Testamenta Vaovao 2023
31 jolay–6 aogôsitra. Asan’ny Apostoly 22–28: “Mpanompo sy Vavolombelona”


“31 jolay–6 aogôsitra. Asan’ny Apostoly 22–28: —Mpanompo sy Vavolombelona,—” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“31 jolay–6 aogôsitra. Asan’ny Apostoly 22–28,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
Paoly ao am-ponja

31 jolay–6 aogôsitra

Asan’ny Apostoly 22–28

“Mpanompo sy Vavolombelona”

Vakio ombam-bavaka ao am-ponao ny Asan’ny Apostoly 22–28 mba hotarihan’ny Fanahy Masina ianao hahafantatra izay zavatra tokony hifantohana ka hanampy ny mpianatrao. Raketo an-tsoratra ireo hevitra tonga ao an-tsaina, mety ho ireo no fiandohan’ny drafitry ny fampianaranao.

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ny mpianatra hanoratra andinin-tsoratra masina iray avy ao amin’ny Asan’ny Apostoly 22–28 izay nanaitra azy ireo tamin’ity herinandro ity. Angony ireo valiny nomen’izy ireo ary iaraho mamaky ny vitsivitsy amin’ireo andininy ireo. Asao ny mpianatra maromaro hizara ny antony mampanan-danja ireo andininy ireo amin’izy ireo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Asan’ny Apostoly 22:1–21; 26:1–29

Ny fijoroana ho vavolombelona dia fanambarana fahamarinana mifototra amina zavatra fantatra na inoan’ny tena manokana.

  • Ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Paoly tamin’i Festosy sy i Agripa Mpanjaka dia mety ho fomba ahafahana miresaka momba ny dikan’ny hoe mijoro ho vavolombelona. Azonao atao ny mangataka ny mpianatra hamerina hamaky ny Asan’ny Apostoly 22:1–21 na 26:1–29. Inona no zavatra ianarantsika avy amin’ny ohatra nozarain’i Paoly mikasika ny fijoroana ho vavolombelona? Inona ireo fitsipika fanampiny momba ny fijoroana ho vavolombelona ianarantsika avy amin’ilay teny nambaran’ny Filoha M. Russell Ballard ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”? Ny fihirana na ny fitendrena ny hira “Le Saint-Esprit a témoigné” (Cantiques, no. 74) dia afaka manasa ny Fanahy ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo.

  • Na dia tsy nikatsaka ny tenivavolombelon’ny Fanahy izay noraisiny teny amin’ny lalana mankany Damaskosy aza i Paoly dia nandany ny androm-piainany sisa izy tamin’ny fikolokoloana ny fijoroana ho vavolombelona ananany sy ny fiarovana izany (jereo ny Asan’ny Apostoly 22:10, 14–16; 26:19). Ny ohatra nasehon’i Paoly dia afaka manampy ny mpianatrao hahatakatra fa ny fijoroana ho vavolombelona dia mitaky asa sy fahafoizan-tena. Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra mikasika izany dia angamba misy mpianatra iray afaka manoritsoritra ny ezaka ataony mba ho tonga mpitendry zava-maneno, na mpahaikanto, na mpanao fanatanjahan-tena havanana. Inona no mampitovy ny fampivoarana ny fahaiza-manao tahaka izany amin’ny fahazoana fijoroana ho vavolombelona sy ny fanatanjahana izany? Inona no ezaka tsy maintsy ataontsika mba hahazoana fijoroana ho vavolombelona sy hanatanjahana izany? (jereo koa ny Almà 5:46).

Asan’ny Apostoly 26:9–23

Manana andraikitra hanompo ny hafa isika.

  • Nantsoin’ny Tompo ho “mpanompo” i Paoly (Asan’ny Apostoly 26:16), saingy inona no dikan’io teny io? Mba hanampiana ny mpianatra hamakafaka ny fomba ahafahan’izy ireo manompo ny hafa, na misy fanomezana andraikitra mazava na tsy misy, dia afaka manoratra fanontaniana toy izao ianao eo amin’ny solaitrabe Inona no dikan’ny hoe manompo? Asao ny mpianatra mba hitady valiny ao amin’ireto loharanom-pitaovana ireto: Matio 20:25–28; Asan’ny Apostoly 26:16–18; 3 Nefia 18:29–32; Jean B. Bingham, “Manompo tahaka ny ataon’ny Mpamonjy,” Liahona, mey 2018, 104–7. Rehefa mizara ny zavatra hitany izy ireo dia amporisiho mba hifanakalo hevitra mikasika ireo fomba ahafahantsika rehetra manompo ny hafa, tafiditra ao anatin’izany ireo antsontsika ao amin’ny Fiangonana.

