Testamenta Vaovao 2023
26 jona–2 jolay. Matio 28; Marka 16; Lioka 24; Jaona 20–21: “Efa nitsangana [Izy]”


“26 jona–2 jolay. Matio 28; Marka 16; Lioka 24; Jaona 20–21: —Efa nitsangana [Izy]—” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“26 jona–2 jolay. Matio 28; Marka 16; Lioka 24; Jaona 20–21,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
I Jesoa miresaka amin’i Petera eo amoron-dranomasina

Feed My Sheep (Fahano ny ondriko), nataon’i Kamille Corry

26 jona–2 jolay

Matio 28; Marka 16; Lioka 24; Jaona 20–21

“Efa nitsangana [Izy]”

Alohan’ny handinihana ireo hevitra enti-mampianatra ato amin’ity rindran-damina ity dia vakio ny Matio 28; Marka 16; Lioka 24; ary ny Jana 20–21, ary saintsaino ny fomba mety azo hampiasana ’ireo toko ireo mba hampatanjahana ny finoan’ireo izay ampianarinao.

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Mba hanampiana ny mpianatra hizara ny zavatra nianarany tao amin’ny fandalinany manokana sy ny fandalinan’ny mpianakavy, dia asao izy ireo hanoratra fahamarinana iray avy amin’ny teny nasaina novakina tamin’ity herinandro ity izay tsapan’izy ireo fa tokony hozaraina amin’ ”izao tontolo izao” (jereo ny Marka 16:15). Rehefa tapitra ny fotoam-pianarana dia anontanio izy ireo raha toa ka nahita fahamarinana fanampiny tian’izy ireo hozaraina.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Matio 28; Marka 16; Lioka 24; Jaona 20

Satria nitsangana tamin’ny maty i Jesoa dia hitsangana amin’ny maty koa isika.

  • Azonao omena minitra vitsy ireo mpianatra mba hamerina hijery ny vakiteny nasaina natao tamin’ity herinandro ity sy ny “Fitsanganana amin’ny maty” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra masina, ary hanoratra ireo fahamarinana nianarany momba ny fitsanganana amin’ny maty. Avelao ny sasany amin’izy ireo hizara ny zavatra nosoratany, ary amporisiho ny mpianatra hanangan-tanana rehefa maheno olona mizara fahamarinana mitovy amin’izay nosoratany. Nahoana no manan-danja amintsika ireo fahamarinana ireo? Inona no fiantraikan’izany eo amin’ny fifandraisantsika aman’olona? Inona no fiantraikan’izany eo amin’ireo safidy ataontsika?

Lioka 24:13–35

Afaka manasa ny Mpamonjy isika “[hitoetra] miaraka ami[ntsika].”

  • Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny zavatra mampifandray ny zavatra niainan’izy ireo amin’ny zavatra niainan’ireo mpianatra teny amin’ny lalana nankany Emaosy, dia manaova sarina lalana eo amin’ny solaitrabe, ary asao ny mpianatra hanoratra ireo antsipirian-javatra avy ao amin’ilay tantara ao amin’ny Lioka 24:13–35 eo amin’ny sisin-dalana andaniny. Avy eo dia afaka manoratra ireo zavatra mitovy amin’izany izay hitany eo amin’ny zavatra iainany manokana izy ireo amin’ny maha-mpanaradia azy ireo an’i Jesoa Kristy, eo amin’ny sisin-dalana ankilany. Ohatra, azon’izy ireo atao ny manoratra hoe “Ny mason’ireo nohazonina” (Lioka 24:16) eo amin’ny sisin-dalana andaniny ary hoe Indraindray isika dia tsy mahafantatra ny fitarihan’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika eo amin’ilay sisin-dalana ankilany. Ahoana no fomba ahafahantsika manasa ny Mpamonjy hijanona hiaraka amintsika?

Sary
I Kristy nitsangan-ko velona miseho amin’ireo Apôstôly

Nampianatra an’i Tomasy i Jesoa hoe “aza isan’izay tsy mino, fa minoa” (Jaona 20:27).

Jaona 20:19–29

“Sambatra kosa izay tsy nahita, nefa nino.”

