Testamenta Vaovao 2023
7–13 aogôsitra. Romana 1–6: “Ny herin’ Andriamanitra ho famonjena”


“7–13 aogôsitra. Romana 1–6: —Ny herin’ Andriamanitra ho famonjena,—” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“7–13 aogôsitra. Romana 1–6,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
Paoly manoratra epistily iray

7–13 aogôsitra

Romana 1–6

“Ny herin’ Andriamanitra ho famonjena”

Vakio amim-bavaka ny Romana 1–6 sady eritrereto ireo mpianatrao. Hanampy anao izany haheno kokoa ny bitsiky ny Fanahy rehefa miomana hampianatra.

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Hevero ny hanome minitra vitsy ny mpianatra mba hikarohan’izy ireo ao amin’ny Romana 1–6 andininy iray izay nahazoan’izy ireo fanampiana avy amin’ny Fanahy Masina ny fahatakarana tsara kokoa azy. Azon’izy ireo zaraina amin’ny olona iray eo akaikin’izy ireo izany andininy nosafidin’izy ireo izany avy eo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Romana 1:16–17

“Tsy menatra ny filazantsara[n’i Kristy] aho.”

  • Olona maro no efa niaina fanarabirabiana noho ny finoana arahin’izy ireo. Mba hanampiana ny mpianatra amin’ny fotoana hiainan’izy ireo toe-javatra toy izany, dia afaka manasa azy ireo ianao mba hamaky ny Romana 1:16–17 sy hieritreritra ohatra avy ao amin’ny bokin’ny Asan’ny Apostoly izay nampiseho fa tsy menatra ny filazantsara i Paoly. Azon’ireo mpianatra atao koa angamba ny mizara ireo antony mahatonga azy ireo tsy hatahotra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Na afaka mizara zavatra niseho koa izy ireo izay nampisehoan’izy ireo na ny hafa fa tsy menatra ny filazantsara izy ireo.

    Sary
    mpianatra manangana ny tanan’izy ireo

    Afaka ny tsy ho menatra ny hizara ny fijoroana ho vavolombelona ananantsika momba ny filazantsara isika.

Romana 2:28–29

Ny maha-mpianatra marina dia hita amin’ny fanolorantena ao anatintsika fa tsy amin’ny zavatra ataontsika fotsiny.

  • Ahoana no fomba hanombantombanantsika ny maha-mpianatra antsika? Ny torohevitra natolotr’i Paoly ho an’ny Romana dia afaka manampy antsika mba hahatsiaro ny tokony hifantohana kokoa “amin’ny fo [sy] amin’ny fanahy” (Romana 2:29) fa tsy amin’ny zavatra atao ety ivelany. Mba hanampiana ny mpianatrao hahatakatra ny torohevitra nomen’i Paoly, dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny lahatsoratra avy ao amin’ny Romana 2:28–29. Soloy hoe Olomasin’ny Andro Farany ilay teny hoe Jiosy ary soloy hoe ny fanekempihavanana ilay teny hoe famorana. Inona no zavatra fanampiny entin’io fanovana io eo amin’ny fahatakarantsika ny fampianaran’i Paoly? Azonao atao ihany koa ny miresaka mikasika ireo zavatra izay ataontsika amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonana antsika, izay manan-danja sy mahery vaika kokoa rehefa natao “[tamin’ny fo sy tamin’ny fanahy]” (Romana 2:29).

Romana 3–6

“Teo amin’izay nihabiazan’ny ota no nihoaran’ny fahasoavana be lavitra.”

  • Ahoana no ahafahanao manampy ny mpianatra hahatakatra ireo fampianaran’i Paoly momba ny finoana sy ny asa ary ny fahasoavana? Hevero ny hizara ireto trangan-javatra anankiroa noforonina ireto mba hanampiana azy ireo hahatakatra fa tsy tokony handray ny asa soa nataontsika ho toy ny fomba hanaporofoana ny fahamendrehantsika isika, na koa handray ny fahasoavan’i Kristy ho toy ny antony iray hanadiovana tena eo anatrehan’ny fahadisoana nataontsika sy ny fahotantsika. Afaka mitady ireo fahamarinana ao amin’ny Romana 3:20–31; 5:1–2; 6:1–2, 21–23 izay afaka manampy an’i Gloria sy i Justin ny mpianatra. Inona avy ireo fahamarinana hafa ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” izay afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny asa feno fahamarinana sy ny fahasoavan’i Kristy?

