Testamenta Vaovao 2023
4–10 septambra. 1 Korintiana 14–16: “Fa Andriamanitra tsy tompon’ny fikotranana, fa tompon’ny fiadanana”


“4–10 septambra. 1 Korintiana 14–16: —Andriamanitra tsy tompon’ny fikotranana, fa tompon’ny fiadanana—” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“4–10 septambra. 1 Korintiana 14–16,” Avia hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
toerana fanaovana batisa ao amin’ny tempoly

4–10 septambra

1 Korintiana 14–16

“Andriamanitra tsy tompon’ny fikotranana, fa tompon’ny fiadanana.”

Alohan’ny hamakiana ity rindran-damina ity dia vakio ny 1 Korintiana 14–16. Raketo an-tsoratra ny zavatra tsapanao voalohany mikasika ireo fahamarinana izay hanampy ny mpianatrao, ary tohizo ny fikatsahana fitarihana fanampiny avy amin’ny Fanahy rehefa miomana hampianatra ianao.

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Omeo minitra vitsy ny mpianatra hijerena ny 1 Korintiana 14–16 ka hitady andinin-tsoratra masina iray izay tsapany fa manan-danja manokana. Asao izy ireo hitady olona iray ao an-dakilasy izay azon’izy ireo hizarana ny andinin-tsoratra masina hitany ary hanazava ny antony nifidianany izany.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

1 Korintiana 14

Rehefa miara-mivory isika dia tokony hikatsaka ny hifampahery.

  • Ampiasao ny fampianaran’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 14 mba hampahatsiahivana ny mpianatra fa afaka manao izay handrosoan’ny tsirairay, na mifanohana sy mifankahery isika rehetra ao am-piangonana. Mety ho fomba tsotra iray hianarana ity toko ity ny manoratra fanontaniana iray eny amin’ny solaitrabe, toy ny hoe Inona no tokony ho tanjontsika rehefa miara-mivory isika? Asao ny mpianatra hitady izay valim-panontaniana azo omena ao amin’ny 1 Korintiana 14. Misy hevitra hafa azo jerena ao amin’ny Môrônia 6:4–5 sy ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 50:17–23. Rehefa mizara ny zavatra hitany ny mpianatra dia anontanio azy ireo ny fahitany ny fomba hanatanterahan’ny kilasinareo an’ireo tanjona ireo. Afaka mizara zavatra niainana ihany koa izy ireo izay nahatsapan’izy ireo hoe nanome hery azy ireo ny zavatra iray nozarain’ny mpianatra iray.

1 Korintiana 15

Satria nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy dia hitsangana amin’ny maty daholo isika rehetra.

  • Ahoana no fomba ampiasanao ny fijoroana ho vavolombelona nataon’i Paoly ao amin’ny 1 Korintiana 15 mba hampatanjahana ny fijoroana ho vavolombelona ananan’ny mpianatrao momba ny Fitsanganana amin’ny maty? Fomba iray azo hanaovana izany ny mizara ny mpianatra ho vondrona roa ary mangataka ny vondrona iray hitady ao amin’ny 1 Korintiana 15 ireo voka-dratsy ho nihatra tamintsika raha tsy nitsangana tamin’ny maty i Jesoa Kristy. Ilay vondrona iray hafa dia afaka mitady ireo fitahiana raisintsika noho ny Fitsanganany tamin’ny maty. Avy eo dia afaka manoratra ny zavatra nianarany eny amin’ny solaitrabe ny vondrona tsirairay. Inona no azon’izy ireo anampiana ny zavatra nosoratany rehefa avy namaky ny teny nolazain’ny Loholona D. Todd Christofferson ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”? Mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa ny Fanahy mandritra ity fifanakalozan-kevitra ity dia ampisehoy ny sary iray maneho ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty (jereo ny rindran-damina ho an’ity herinandro ity ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana) na milalaova na mihirà hira momba ny fitsanganana amin’ny maty.