  • Ny kilasin’ny Sekoly alahadinao dia afaka ny ho toerana hifanamafisan’ireo mpianatrao ny finoany an’ireo zavatra tsy hitany. Angamba azonao atomboka amin’ny alalan’ny fangatahana olona hamintina ny zavatra niainan’i Tomasy ao amin’ny Jaona 20:19–28 izany. Afaka manoratra eo amin’ny solaitrabe ny lisitr’ireo zavatra asain’ Andriamanitra inoantsika na dia tsy hitantsika aza ny mpianatra. Avy eo dia azonao angatahina izy ireo mba hizara zavatra niainana izay nanamafy orina ny fijoroana ho vavolombelona ananan’izy ireo momba ireo zavatra ireo sy ireo fitahiana izay tonga tamin’izy ireo rehefa nampihatra finoana.

Jaona 21:1–17

Manasa antsika hamahana ny ondriny ny Mpamonjy.

  • Inona no mety hanampy ny mpianatrao hanaiky ny fanasan’ny Mpamonjy “[hamahana] … ny ondri[ny]”? Azonao atomboka amin’ny fanasana azy ireo hamaky mangina ny Jaona 21:15–17 izany ka hanolo ny anaran’i Simona amin’ny anaran’izy ireo ary ny “ondrikeliko” sy ny “ondriko” amin’ny anaran’ny olona izay tsapan’izy ireo fa tian’ny Tompo hotompoin’izy ireo. Ohatra hoe olona izay anjaran’izy ireo ny manompo azy, na ny mpifanolobodirindrina, na ny olona fantatr’izy ireo any am-piasana na any an-tsekoly. Rehefa afaka minitra vitsivitsy dia afaka mizara ny zavatra tsapany ny mpianatra. Inona no ianarantsika momba ny Mpamonjy avy amin’ny zavatra nataony ao amin’ny Jaona 21:4–13? Inona no azontsika atao hamahanana ny ondry sy ny zanak’ondrin’ny Mpamonjy? Afaka manampy amin’ny famaliana io fanontaniana io ny teny nambaran’ny Loholona Gary E. Stevenson ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ahoana no ahafahantsika “[mamahana] … ny ondri[ny]”?

Ny Loholona Gary E. Stevenson dia nanazava ny fomba hanatanterahantsika ny didin’ny Tompo ny hamahana ny ondriny:

“Iza no mpiandry ondry? Mpiandry ondry ny lehilahy sy ny vehivavy ary ny ankizy rehetra ao amin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Tsy misy antso ôfisialy takina amin’izany. Manomboka amin’ny fotoana ivoahantsika avy ao amin’ny ranon’ny batisa no hanomezana andraikitra antsika hanao io asa io. Manolo-tanana ny hafa amim-pitiavana isika satria izany no nodidin’ny Mpamonjy hataontsika. … Isak’izay hoe ao anatin’ny fahoriana ara-nofo na ara-panahy ny manodidina antsika dia mihazakazaka manampy azy isika. Mifampitondra ny enta-mavesatry ny tsirairay isika mba hanamaivana izany. Miara-malahelo amin’izay malahelo isika. Mampionona ireo izay mila fampiononana isika [jereo ny Môsià 18:8–9]. Miandry izany avy amintsika amim-pitiavana ny Tompo. Ary ho avy ny fotoana izay hitanana antsika ho tompon’andraikitra amin’ny fikarakarana ataontsika rehefa manompo ny andian’ondriny [jereo ny Matio 25:31–46]” (“Mitarika ireo fanahy,” Liahona, nôv. 2018, 111).

Manatsara ny fampianarantsika

Manokàna fotoana hizaran’ny mpianatra zavatra. “Rehefa mizara ny zavatra nianarany ny mpianatra dia tsy hoe mahatsapa ny Fanahy sy mampatanjaka ny fijoroana ho vavolombelona ananany fotsiny izy ireo fa mamporisika koa ireo olona hafa ao amin’ny kilasy hahita ireo fahamarinana amin’ny alalan’ny tenany manokana. … Manokàna fotoana ahafahan’ny mpianatra mizara ao anatin’ny lesona rehetra. Ao anatin’ny toe-javatra sasany dia mety ho hitanao fa ireny fifanakalozan-kevitra ireny no lesona” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 30).

Hamoaka printy