Testamenta Vaovao 2023
5–11 jona. Jaona 5–11: “Tomoera amin’ny fitiavako hianareo”


“5–11 jona. Jaona 14–17: —Tomoera amin’ny fitiavako hianareo—” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“5–11 jona. Jaona 14–17,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
Fanasana farany

The Last Supper (Ny Fanasana Farany), nataon’i William Henry Margetson

5–11 jona

Jaona 14–17

“Tomoera amin’ny fitiavako hianareo”

Eo am-pandalinanao ombam-bavaka ny Jaona 14–17, dia saintsaino ny fomba tena tsara ahafahanao mampiseho fitiavana an’ireo izay ampianarinao. Hitondra hevitra ao an-tsainao ny Fanahy Masina rehefa mandalina ny soratra masina, ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana, ary ity rindran-damina ity ianao.

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Soraty eny amin’ny solaitrabe ny tarehimarika 14 ka hatramin’ny 17, izay maneho ireo toko ao amin’ny Jaona izay novakin’ny mpianatra tamin’ity herinandro ity. Manasà mpianatra vitsivitsy hanoratra, eo akaikin’ny toko tsirairay, andinin-tsoratra masina anankiray izay takatr’izy ireo tsara kokoa rehefa nampian’ny Fanahy Masina na tian’izy ireo hifanakalozana hevitra amin’ny iray kilasy.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Jaona 14:16–27; 15:26; 16:7–15

Ny Fanahy Masina dia manampy antsika hanatanteraka ireo tanjontsika amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy antsika.

  • Mba hanampiana ny mpianatra hianatra mikasika ireo anjara asa samihafa sahanin’ny Fanahy Masina dia hevero ny hanasa azy ireo hamaky iray na maromaro amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto: Jaona 14:16–27; 15:26; ary 16:7–15. Azon’izy ireo soratana eny amin’ny solaitrabe ny zavatra nianaran’izy ireo mikasika ny Fanahy masina avy amin’ireo andinin-tsoratra masina ireo. Afaka mitady hevi-baovao mikasika ny Fanahy Masina koa izy ireo ao amin’ny soratra masina sy ao amin’ireo hafatra voatanisa ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Ahoana no fomba nanatanterahan’ny Fanahy Masina an’ireo anjara asa teo amin’ny fiainantsika? Afaka mieritreritra zavatra azo tsapain-tanana na fitaovana jeren’ny maso izay azonao entina any am-pianarana ianao mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny sasany amin’ireo anjara asa ireo.

  • Hevero ny hanasa mialoha mpianatra vitsivitsy mba handalina ny iray amin’ireo lahateny natao nandritra ny fihaonamben’ny Fiangonana maneran-tany izay atolotra ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” (na lahateny iray hafa natao nandritra ny fihaonambe izay fantatr’izy ireo) momba ny Fanahy Masina. Avelao izy ireo hizara fohifohy ny zavatra nianarany niaraka tamin’ny rehetra. Inona no zavatra hanampian’ireo hafatra ireo ny zavatra efa nianarantsika momba ny Fanahy Masina tao amin’ny Jaona 14–16?

Sary
Jesoa miresaka amin’ireo mpianany

The Last Supper (Ny Fanasana Farany), nataon’i Clark Kelley Price

Jaona 15:1–12

Rehefa mitoetra ao amin’i Kristy isika dia hitondra voa tsara ary hanana fifaliana.