  • Koa satria fanontanian’olona tsy nino ny fitsanganana amin’ny maty no novalian’i Paoly dia mety hahazo tombony avy amin’ny filalaovana an-tsehatra ny toe-javatra mitovitovy amin’ izany koa ny kilasinao. Ohatra, ahoana no mety hahafahan’izy ireo manamafy orina ny finoan’ny olon-tiana iray ny Fitsanganana amin’ny maty? Inona no hitantsika ao amin’ny 1 Korintiana 15 ka hanampy antsika hanazava ny antony ilàna sy porofon’ny Fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty? Inona no soratra masina hafa azontsika ampiasaina? (jereo ohatra ny Lioka 24:1–12, 36–46; Almà 11:42–45

    Sary
    masoandro miposaka

    Nampianatra momba ny fitsanganana amin’ny maty i Paoly tamin’ny alalan’ny firesahana ny “tenan’ny any an-danitra” ho toy ny masoandro (1 Korintiana 15:40).

  • Ny 1 Korintiana 15 dia iray amin’ireo toerana vitsivitsy ao amin’ny soratra masina izay hiresahana ny batisa ho an’ny maty (jereo ny andininy 29; jereo koa ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 128:18). Mety hoe azon’ny mpianatra atao ny mizara ny fifaliana niainany rehefa nanatanteraka batisa na ôrdônansy hafa ho an’ny razambeny izy ireo. Inona no mety ho antony niresahan’i Paoly ny batisa ho an’ny maty mba ho porofon’ny Fitsanganana amin’ny maty?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ny maha-zava-dehibe ny Fitsanganana amin’ny Maty.

Nampianatra ny Loholona D. Todd Christofferson hoe:

“Eritrereto vetivety ny maha-zava-dehibe ny Fitsanganana amin’ny maty eo amin’ny famahana tanteraka amin’izay ny mahakasika ny hoe iza marina moa i Jesoa avy any Nazareta sy ny momba ireo ady hevitra lehibe ara-pilôzôfia sy ireo fanontaniana lehibe eo amin’ny fiainana. Raha tena nitsangana tamin’ny maty ara-bakiteny tokoa i Jesoa, dia tsy maintsy mandeha ho azy avy amin’izany ny hoe olona iray manana ireo toetoetra maha-andriamanitra Izy. Tsy misyolombelona tsotra fotsiny hanana fahefana ho velona indray rehefa avy maty. Noho Izy nitsangana tamin’ny maty, dia tsy afaka ny ho mpandrafitra fotsiny ihany i Jesoa na ho mpampianatra fotsiny, na ho raby fotsiny na ho mpaminany fotsiny. Noho Izy nitsangana tamin’ny maty, dia tsy maintsy hoe Andriamanitra i Jesoa Kristy, dia ilay Zanaka Lahitokan’ny Ray.

“Noho izany, dia marina ireo zavatra izay nampianariny; tsy afaka mandainga Andriamanitra.

“Noho izany, dia Izy no Mpahary ny tany araka izay nolazainy.

“Noho izany, dia tena misy ny lanitra sy ny helo, araka izay nampianariny.

“Noho izany, dia misy ny tontolon’ny fanahy izay novanginy taorian’ny nahafatesany.

“Noho izany, dia Ho avy indray Izy araka ny nambaran’ilay anjely, ary —hanjaka eto an-tany mihitsy.—

“Noho izany, dia misy ny fitsanganana amin’ny maty sy ny fitsarana farany ho an’ny olon-drehetra” (“Ny fitsanganan’i Jesoa Kristy tamin’ny maty,” Liahona, mey 2014, 113).

Manatsara ny fampianarantsika

Fantaro ireo izay ampianarinao. Tsy misy olona roa tena mitovy izany. Manana foto-piaviana sy fomba fijery ary andian-talenta miavaka ny olona tsirairay avy. Mivavaha mba hahafantarana ny fomba azonao hampiasana ireo zavatra ireo mba hampandraisana anjara ny mpianatrao. Rehefa takatrao tsara kokoa ny momba ireo olona ampianarinao dia afaka manao izay hisian’ny fotoam-pampianarana manan-danja sy tsy hay hadinoina ho azy ireo ianao (jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 7).

Hamoaka printy