Testamenta Vaovao 2023
28 aogôsitra–septambra 3. 1 Korintiana 8–13: “Hianareo no tenan’i Kristy”


“28 aogôsitra–septambra 3. 1 Korintiana 8–13: —Hianareo no tenan’i Kristy,—” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“28 aogôsitra–septambra 3. 1 Korintiana 8–13,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
fivoriana fanasan’ny Tompo

28 aogôsitra–septambra 3

1 Korintiana 8–13

“Hianareo no tenan’i Kristy”

Nampianatra ny Loholona Richard G. Scott hoe “mety hamela fitarihan’ny Fanahy izay faran’izay sarobidy sy ho an’ny tena manokana ho tsy ho re” isika raha toa ka tsy mirakitra “ireo bitsika voalohany tonga eo [amintsika]” na tsy mandray andraikitra eo anatrehan’izany isika” (“To Acquire Spiritual Guidance,” Liahona, nôv. 2009, 8).

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ao amin’ny 1 Korintiana 8–13, i Paoly dia nampianatra fahamarinan’ny filazantsara amin’ny alalan’ny fampiasana fanoharana toy ny mpihazakazaka, ny tenan’olombelona ary ny “kipantsona mikarantsana” (jereo ny 1 Korintiana 9:24–25; 12:13–26; 13:1). Azonao hanontaniana ny mpianatra ny zavatra nianaran’izy ireo avy amin’ireo fanoharana ireo. Manampy antsika hahatakatra ireo fahamarinan’ny filazantsara amin’ny fomba ahoana ireo fanoharana ireo?

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

1 Korintiana 10:1–13

Manolotra fomba mba handosirana ny fakam-panahy Andriamanitra.

  • Ahoana no ahafahanao manampy ny mpianatra hahita ireo fahamarinana mafonja ao amin’ny 1 Korintiana 10:13? Hevitra iray ny fizarana ilay andininy ho lasa andian-teny fohy, ary omena tsirairay avy amin’izany ny mpianatra tsirairay, ary asao ny mpianatra hamerina hiteny ireo andian-teny ireo amin’ny fomba filazany azy manokana. Ohatra, inona no fomba hafa ilazana ny hoe “mahatoky Andriamanitra” na “alaim-panahy mihoatra noho izay zakanareo”? Azonao averina vakina avy eo ilay andininy amin’ny alalan’ny fampiasana ireo teny sasantsasany nambaran’ny mpianatra. Mety ho afaka hizara ny zavatra niainan’izy ireo ny mpianatra ka nahitan’izy ireo fa marina ireo fampanantenana izay ao anatin’io andininy io. Inona avy ireo hevi-baovao fanampiny azontsika amin’ireo andininy ao amin’ny Almà 13:27–28?

  • Aza mivalampatra loatra amin’ny fakam-panahin’olona iray manokana fa azonao atao ny mampifantoka ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny 1 Korintiana 10:13 amin’ireo fakam-panahy izay antsoin’i Paoly hoe: “zakan’olombelona.” Azon’ireo mpianatra atao ny manomboka izany amin’ny alalan’ny famantarana ireo fakam-panahy izay nampitandreman’i Paoly ao amin’ny andininy 1–12. Azon’izy ireo atao ihany koa ny manolotra ohatra miseho amin’izao fotoana izao momba ny fakam-panahy miseho mahazatra, toy ny tsy fahamarinan-toetra, ny fosafosa ary ny fitsaratsarana ny hafa. Fomba ahoana no mety ahafahan’ny olona iray, miaraka amin’ny fanampian’ Andriamanitra, “[hahatohitra]” amin’ireo fakam-panahy ireo?

1 Korintiana 10:-16–17; 11:23–30

Ny fanasan’ny Tompo no mampiray antsika amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’i Kristy antsika.