Asan’ny Apostoly 27

Rehefa manaraka ny tenin’ireo mpaminanin’ny Tompo isika, dia hitarika antsika sy hiaro antsika amin’ny ratsy Izy.

  • Asao ny mpianatra mba hiresaka momba ny valintenin’ilay kapiteny rehefa naminany i Paoly fa hianjadian’ny “fatiantoka be” ilay sambo ary hisy ny famoizana aina (jereo ny Asan’ny Apostoly 27:10–11). Nahoana no izany no navalin’ilay kapiteny? Azon’ny mpianatra atao angamba ny mizara ny zavatra ho nolazain’izy ireo an’ilay kapiteny mba hanampiana azy hanana finoana an’ilay faminanian’i Paoly. Inona avy ireo lesona azontsika ianarana avy amin’ny Asan’ny Apostoly 27 momba ny fanarahana ireo mpanompon’ny Tompo? Misy mpianatra sasany mety efa niaina zavatra tamin’ny fanarahan’izy ireo ny torolalan’ireo mpaminany na dia tsy nitovy tamin’ny hevitra nananan’ireo olona manodidina azy ireo aza izany. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra niainan’izy ireo.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Mijoro ho vavolombelona.

Niresaka momba ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Paoly teo anoloan’i Agripa Mpanjaka ny Filoha M. Russell Ballard:

“Ireo fivoriantsika fanaovana fijoroana ho vavolombelona dia ilaina afantoka kokoa amin’ny Mpamonjy sy ny fotopampianaran’ny filazantsara, ny fitahiana entin’ny Famerenana amin’ny laoniny ary ireo fampianarana ao amin’ny soratra masina. Ilaintsika soloina teny vavolombelona madio ireo tantara sy fanaovana tatritra ary toriteny. Mila manao izany ireo nomena andraikitra mba hiteny sy hampianatra mandritra ireo fivoriantsika miaraka amin’ny hery ara-potopampianarana izay sary ho heno no ho tsapa, izay hamelombelona ny fanahy no hanazava ny sain’ny olontsika. …

“… Na dia tsara foana aza ny maneho fitiavana sy fankasitrahana, dia tsy mandrafitra ilay karazana fijoroana ho vavolombelona izay handrehitra afom-pinoana eo amin’ny hafa ny fanehoana toy izany. Ny atao hoe mijoro ho vavolombelona dia —mijoro ho vavolombelona amin’ny alalan’ny Fanahy Masina; manao fanambarana matotra ny amin’ny fahamarinana, mifototra amin’ny fahalalana na finoan’ny tena manokana— [Torolalana ho an’ny soratra masina, “Mijoro ho vavolombelona,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org]. Ny fanambarana mazava ny fahamarinana dia mampisy fahasamihafana eo amin’ny fiainan’ny olona. Izany no manova ireo fo. Izany no azon’ny Fanahy Masina hamafisina ao am-pon’ireo zanak’ Andriamanitra” (“Pure Testimony,” Liahona, Nov. 2004, 41).

Manatsara ny fampianarantsika

Miomàna mialoha. “Rehefa misaintsaina ny fitahiana hoentin’ireo fitsipiky ny filazantsara ampianarinao amin’ireo mpianatrao ianao, dia hisy hevitra sy fahatsapana ho tonga eo amin’ny fiainanao andavanandro, eny eo am-pandehanana miasa, eo am-panaovana raharaha ao an-trano, eo am-pifandraisana amin’ny fianakaviana sy ny namana. Aza eritreretina ho toy ny zavatra anokananao fotoana ny fiomanana ara-panahy fa ho toy ny zavatra ataonao foana” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy12).

Hamoaka printy