Testamenta Vaovao 2023
21–27 aogositra. 1 Korintiana 1–7: “Ho tafakambana tsara hianareo”


“21–27 aogositra. 1 Korintiana 1–7: —Ho tafakambana tsara hianareo—” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“21–27 aogositra. 1 Korintiana 1–7” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Korinto fahiny

Corinth, Southern Greece, the Forum and Civic Center (Korinto, Faritra Atsimon’i Grèce, Ivon-toeram-pivoriana sy fitantanan-draharaha), sary hosodoko nataon’i Balage Balogh/www.ArchaeologyIllustrated.com

21–27 aogositra

1 Korintiana 1–7

“[Aoka] ho tafakambana tsara hianareo”

Nampianatra ny Loholona Jeffrey R. Holland fa ny ankamaroan’ny olona dia “tonga [ao am-piangonana] mba hitady traikefa ara-panahy” (“A Teacher Come from God,” Ensign, May 1998, 26). Rehefa mamaky ny 1 Korintiana 1–7 ianao dia saintsaino ombam-bavaka ny zavatra azonao atao mba hampisy zavatra iainana ara-panahy ao amin’ny kilasinao.

sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Asao ny mpianatra hanoratra ny zavatra nataony noho ny zavatra nianarany avy amin’ny soratra masina. Manasà mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratany.

sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

1 Korintiana 1:10–17; 3

Miezaka ny hiray hina ny mpikambana ao amin’ny fiangonan’i Kristy.

  • Ny firesahana ireo toko vitsivitsy voalohany ao amin’ny 1 Korintiana dia mety ho fomba iray ahafahana manorina firaisan-kina lehibe kokoa eo anivon’ny mpikambana ao amin’ny paroasy. Azonao atomboka izany amin’ny alalan’ny fangatahana ny mpianatra hiresaka momba ny fikambanana, na vondrona, na ekipa iray nisy azy ireo izay tena nahay niray hina tokoa. Nahoana io vondrona io no nahatsapa ho niray hina tokoa? Aorian’izay ianareo dia afaka mamakafaka ny sasany amin’ireo fampianaran’i Paoly momba ny firaisan-kina ao amin’ny 1 Korintiana 1:10–13; 3:1–11. Inona no ampianarin’ireo andininy ireo, miaraka amin’ny zavatra niainantsika, mikasika ny zavatra izay mampisy firaisan-kina sy izay mitady hanimba izany? Inona no karazana fahafoizan-tena ilaintsika atao mba hanatratrarana ny firaisan-kina? Inona avy ireo fitahiana tonga amin’ireo izay miray hina? Jereo ihany koa ny fanahafana nozarain’ny Rahavavy Sharon Eubank ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”

  • Nampiasa sarina trano iray i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 3:9–17 mba hamporisihana ny olona hiray hina . Ahoana no ahafahan’io fifanahafana io manampy ny mpianatrao hahatakatra kokoa ny hoe firaisan-kina? Ohatra, rehefa avy miara-mamaky ireo andinin-tsoratra masina ireo ianareo dia azonao omena goba iray ny mpianatra tsirairay dia miaraha miasa handrafitra zavatra iray. Eo amin’ny lafiny inona no maha-“trano arafitr’ Andriamanitra” antsika? (1 Korintiana 3:9). Ahoana no handrafetan’ Andriamanitra antsika tsirairay avy? Inona no iarahantsika manorina amin’ny maha-samy Olomasina antsika? Inona no azontsika atao amin’ny maha-paroasy miray hina antsika, kanefa tsy ho azontsika atao mihitsy raha isika samirery?

1 Korintiana 1:17–31; 2; 3:18–20

Mila ny fahendren’ Andriamanitra isika raha hanatanteraka ny asan’ Andriamanitra.