  • Ireo andininy ireo dia afaka hitarika any amin’ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny fomba ahafahan’ny fanasan’ny Tompo mampiray ny paroasinao eo am-panaovana ireo ezaka hitoviana kokoa amin’ny Mpamonjy. Azonao atao ny manomboka amin’ny famakiana ny 1 Korintiana 10:16–17 sy ny fikarohana ny mety ho dikan’ny teny hoe firaisana ao amin’io teny io (misy olona iray afaka mijery izay mety ho famaritana ao anatin’ny rakibolana). Ahoana no ahafahan’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo manampy antsika hahatsapa ho iray bebe kokoa? Inona no mampifandray an’ilay torohevitr’i Paoly hoe” aoka ny olona hamantatra ny tenany” amin’io tanjona io? (1 Korintiana 11:28).

1 Korintiana 12

Ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy dia omena mba ho tombontsoan’ireo zanaky ny Ray any An-danitra rehetra.

  • Mba hanampiana ny mpianatra hahita ohatra momba ny fitondran’ny fampivelarana ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy ananan’izy ireo fampandrosoana ho an’ny Fiangonana, dia hevero ny hanasa azy ireo hieritreritra fanomezam-pahasoavana ara-panahy nananan’ireo olona ao amin’ny soratra masina. Mba hahitana hevitra dia afaka mangataka azy ireo hamaky iray amin’ireo andinin-tsoratra masina mifandray ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny” ianao ary hilaza ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy izay heverin’izy ireo fa nananan’ilay olona. Afaka miresaka mikasika ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy izay hitan’izy ireo eo amin’ny izy samy izy izy ireo. Nahoana no fitahiana ho antsika rehetra ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy ananan’ireo olona ireo? Ahoana no ahafahantsika mampiasa ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy ananantsika ireo mba hitahiana ny hafa sy hanamafisana orina ny tenan’i Kristy na ny Fiangonany? (Jereo ny 1 Korintiana 12:12–31; jereo koa ny 1 Korintiana 14:12).

  • Mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny fomba hampivelarana ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy, dia asao izy ireo hamaky ny 1 Korintiana 12:27–31; Môrônia 7:48; 10:23, 30; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 46:8. Inona no ampianarin’ireo soratra masina ireo antsika momba ny fomba hahazoana fanomezam-pahasoavana ara-panahy? Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny fampivelarantsika ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy manao izay hitoviantsika kokoa amin’i Kristy? Asao ireo mpianatra hifidy fanomezam-pahasoavana iray izay tian’izy ireo ho azo, ary hikatsaka ny fanampian’ny Tompo amin’ny fikatsahana izany.

1 Korintiana 13

Ny fiantrana no fanomezam-pahasoavana ara-panahy lehibe indrindra.

  • Afaka mangataka ny mpianatra ianao mba hisaintsaina amim-pahanginana ny 1 Korintiana 13 ary hieritreritra olona iray izay fantatr’izy ireo fa ohatra tsara eo amin’ny endrika iray na maro isehoan’ny fiantrana izay nambaran’i Paoly. Afaka miresaka mikasika ilay olona neritreretin’izy ireo ny mpianatra sasantasany sy ny zavatra niseho izay nahitana ny fanehoan’io olona io fiantrana. Azonao tanisaina eny amin’ny solaitrabe mihitsy aza ny ampahany amin’ny famaritana nataon’i Paoly ka asainao ny mpianatra mba hizara hevitra momba ny dikan’ny hoe, ny olona iray manam-piantrana dia “mahari-po” na “tsy mora sosotra” (1 Korintiana 13:4–5). Ahoana no fomba nampisehoan’ny Mpamonjy ireo toetran’ny fiantrana ireo? Inona avy ireo fahamarinana fanampiny ampianarin’ny Môrônia 7:46–48 momba ny fiantrana?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ohatra momba ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy hita ao amin’ny soratra masina.

Manatsara ny fampianarantsika

Iaino ireo fitsipika izay ampianarinao. Ny fiainana ireo fitsipika izay ampianarinao dia hanampy anao hijoro ho vavolombelona mahery vaika kokoa momba azy ireny. Nampianatra i Paoly hoe: “Toy izany koa no nandidian’ny Tompo, fa izay mitory ny filazantsara dia hahazo fivelomana amin’ny filazantsara” (1 Korintiana 9:14).

Hamoaka printy