Testamenta Vaovao 2023
19–25 jona. Matio 27; Marka 15; Lioka 23; Jaona 19: “Vita”


“19–25 jona. Matio 27; Marka 15; Lioka 23; Jaona 19: —Vita—” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“19–25 jona. Matio 27; Marka 15; Lioka 23; Jaona 19,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
I Kristy eo anatrehan’i Pilato

Ecce Homo (Indro ilay Lehilahy!), nataon’i Antonio Ciseri

19–25 jona

Matio 27; Marka 15; Lioka 23; Jaona 19

“Vita”

Atombohy amin’ny famakiana ombam-bavaka ny Matio 27; Marka 15; Lioka 23; ary ny Jaona 19 ny fiomananao hampianatra. Miezaha hanana fiainana mendrika ny Fanahy mba hahafahanao mijoro ho vavolombelona amin’ny fomba mahery vaika momba ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany.

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ny mpianatra tsirairay hifidy toko iray avy amin’ny vakiteny atao amin’ity herinandro ity ary handany minitra vitsivitsy hamakiana tsara izany, sy hitadiavana teny iray, na andian-teny iray, na singa iray izay mampianatra azy ireo zavatra manan-danja momba ny Mpamonjy sy ny asa nanirahana Azy. Omeo fahafahana izy ireo hizara ny zavatra hitany sy hanazava ny antony maha-manan-danja izany amin’izy ireo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Matio 27; Marka 15; Lioka 23; Jaona 19

Ny fahavononan’i Jesoa Kristy hijaly dia mampiseho ny fitiavany ny Ray sy ny fitiavany antsika rehetra.

  • Mba hanampiana ny kilasinao hahatakatra ny fomba ahafahan’ny fijalian’ny Mpamonjy sy ny fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana maneho ny fitiavany, dia manandrama manao asa tahaka ity: Omeo sarina fo vita amin’ny taratasy ny mpianatra tsirairay, dia asao izy ireo hanoratra eo amin’ny sary fon’izy ireo andian-teny iray avy ao amin’ny 1 Korintiana 13:4–7 izay mamariparitra ny fiantrana. Angataho izy ireo avy eo hamakafaka ny Matio 27; Marka 15; Lioka 23; na ny Jaona 19 ary hanoratra andinin-tsoratra masina vitsivitsy ao ambadik’ilay sary fon’izy ireo izay maneho ny fomba nanehoan’ny Mpamonjy ilay fitiavana fariparitana ao amin’ilay andian-teny nofidin’izy ireo. Avelao hizara ny zavatra hitany izy ireo. Inona avy ireo zavatra niainantsika izay nanampy antsika hahatakatra ny fitiavan’ny Mpamonjy.

    Sary
    satroka tsilo

    “Nandrandrana satroka tsilo [ny miaramila], ka nasatrony ny lohany” (Marka 15:17).

  • Afaka manampy ny mpianatra hahazo an-tsaina ireo zavatra nitranga izay novakiny tamin’ity herinandro ity ny sary namboarina. Angamba azonao zaraina ho vondrona maromaro ny kilasy ary omeo sary iray ny vondrona tsirairay (jereo ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” raha hijery ireo sary natolotra). Azon’ireo mpianatra vakina ireo andininy izay manoritsoritra ilay zava-nitranga asehon’ny sary any amin’izy ireo. Avy eo izy ireo dia afaka mizara ny eritreriny sy ny fahatsapany momba ireo zava-nitranga ireo, tafiditra ao anatin’izany ny fomba nanampian’ilay sary azy ireo hahatakatra kokoa ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Azonao atao koa ny mandefa ireo horonan-tsary hoe “Jésus est condamné devant Pilate” sy ny “Le Sauveur est flagellé et crucifié” (ChurchofJesusChrist.org). Amporisiho ireo mpianatra hijoro ho vavolombelona momba ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany.

Matio 27:11–60

Nahita mialoha ny fijalian’ny Mpamonjy sy ny Fanomboana Azy tamin’ny hazofijaliana ireo mpaminany fahiny.

  • Nilaza mialoha ireo tranga hiseho mandritra ireo ora farany hiainan’ny Mpamonjy ireo mpaminany fahiny. Fomba iray hanampiana ny mpianatra hahita izany ny manome azy ireo tsirairay soratra masina iray na mihoatra ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” ary ny mangataka azy ireo hitady andininy ao amin’ny Matio 27 izay mampiseho ny fomba nahatanterahan’ireo soratra masina. Afaka manao tabilao mampifandray ireo faminaniana amin’ny fahatanterahan’izany ianao. Ahoana no hampatanjahan’ireo faminaniana ireo ny finoantsika an’i Jesoa Kristy?

Matio 27:27–49; Marka 15:16–32; Lioka 23:11, 35–39; Jaona 19:1–5

Tsy afaka manakana ny asan’ Andriamanitra ny fanoherana.

  • Mba hanampiana ireo mpianatra hiatrika amim-pinoana ny fanoherana rehefa miorim-paka amin’ny finoany izy ireo dia azonao asaina izy ireo hamaky ireo andininy izay manoritsoritra ny fanenjehana natrehan’ny Mpamonjy (jereo ny Matio 27:27–49; Marka 15:16–32; Lioka 23:11; 35–39; Jaona 19:1–5). Inona no ianarantsika avy amin’ny fomba niatrehan’ny Mpamonjy izany ka afaka manampy antsika hiatrika fanoherana? Inona avy ireo ohatra hafa momba ny fiatrehana fanoherana izay afaka manampy antsika? (Jereo ohatra ny Joseph Smith—Tantara 1:24–25.)

Lioka 23:34–43

Manolotra fanantenana sy famelan-keloka ho antsika ny Mpamonjy.

  • Na tao anatin’ireo fotoana farany niainan’ny Mpamonjy aza dia mbola nanome fanantenana sy famelana hatrany ny Mpamonjy. Eritrereto ireo fomba hitaomana ireo mpianatra hanaraka ny ohatra nasehony. Ohatra, azonao angatahina ny antsasaky ny kilasy hamaky ny Lioka 23:34–38 ary ilay antsasany iray hafa hamaky ny Lioka 23:39–43. Afaka mizara ny zavatra ianarany momba ny Mpamonjy avy amin’ireo andininy nampiandraiketina azy ireo mpianatra. Ahoana no ahafahantsika manaraka ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Sary maneho ny nanenjehana an’i Jesoa sy ny fijaliany, ary ny nahafatesany.

Soratra masina izaymilaza mialoha ireo fitsapana natrehan’i Jesoa Kristy sy ny fahafatesany.

Manatsara ny fampianarantsika

Misintòna hery avy amin’ny Mpamonjy. “Na dia miezaka aza ianao mba hiaina tsara kokoa toy ny niainan’ny Mpamonjy sy hampianatra tsara kokoa mba ho tahaka ny Mpamonjy, dia tsy azo ihodivirana ny mety tsy hahombiazanao indraindray. Aza kivy fa avelao aza ny fahadisoanao sy ny fahalemenao hampitodika anao any amin’ny Ray any An-danitra sy ny Mpamonjy” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 14).

Hamoaka printy