“24–30 jolay. Asan’ny Apostoly 16–21: —Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara—” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)
“24–30 jolay. Asan’ny Apostoly 16–21,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023
24–30 jolay
Asan’ny Apostoly 16–21
“Andriamanitra no efa niantso anay hitory ny filazantsara”
Alohan’ny hijerena ity rindran-damina ity dia vakio ombam-bavaka ny Asan’ny Apostoly 16–21 ka tsarovy ao an-tsaina ireo mpianatrao. Ireto hevitra manaraka ireto dia afaka manampy ny fitaomam-panahy voarainao avy amin’ny Fanahy.
Asao mba hizara
Asao ny mpianatra hizara andian-tsoratra masina avy ao amin’ny Asan’ny Apostoly 16–21 izay mampahatsiahy azy ireo ny zavatra iray niainany rehefa nizara ny filazantsara.
Ampianaro ny fotopampianarana
Amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’ny Mpamonjy antsika dia mijoro ho vavolombelona momba Azy isika ary mizara ny filazantsarany.
-
Hafatra iray tena manan-danja ao amin’ny Asan’ny Apostoly 16–21 ny maha-manan-danja ny Fanahy Masina eo amin’ny fizarana ny filazantsara. Ohatra, afaka mamaky ny fomba nanampian’ny Fanahy Masina an’i Paoly sy i Silasy ao amin’ny Asan’ny Apostoly 16:6–15 ny mpianatra. Nahoana isika no mila ny Fanahy Masina rehefa mizara ny filazantsara? (jereo ny 2 Nefia 33:1; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 33:8–10; 42:14; 100:5–8). Azon’ny mpianatra atao tsara ny mizara zavatra niainana tamin’ny nitarihan’ny Fanahy Masina ny ezaka nataon’izy teo amin’ny fizarana ny filazantsara.
-
Amin’ny fomba ahoana no hanampian’ireo zavatra niainan’i Paoly an’ireo mpianatra mba hanana herimpo rehefamahazo bitsika mba hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananany izy ireo? Hevero ny hangataka ny mpianatra tsirairay hamerina hijery ireto tantara manaraka ireto: Asan’ny Apostoly 16:16–34; 17:16–34; 18:1–11. Angataho izy ireo hizara ny porofo hitany izay maneho ny herimpo sy ny fahasahiana nananan’i Paoly. Inona no fahamarinana nampianarin’i Paoly (sy takany) ka nanome azy fahatokian-tena tao anatin’ny hafany? Nahoana isika indraindray no miahotra ny hizara ny filazantsara, ary ahoana no hanampian’ny Mpamonjy antsika? Amporisiho ireo mpianatra hieritreritra fomba iray ahafahany manaraka ny ohatr’i Paoly ary mizara matetika kokoa ny fijoroana ho vavolombelona ananany momba an’i kristy.
Terak’ Andriamanitra isika.
-
Tao Areopago i Paoly dia nampianatra momba ny Ray any An-danitra tamin’ny andian’olona zara raha nahafantatra mikasika ny toetoetran’ Andriamanitra marina. Mba hamakafakana ireo fampianarana ireo dia afaka mamaky ny Asan’ny Apostoly 17:24–31 ny mpianatra ary manoratra eny amin’ny solaitrabe ireo fahamarinana hitany momba ny Ray any An-danitra, sy ny rohim-pihavanantsika Aminy, ary ny rohim-pihavanana misy eo amintsika samy isika. Avy eo izy ireo dia afaka mizara zavatra niainana izay nahatsapan’izy ireo ny fahamarinan’ny zavatra nolazain’i Paoly hoe Andriamanitra dia “tsy mba lavitra antsika rehetra” (andininy 27).
-
Rehefa miaraka mandinika ireo andininy ireo ianareo dia ifanakalozy hevitra ilay fahamarinana ampianarina ao amin’ny andininy 29 hoe: “terak’ Andriamanitra isika.” Azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny hoe Satria zanak’ Andriamanitra isika, dia … sy ny hoe Raha tsy nahafantatra isika hoe zanak’ Andriamanitra, dia … Asao ireo mpianatra hanolotra fomba hamenoana ireo fehezan-teny ireo. Ohatra, mampianatra antsika inona momba ny tenantsika sy momba ny fomba tokony hifampitondrantsika ny maha-zanak’ Andriamanitra antsika? Mety ho hafa manao ahoana ny fiainantsika raha tsy nahafantatra ny rohim-pihavanana marina misy eo amintsika sy Andriamanitra isika? Inona no zavatra fanampiny entin’ny teny nambaran’ny Loholona Dallin H. Oaks ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” ao anatin’io fifanakalozan-kevitra io?
Loharanom-pitaovana fanampiny
Zanak’Andriamanitra daholo isika.
Ny “Ny Fianakaviana: Fanambarana ho an’Izao Tontolo Izao” dia mizara fahamarinana mandrakizay momba ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra: “Ny olombelona rehetra—na lahy na vavy—dia nohariana araka ny endrik’ Andriamanitra. Ny tsirairay dia fanahy izay zanakalahy sy zanakavavy malalan’ny ray aman-dreny any an-danitra, ary araka izany, ny tsirairay dia samy manana toetra sy anjara araka an’ Andriamanitra” (ChurchofJesusChrist.org).
Ny Loholona Dallin H. Oaks dia niresaka momba ny maha-zava-dehibe ny fahitantsika ny tenantsika voalohany indrindra ho toy ny fanahy zanak’ Andriamanitra:
“Mitandrema amin’ny fomba hamaritanareo ny tenanareo. Aza mamaritra ny tenanao amina toetra tsy maharitra. Ny hany toetra tokana tokony hamaritra antsika dia ny hoe zanakalahy na zanakavavin’ Andriamanitra isika. Izany fahamarinana izany dia ambony lavitra noho ny toetra hafa rehetra, ao anatin’izany ny firazanana, ny asa atao, ny toetoetra ara-batana, ny voninahitra, eny fa na dia ny fivavahana arahina aza. …
“Manana ny fahafahantsika misafidy isika, ary afaka misafidy izay toetra hamaritana antsika. Kanefa mila mahafantatra isika fa rehefa misafidy ny hamaritra ny tenantsika na hampahafantatra ny tenantsika amin’ny alalan’ny toetra sasantsasany izay tsy maharitra na tsy manan-danja, dia manamaivan-danja ny zavatra tena manan-danja momba antsika, ary manindrahindra be loatra ny zavatra izay tsy dia tena manan-danja. Afaka hitarika antsika ho eo amin’ny lalana diso izany ary hanohintohina ny fivoarantsika mandrakizay” (“Be Wise” [Brigham Young University–Idaho devotional, Nov. 7, 2006], byui.edu).