Testamenta Vaovao 2023
29 mey–4 jona. Matio 26; Marka 14; Jaona 13: “Ho fahatsiarovana”


“29 mey–4 jona. Matio 26; Marka 14; Jaona 13: —Ho fahatsiarovana—” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“29 mey–4 jona. Matio 26; Marka 14; Jaona 13,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
Fanasana Farany

In Remembrance of Me (Ho fahatsiarovana Ahy), nataon’i Walter Rane

29 mey–4 jona

Matio 26; Marka 14; Jaona 13

“Ho Fahatsiarovana”

Vakio ny Matio 26; Marka 14; ary Jaona 13 ka saintsaino ireo eritreritra sy fahatsapana tonga ao an-tsainao. Inona no hafatra mety hitahy ireo mpianatrao?

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ny mpianatra hizara ireo zavatra nianaran’izy ireo tamin’ity herinandro ity izay nanampy azy ireo hahita fa misy dikany kokoa ny fanasan’ny Tompo. Inona no nataon’izy ireo ary inona no fiantraikan’izany teo amin’ny zavatra niainan’izy ireo rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo?

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Matio 26:20–22

Tokony handinika ny fiainantsika manokana isika mba handinihana ny fomba fiantefan’ny tenin’ny Tompo amintsika.

  • Mandre lesona maro momba ny filazantsara isika eo amin’ny fiainantsika, kanefa indraindray alaim-panahy isika hieritreritra fa ireo lesona ireo dia miantefa indrindra indrindra amin’ny olona hafa. Mety hanampy antsika handresy io fironana io ny fifanakalozana hevitra momba ny Matio 26:20–22. Inona no lesona azontsika ianarana avy amin’ny fomba nampiharan’ireo mpianatra ny tenin’ny Mpamonjy? Raha misy mpianatra mamaky ny firesahan’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf an’io tantara io ao amin’ny hafany hoe “Moa izaho va izany, Tompoko?,” dia afaka mizara ireo hevi-baovao voarainy izy ireo (Liahona, nôv. 2014, 56–59).

Matio 26:26–29

Ny fanasan’ny Tompo dia fotoana iray ahafahana mahatsiaro ny Mpamonjy.

  • Ahoana no hanazavan’ireo mpianatra ny ôrdônansy masin’ny fanasan’ny Tompo amin’ny olona iray izay tsy mahafantatra izany? Angamba afaka miaraka mamorona lisitra ianareo ahitana ireo fanontaniana izay mety hananan’ny olona momba ny fanasan’ny Tompo, toy ny hoe: “Nahoana ny Tompo no nanome antsika ny fanasan’ny Tompo? Nahoana ny rano sy ny mofo no tandindona mahery vaika maneho an’i Jesoa Kristy? Inona no ampanantenaintsika rehefa mandray ny fanasan’ny Tompo isika? Inona no fampanantenana azontsika?” Afaka mitady valiny ao amin’ireto loharanom-pitaovana manaraka ireto ny mpianatra: Matio 26:26–29; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 20:75–79; ary ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Fanasan’ny Tompo” (topics.ChurchofJesusChrist.org). Azonao zaraina koa ny fampianaran’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”

    Sary
    vehivavy mandray ny fanasan’ny Tompo

    Ny fanasan’ny Tompo dia manampy antsika hahatsiaro an’i Jesoa Kristy.

  • Mety hahasoa ireo mpianatra ny mandre ny hevitry ny tsirairay momba ny fomba hahatsiarovana ny Mpamonjy mandritra ny fanasan’ny Tompo sy mandritra ny herinandro (jereo ny Lioka 22:19–20; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 6:36–37). Azonao atao angamba ny manasa azy ireo hizara izay zavatra manampy azy ireo sy ny fianakaviany hahatsiaro ny Mpamonjy sy hitandrina ireo fanekempihavanana nataony. Azon’izy ireo zaraina ihany koa ny zavatra ataon’izy ireo mba hahatonga ny fanasan’ny Tompo ho zavatra iainana izay masina.

Jaona 13:1–17

Ny Mpamonjy no ohatra ho antsika amin’ny fanompoana ny hafa amim-panetrentena.