  • Indro misy hevitra hanampiana ny mpianatrao hiantehitra amin’ Andriamanitra: Zarao ho vondrona maromaro ny mpianatrao, ary angataho izy ireo hamaky ny 1 Korintiana 1:17–31; 2; na ny 3:18–20 ary hitady teny toy ny hoe hendry sy adala. Aorian’izay izy ireo dia afaka mizara ao anatin’ny vondrona misy azy ny zavatra ampianarin’ireo andininy ireo momba ny fananana fahendrena eo amin’ny fanaovana ny asan’ny Tompo. Inona avy ireo zavatra momba ny filazantsara izay mety ho toy ny hadalana ho an’ny olona sasany? Ahoana no hanehoan’ireo zavatra ireo ny fahendren’ Andriamanitra? Azon’ny mpianatra atao tsara koa ny mizara zavatra niainana izay nanehoan’izy ireo fahatokiana ny fahendren’ Andriamanitra, fa tsy ny azy ireo manokana, mba hanatanterahana ny asany.

1 Korintiana 6:9–20

Masina ny vatantsika.

  • Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra momba ireo andininy ireo dia afaka manoratra fanontaniana tahaka izao manaraka izao eny amin’ny solaitrabe ianao: Ahoana no fomba tian’ny Tompo hijerentsika ny vatantsika? Inona no tsy mampitovy izany amin’ny fomba tian’i Satana hieritreretantsika ny vatantsika? Inona no dikan’ny hoe tempolin’ny Fanahy Masina ny vatantsika? Asao ny mpianatra hitady ny valin’ireo fanontaniana ireo ao amin’ny 1 Korintiana 6:9–20 (jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:15; Mosesy 6:8–9).

  • Azo ampidirina ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra ataonareo momba ny fahamasinan’ny vatantsika ny resadresaka momba ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena. Azonao atao tsara ny manontany ireo mpianatrao ny zavatra nianaran’izy ireo tamin’i Paoly, sy avy amin’ireo loharanom-pitaovana hafa an’ny Fiangonana ihany koa, izay afaka manampy azy ireo hanazava amin’ny hafa ny maha-manan-danja ny fahadiovam-pitondrantena. Ny sasany amin’ireo loharanom-pitaovana ireo dia mety ahitana ireo izay voatanisa ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”

sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

“Ny fahasamihafana dia azo avadika ho tombontsoa.”

Ny Rahavavy Sharon Eubank dia nanazava ny fomba ataon’ny ekipa mpifaninana mivoy lakana hanatratrarana ny firaisan-kina:

“Tsy maintsy sady maneho ny fahaleovan-tenany tanteraka ireo mpivoy lakana no mijanona ho mahatoky amin’ny fahaiza-manao ananan’ny tsirairay avy. Tsy noho ny fitovian’ny fahaizan’ny olona rehetra ao anatin’ny ekipa no handresena amin’ny fifaninanana. Ny ekipa mahay dia voarafitry ny fahaiza-manao mifangaro. Misy olona iray mitarika ny zavatra atao, olona iray mitsitsy aina mba hatanjaka, olona iray mitolona mafy, olona iray mampihavana. Tsy misy mpivoy lakana sarobidy kokoa noho ny iray hafa fa ilain’ilay lakana avokoa izy rehetra, kanefa raha te-hiara-hivoy tsara izy ireo, dia samy tokony hampifanaraka izay ataony amin’ny filana sy ny fahaiza-manaon’ny tsirairay, ny olona fohy tanana hanakatra lavidavitra kokoa, ny olona lava tanana tsy maninjitra be loatra ny tanany.

“Ny fahasamihafana dia azo avadika ho tombontsoa fa tsy fatiantoka.” (“Amin’ny alalan’ny fiombonam-pihetseham-po no ahazoantsika hery amin’ Andriamanitra,” Liahona, nôv. 2020, 56; jereo ny Daniel James Brown, The Boys in the Boat: Nine Americans and Their Epic Quest for Gold at the 1936 Berlin Olympics [2013], 161, 179).

Ny fitahiana avy amin’ny fahadiovana ara-pitondrantena

Jeffrey R. Holland, “Personal Purity,” Ensign, Nov. 1998, 76.

David A. Bednar, “Mino isika fa tokony ho madio fitondrantena,” Liahona, mey 2013, 42.

Manatsara ny fampianarantsika

Mijoroa ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. I Paoly dia “tsy tonga tamin’ny teny sy fahendrena marevaka, raha nitory … ny zava-miafina izay an’ Andriamanitra” (1 Korintiana 2:1). Ny fijoroana ho vavolombelona tsotra zarainao momba ny Mpamonjy dia afaka manana fiantraikany lalina.