  • Hevero ny hitondra zavamaniry kely iray (na sarina zavamaniry iray) any am-pianarana sy hampiasa izany mba hanampiana ny mpianatra haka sary an-tsaina ny fampianaran’ny Mpamonjy momba ilay voaloboka sy ny sampany. Aorian’ny famakian’ny iray kilasy ny Jaona 15:1–12 dia afaka mifanakalo hevitra mikasika ny dikan’ny hoe “Tomoera ao amin’i [Kristy]” (Jaona 15:4) ianareo. Afaka mizara ny maha-marina ny zavatra hitan’izy ireo ao amin’ny Jaona 15:5 ny mpianatra vitsivitsy. (Jereo koa ny teny nambaran’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”)

Jaona 17

Miray saina tanteraka ny Ray Any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

  • Mety tsy afaka ny hampianatra ireo zavatra manan-danja rehetra hita ao amin’ny Jaona 17 mandritra ny fifanakalozan-kevitra ao am-pianarana indray mandeha fotsiny ianao, saingy ity misy fomba iray hanampiana ny iray kilasy hamakafaka ny maro amin’ireo amin’izy ireo. Tanisao eny amin’ny solaitrabe ireo hevitra nalaina tao amin’ny Jaona 17, tahaka ireto:

    • Ny fifandraisantsika amin’i Jesoa Kristy

    • Ny fifandraisan’i Jesoa Kristy amin’ny Rainy

    • Ny fifandraisantsika amin’izao tontolo izao

    • Ny fifandraisantsika amin’ny maha-mpianany antsika

    Asao ny mpianatra tsirairay hifidy ny iray amin’ireo hevitra ireo sy hamaky ny Jaona 17, mba hitady ireo andinin-tsoratra masina mifandray amin’izany. Angataho ny mpianatra maromaro mba hizara ny zavatra nianaran’izy ireo.

    Inona no fiantraikan’ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra eo amin’ny fifandraisantsika samy isika? Inona no fiantraikan’ny fifandraisantsika samy isika eo amin’ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ny Fanahy Masina.

Mitoetra ao amin’i Kristy

Rehefa nilaza fa ny teny hoe Tomoera dia ahitana ny hevi-teny hoe fijanonana maharitra sy fanolorantena ny Loholona Jeffrey R. Holland, dia nampianatra izy hoe:

“Ny hevitra fonosin’io [teny] io izany dia hoe—mijanòna, saingy mijanòna mandrakizay.— … Tongava, saingy tongava mba hitoetra. Tongava miaraka amin’ny fahatokian-tena sy ny faharetana. …

“Hoy i Jesoa hoe: —Raha misaraka Amiko kosa hianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona— [Jaona 15:5]. Mijoro ho vavolombelona aho fa izany no fahamarinana avy amin’ Andriamanitra. I Kristy dia zava-drehetra ho antsika ka tokony —hitoetra— ao Aminy mandrakariva isika, tsy voahozongozona, amim-pahatokiana, mandrakizay. Mba hampitsiriana ny voan’ny filazantsara sy hitahian’izany ny fiainantsika dia tsy maintsy mifatotra Aminy mafy isika, dia ny Mpamonjy antsika rehetra, ary amin’ny Fiangonany, izay mitondra ny anarany masina. Izy no voaloboka izay loharanon-kery tena izy ho antsika ary ilay hany loharanon’ny fiainana mandrakizay. Tsy hoe hanam-paharetana fotsiny isika ao Aminy fa hahery sy handresy ao anatin’ity tanjona masina izay tsy hanary antsika na oviana na oviana” (“Abide in Me,” Liahona, May 2004, 32).

Manatsara ny fampianarantsika

Asao ny Fanahy. “Afaka ny ho fitaovana eo am-pelatanan’ Andriamanitra isika mba hanampiana ny zanany hianatra amin’ny alalan’ny Fanahy. Mba hanaovana izany dia manasa ny fitarihan’ny Fanahy isika ho eo amin’ny fiainantsika sy mba hamporisika an’ireo izay ampianarintsika hanao izany koa. … Ny hira masina, ny soratra masina, ireo tenin’ny mpaminanin’ny andro farany, ny fanehoana fitiavana sy fizarana fijoroana ho vavolombelona, ary ireo fotoana handinihan-tena mangina dia afaka manasa daholo ny fanatrehan’ny Fanahy” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy10).

Hamoaka printy