  • Mba hanampiana ny mpianatrao hisaintsaina ny hevitra fonosin’ny fanasan’i Jesoa ny tongotry ny mpianany, dia afaka manasa mpianatra iray ianao hilalao an’i Petera ka hadihadian’ny mpianatra hafa izy. Azon’ny mpianatra atao ny mamakafaka ny Jaona 13:1–17 ary mieritreritra fanontaniana manan-danja azon’izy ireo hanontaniana an’i Petera mba hianarana momba io traikefa io. Inona no zavatra ianarantsika avy amin’io tantara io ka mety hisy fiantraikany eo amin’ny fomba hanompoantsika ny hafa?

Jaona 13:34–35

Ny fitiavantsika ny hafa dia famantarana fa tena mpianatr’i Jesoa Kristy marina isika.

  • Ahoana no hitaomanao ny mpianatra mba ho be fitiavana kokoa? Angamba azonao anontaniana azy ireo ny toetra izay tsikaritr’izy ireo rehefa mihaona amin’olona mpanaradia an’i Kristy. Afaka manasa azy ireo ianao hamakafaka ny Jaona 13:34–35 mba hahalalana ny fomba azo hamantarana ny mpianatra marin’ny Mpamonjy. Inona no azontsika atao mba hahatonga ny fitiavana ho toetoetra mamaritra ny maha-mpianatra antsika? Angamba azonao ifanakalozana hevitra fa ny fitiavana ny hafa dia fomba hijoroana ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Ahoana no ahafahantsika manao izany ao amin’ny fianakaviantsika, sy eny amin’ny tambajotra ifaneraserana , ary any amin’ny sehatra hafa?

  • Efa niara-nianatra zavatra betsaka momba ny fiainan’ny Mpamonjy ianareo iray kilasy tamin’ity taona ity, ka tafiditra ao anatin’izany ireo ohatra maro izay mampiseho ny fomba nanehoany ny fitiavany ny hafa. Mety ho fomba iray hanampiana ny mpianatra hisaintsaina ilay didy ao amin’ny Jaona 13:34 ny fanoratana hoe Tahaka ny nitiavako anareo eo amin’ny solaitrabe ary ny fanasana ny mpianatra hitanisa ireo ohatra tadidiny avy ao amin’ny Testamenta Vaovao izay maneho ny fitiavan’i Jesoa. Aorian’izay dia afaka manoratra hoe Mifankatiava eo amin’ny solaitrabe ianao ary mangataka ny mpianatra hitanisa ireo fomba azontsika hanarahana ny ohatra nasehony eo amin’ny fanehoana fitiavana. Mety hahita hevitra avy amin’ny iray amin’ireo horonan-tsary voatanisa ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” ireo mpianatra.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

“Ataovy ao anaty ireo zavatra tsara sy toetra ananan’i Kristy.”

Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson hoe “ny fihinanana ara-tsariteny ny nofon[’ny Mpamonjy] sy ny fisotroana ara-tsariteny ny rany dia [midika ho] fiezahana hanana ao anaty ny zavatra tsara sy ny toetra ananan’i Kristy, ny fanaisorana ny maha-olona araka ny nofo ka lasa Olomasina —amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy Tompo— [Môzià 3:19]. Rehefa mandray ny mofo sy ny rano amin’ny fanasan’ny Tompo isan-kerinandro isika dia tena tsara raha mieritreritra ny fomba tsy maintsy hampidirantsika feno sy tanteraka ny toetrany sy ny lamin’ny fiainany tsy misy fahotana eo amin’ny fiainantsika sy ny fisiantsika” (“Ilay mofo velona izay nidina avy tany an-danitra,” Liahona, nôv. 2017, 37).

  • “La préparation de Thomas S. Monson: Il apprit la compassion dans sa jeunesse”

Manatsara ny fampianarantsika

Mijery amin’ny fijerin’ Andriamanitra. Miezaha mijery ireo olona ao amin’ny kilasinao tahaka ny fijerin’ Andriamanitra azy ireo, ary ny Fanahy dia hampiseho anao ny fananan’izy ireo lanja masina sy ny fananan’izy ireo hery anaty masina hahavitana zavatra. Rehefa manao izany ianao, dia hahazo fitarihana eo amin’ny ezaka ataonao hanampiana azy ireo (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy6).

Hamoaka printy