana Fanindroany. Asao ny mpianatra hamaky ireo andininy ireo sy hizara ny zavatra tsapan’izy ireo fa hanasan’ny Mpamonjy antsika. Misy fanazavan-kevitra iray mikasika ilay fanoharana momba ireo virijiny folo nomen’ny Loholona David A. Bednar izay mety manampy (jereo ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”). Nahoana isika tsirairay no tsy maintsy miaina fiovam-po ho an’ny tenantsika manokana? Amin’ny fomba ahoana no hanaovana izany? Manampy inona amin’ny fahatakarantsika an’io fanoharana io ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 45:56–57?

  • Eo am-pianaranareo mikasika ny fiverenan’ny Mpamonjy dia afaka miaraka mamaky na mihira hira ao amin’ny fihirana momba ny Fiaviana Fanindroany ianareo.

Matio 25:14–46

Amin’ny Fitsarana Farany, dia hanao tatitra ny amin’ny fiainantsika amin’ny Tompo isika.

  • Ny fanoharana momba ny talenta sy ny fanoharana momba ny ondry sy ny osy dia afaka mitaona antsika hieritreritra ny tatitra momba ny fiainantsika izay hataontsika amin’ny Tompo amin’ny Fitsarana Farany. Afaka miaraka mamaky ireo fanoharana ireo ianareo ary asao ny mpianatra mba hizara fanontaniana iray mety hapetraky ny Mpamonjy momba ny fiainan’izy ireo rehefa ho tsaraina izy ireo. Omeo fotoana ny mpianatra mba hanomana ireo fomba izay hanaovany asa araka ny fahatsapana izay voarainy nandritra ny fifanakalozan-kevitra.

    Sary
    ondry sy osy

    Nampiasa ny ondry sy ny osy i Kristy mba hampianarana momba ny Fitsarana Farany (jereo ny Matio 25:31–33).

  • Mba hitaomana ho amin’ny fifanakalozan-kevitra momba ny Matio 25:34–40, dia azonao atao ny manasa ireo mpianatra mba hizara ohatra ny amin’ny olona izay mampiseho ilay fangorahana izay voalazalaza ao amin’ ireo andininy ireo. Omeo fotoana izy ireo hisaintsainana hoe iza no mety mila ny fanompoany. Inona avy ireo fomba mandaitra ahafahantsika mamahana ny noana, mampitafy ny mitanjaka, ary mamangy ny marary?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ny soliky ny fiovam-po.

Nanome ity fanazavana azo omena momba ny fanoharana momba ny virijiny folo ity ny Loholona David A. Bednar manao hoe:

“Raiso ho toy ny soliky ny fiovam-po ilay solika [jereo ny Matio 25:4–9]. …

“Tia tena sy tsy te hizara ve ireo virijiny dimy hendry, sa nampiseho marina izy ireo fa tsy azo hindramina ny soliky ny fiovam-po? Azo omena olona iray hafa ve ny tanjaka ara-panahy izay azo avy amin’ny fankatoavana tsy tapaka ny didy? Azo afindra amin’ny olona iray izay mila izany ve ny fahalalana azo avy amin’ny fandalinana amim-pahazotoana sy ny fisaintsainana ny soratra masina? Azo afindra amin’ny olona iray izay miaina fahoriana na olana goavana ve ny fiadanana entin’ny filazantsara amin’ny Olomasin’ny Andro Farany? Ny valiny mazava ho an’ny tsirairay amin’ireo fanontaniana ireo dia tsia.

“Araka ny nohamafisin’ireo virijiny hendry araka ny tokony ho izy dia tsy maintsy —mividy ho an’ny tenantsika— ny tsirairay amintsika. Tsy namariparitra fifanarahana ara-barotra ireo vehivavy nentanim-panahy ireo fa nanamafy ny andraikitsika tsirairay mba hihazona ny fanalan’ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika hiredareda sy hahazo ny fanampin-tsoliky ny fiovam-po betsaka. Azo indray mitete isak’izay mandeha ity solika sarobidy ity, —andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra [sy] fitsipika anampy fitsipika—(2 Nefia 28:30), amim-paharetana sy tsy an-kijanona” (“Miova fo ho an’ny Tompo,” Liahona, nôv. 2012, 109).

Manatsara ny fampianarantsika

Makà antoka fa mampianatra fotopampianarana marina ianao. “Manontania tena tsy tapaka hoe: —Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny zavatra ampianariko an’ireo mpianatro mba hanorina finoana an’i Kristy, hibebaka, hanao sy hitandrina fanekempihavanana amin’ Andriamanitra ary handray ny Fanahy masina?—” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 20).

Hamoaka printy