Testamenta Vaovao 2023
14–20 aogositra. Romana 7–16: “Reseo amin’ny soa ny ratsy”


“14–20 aogositra. Romana 7–16: —Reseo amin’ny soa ny ratsy—” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“14–20 aogositra. Romana 7–16,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
ireo sisa tavela tamin’i Roma fahiny

14–20 aogositra

Romana 7–16

“Reseo amin’ny soa ny ratsy”

Vakio ny Romana 7–16 ary raketo an-tsoratra ireo fahatsapana voarainao momba ny fomba hanampiana ny mpianatra hianatra avy amin’ny soratra masina. Rehefa misaintsaina ny zavatra tsapanao ianao dia afaka mitarika any amin’ny sahanasa fianarana tena manan-danja izany.

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Hevero ny hamaky ny Romana 10:17 sy ny 15:4 ary hangataka ireo mpianatra hizara soratra masina avy ao amin’ny Romana 7–16 izay mampiorina ny finoan’izy ireo amin’i Jesoa Kristy na manome fanantenana azy ireo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Romana 8:14–18

Afaka ny ho lasa “mpiray lova amin’i Kristy” isika.

  • Amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany antsika dia mino isika fa ny andian-teny toy ny hoe “mpandova an’ Andriamanitra” sy ny hoe “mpiray lova amin’i Kristy” dia midika fa afaka ny ho lasa tahaka ny Ray any An-danitra sy hahazo izay rehetra ananany isika rehefa manampy antsika i Jesoa Kristy (Romana 8:17, jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 132:19–20). Mba hanampiana ireo mpianatra hahita ny fomba ampianarana io fotopampianarana io manerana ny soratra masina dia azonao asaina izy ireo handeha tsiroaroa na hifampizara ao anatina vondrona kely vitsivitsy ka handalina ny sasany amin’ireo soratra masina voatanisa ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.” Avy eo ireo mpianatra dia afaka mizara ny zavatra nianarany sy mifanakalo hevitra momba ny antony maha-manan-danja tokoa io fotopampianarana io.

  • Ilay fifanahafana nomen’ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” dia afaka manampy ny mpianatra hifanakalo hevitra mikasika ny fomba ahafahantsika miomana ho lasa “mpandova an’ Andriamanitra” (Romana 8:17). Inona avy ny sasany amin’ireo “lalàna sy fitsipika” resahin’ny Loholona Oaks? Mampiova inona eo amin’ny fiainantsika ny fahafantarana fa afaka ny ho lasa “mpandova an’ Andriamanitra sy mpiray lova amin’i Kristy” isika? Romana 8:17

Romana 8:18, 28, 31–39

“Iza no hahasaraka antsika amin’ny fitiavan’i Kristy?”

  • Ny fiarahana miresaka mikasika ny Romana 8 dia mety hanome fahafahana hanampy ny mpianatra hahatsapa ny fitiavan’ny Mpamonjy. Eritrereto ny hampiseho sarin’i Jesoa Kristy (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana) eo am-pamakianareo ao an-dakilasy ny Romana 8:18, 28, 31–39. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara izay eritreritra na fahatsapana ananan’izy ireo rehefa avy namaky ireo andininy ireo. Mety hisy sasany te hizara ny fomba nahazoany fijoroana ho vavolombelona momba ireo fahamarinana hitany tao amin’ireo andininy ireo.

Romana 13:8–10

Ny didin’ Andriamanitra rehetra dia tanteraka ao anatin’ny didy hoe hitia.

  • Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny hoe nahoana ny didy rehetra no “samy efa ao anatin’” ny didy hoe hitia ny namana (Romana 13:9), dia asao izy ireo hanoratra ny didy rehetra tonga ao an-tsainy eny amin’ny solaitrabe. Iaraho mamaky ny Romana 13:8–10 sy ny Matio 22:36–40, ary ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny mpianatra ny zavatra mampifandray ny fitiavana an’ Andriamanitra sy ny namantsika amin’ny fankatoavana ny tsirairay amin’ireo didy voatanisa eny amin’ny solaitrabe. Ahoana no hanovan’io fahamarinana io ny fomba fieritreretantsika ny didy sy ny fankatoavana? Ohatra, inona no ampianarin’io fahamarinana io momba ny tanjon’ny didy?

Romana 14

“Koa aza mifampitsara intsony isika.”

  • Mba hanomezana sahan-kevitra vitsivitsy ny Romana 14, dia azonao hamafisina fa nifanditra mikasika ny fomba amam-panao toy ny sakafo hohanina sy ny fitandremana ny andro masina ireo Olomasina Romana. Inona no toe-javatra mitovy amin’izany izay iainantsika amin’izao fotoana izao? Angamba ny mpianatra afaka mamaky ny Romana 14 ary mamintina ny torohevitr’i Paoly ao anatin’ny fehezan-teny iray. Inona no torohevitra azontsika ifampizarana mikasika ny fomba hisorohana ny fitiavana mitsaratsara? Mety hahita hevitra avy ao amin’ny hafatry ny Filoha Dieter F. Uchtdorf’s hoe “Izay miantra no hiantrana,” Liahona, mey 2012, 70–77 ireo mpianatra.

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Mandray “izay rehetra ananan’ny [Ray]” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:38).

Nitantara izao fanoharana manaraka izao ny Filoha Dallin H. Oaks:

“Nahafantatra ny ray mpanankarena iray fa raha hanolotra ny hareny amin’ny zanany izay mbola tsy nanana ny fahendrena sy ny haja ilaina amin’izany izy dia mety ho verivery foana ilay lova. Hoy ilay ray tamin’ny zanany:

“‘Maniry ny hanome anao ny zava-drehetra izay ananako aho—tsy ny hareko fotsiny ihany fa ny toerako sy ny lazako eo anivon’ny olona koa. Azoko omena anao mora foana ny zavatra izay ananako fa ny maha-izaho ahy kosa dia tsy maintsy ianao ihany no mikatsaka izany. Amin’ny alalan’ny fianaranao ny zavatra nianarako sy ny fiainanao amin’ny fomba niainako no hahafenoanao ny fepetra takina hahazoanao ny lovanao. Homeko anao ny lalàna sy fitsipika nahazoako ny fahendreko sy ny hajako. Araho ny ohatra napetrako, mahafehy zavatra tahaka ny nahaizako nifehy, dia ho lasa tahaka ahy ianao ka ho anao izay rehetra ahy.’” (“The Challenge to Become,” Ensign, Nov. 2000, 32).

Manatsara ny fampianarantsika

Mitadiava loharanom-pitaovana mba hanohanana ireo fitsipika. Ankoatra ireo hevitra hoenti-mampianatra ato amin’ity rindran-damina ity dia afaka manamboatra ireo asa atao avy ao amin’ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana ianao mba hampiasaina ao amin’ny kilasinao. (Jereo koa ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 17–18.)

Hamoaka printy