    Trangan-javatra noforonina 1

    Misy namana iray antsoina hoe Gloria izay mahatsapa ho rera-tsaina eo anatrehan’ireo ezaka ataony mba ho mpianatra mahatoky. Miezaka mafy izy manao ny zavatra rehetra izay tsapany fa tokony hataony, kanefa matetika izy no miahiahy sao tsy ampy ireo ezaka ataony. “Ampy ve ny ezaka ataoko?” hoy izy manontany tena. “Ho eken’ny Tompo ve aho?”

    Trangan-javatra noforonina 2

    Misy namana iray antsoina hoe Justin izay tsy miraharaha loatra ny hanao safidy tsara. Mino an’i Jesoa Kristy izy, manatrika ireo fivoriam-piangonany ary ray be fitiavana sy mpiara-monina tsara. Na izany aza dia tsy nisafidy ny hiaina ireo fenitra izay hahafahany ho mendrika ny hahazo fahazoan-dalana hidirana ny tempoly izy. Rehefa manandrana mamporisika azy hiomana ho any amin’ny tempoly ny namany sy ny fianakaviany dia izao no havaliny: “Olona tsara aho. Mino an’i Kristy aho. Efa nanefa ny saran’ny fahotako Izy, ary tsy mino aho hoe tsy horaisiny ao amin’ny fanjakana selestialy aho noho ny zavatra madinika tahaka izany.”

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Finoana, fahasoavana ary asa.

Trangan-javatra noforonina 1

  • Etera 12:27

  • Môrônia 10: 32–33

  • J. Devn Cornish, “Manana fahatsarana ampy ve aho? Ho tonga any ve aho?,” Liahona, nôv. 2016, 32–34

  • Nampianatra ny Filoha Dieter F. Uchtdorf hoe: “Tsy azo vidina amin’ny fankatoavana ny famonjena fa tsy maintsy efaina amin’ny ran’ilay Zanak’ Andriamanitra.… Fanomezan’ Andriamanitra ny famindrampo, ary ny faniriantsika hankatò ireo didin’ Andriamanitra tsirairay no mampiseho an’ Andriamanitra fa te handray an’io fanomezana masina avy amin’ny Ray any an-danitra io isika” (“Ny fanomezam-pahasoavan’ny famindrampo,” Liahona, mey 2015, 109–10).

Trangan-javatra noforonina 2

  • Jakoba 2:17–26

  • Helamàna 12:23-24

  • D. Todd Christofferson, “Hitoetra ao amin’ny fitiavako,” Liahona, nôv. 2016, 48–51

  • Nampianatra ny Filoha Uchtdorf hoe: “Raha fanomezana avy amin’ Andriamanitra ny famindrampo, nahoana ary izany no zava-dehibe tokoa ny fankatoavana ireo didin’ Andriamanitra? Nahoana no mbola misahirana amin’ireo didin’ Andriamanitra—na ny fibebahana, rehefa dinihana? … Ny fankatoavantsika ireo didin’ Andriamanitra dia ho lasa toy ny vokatry ny fitiavantsika sy fankasitrahantsika tsy misy fetra noho ny hatsaran’ Andriamanitra. Io endri-pitiavana sy fankasitrahana madio io no hampitambatra amin’ny fomba mahagaga ny zavatra ataontsika sy ny famindrampon’ Andriamanitra” (“Ny fanomezam-pahasoavan’ny famindrampo,” 109).

Manatsara ny fampianarantsika

Araka ny fitaomam-panahy no niantsoana anao. Amin’ny maha-mpampianatra anao dia voantson’ny Tompo ianao hitondra fitahiana ho an’ireo zanany. Tian’ny Tompo hahomby ianao, ka raha manana fiainana izay mendrika ny hahazo fanampiana avy Aminy ianao, dia hanome ny fanambarana izay katsahinao Izy. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy5.)

Hamoaka printy