Testamenta Vaovao 2023
11–17 septambra. 2 Korintiana 1–7: “Mihavàna amin’ Andriamanitra anie hianareo”


“11–17 Septambra. 2 Korintiana 1–7: —Mihavàna amin’ Andriamanitra anie hianareo,—” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“11–17 Septambra. 2 Korintiana 1–7,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
Jesoa Kristy

11–17 septambra

2 Korintiana 1–7

“Mihavàna amin’ Andriamanitra anie hianareo”

Rehefa mamaky ny 2 Korintiana 1–7 ianao amin’ity herinandro ity, dia mieritrereta mpianatra manokana, ireo izay tonga manatrika sy ireo tsy tonga. Ahoana no ahafahan’ireo fitsipika ao anatin’ireo toko ireo hitahy azy ireo?

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Afaka mahazo tombontsoa avy amin’ny fihainoana ireo hevitra avy amin’ny izy samy izy mikasika ny fomba atao mba hampahomby kokoa ny fandalinan’izy ireo ny soratra masina ny mpianatra. Manokàna minitra vitsy hanaovana izany tsindraindray.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

2 Korintiana 1:3–7; 4:6–10, 17–18; 7:4–7

Afaka ny ho fitahiana ireo fitsapana mianjady amintsika.

  • Ireo zavatra niainan’i Paoly izay nosoritsoritany sy ny torohevitra nomeny ao amin’ny 2 Korintiana dia afaka manampy ny mpianatra hieritreritra ireo fitahiana izay mety ho tonga avy amin’ny fitsapana mianjady amin’izy ireo. Mba hanombohana fifanakalozan-kevitra iray dia afaka mangataka mpianatra iray ianao mba ho tonga any am-pianarana miaraka amin’ny fahavononana hiresaka momba ny fitsapana iray izay nitondra fitahiana teo amin’ny fiainany na momba ny zavatra nianarany avy amin’olona iray izay nizaka fitsapana. Avy eo dia omeo minitra vitsy ireo mpianatra hamerenany hijerena ny 2 Korintiana 1:3–7; 4:6–10, 17–18; sy ny 7:4–7, ary hikarohany ny zavatra nampianarin’i Paoly mikasika ireo tanjon’ny fitsapana sy ireo fitahiana azo avy amin’izany. Asao ireo mpianatra hizara ny zavatra hitany. Azonao atao ny manoro hevitra azy ireo hamaky mafy ireo andininy izay ahitany fampianarana manokana, ary avy eo hizara zavatra niainana iray na fijoroana ho vavolombelona mifandray amin’izany fampianarana izany.

  • Mba hanampiana zavatra ao anatin’ny fifanakalozan-kevitrareo, dia hevero ny hiaraka hihira ny hira ao amin’ny fihirana tian’ny mpianatra indrindra izay mijoro ho vavolombelona momba ny fampaherezana sy ireo fitahiana izay atolotry ny Mpamonjy antsika ao anatin’ny fotoam-pitsapana, toy ny “Fototra mafy orina” (Fihirana sy hiran’ny ankizy, lah. 12). Aorian’ny fiarahana mihira dia afaka manasa ny mpianatra ianao mba hitady andian-teny iray ao amin’ny 2 Korintiana 1 sy 4 izay tsapan’izy ireo fa mifandray amin’ny hafatra ao anatin’ilay hira ao amin’ny fihirana.

2 Korintiana 2:5–11

Fitahiana iray ny famelan-keloka izay sady atolotsika no raisintsika.

  • Isika rehetra dia efa samy niaina an’ilay hoe nisy olona iray “nampalahelo” antsika na ny fianakaviantsika (andininy 5). Angamba afaka mamaky ny 2 Korintiana 2:5–11 ny mpianatra, ka hitady torohevitra avy amin’i Paoly mikasika ny fomba tokony handraisantsika olona iray izay nanafintohina antsika. Hevero ny hanasa ny mpianatra hamaky ny Matio 5:43–48 sy Lioka 15:11–32 mba hianarana bebe kokoa momba ny fomba tokony handraisantsika ireo olona izay nanafintohina antsika. Nahoana isika no mandratra ny tenantsika sy ny hafa rehefa misafidy ny tsy hamela?

2 Korintiana 5:14–21

Afaka ny hihavana amin’ Andriamanitra isika amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

  • Maro ny olona tonga ao am-piangonana no manana faniriana te ho akaiky kokoa an’ Andriamanitra, ary ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny 2 Korintiana 5:14–21 dia afaka manampy azy ireo. Mba hanombohana izany dia afaka mikaroka ny dikan’ny teny hoe mihavana ny mpianatra, angamba atomboka amin’ny alalan’ny fitadiavana ilay teny ao amin’ny rakibolana izany. Inona no hevi-baovao atolotr’izany mikasika ny fihavanana amin’ Andriamanitra? Inona no hevi-baovao fanampiny azontsika avy amin’ilay lohahevitra hoe “Sorompanavotana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny soratra masina? Ahoana no fomba hanampian’ireo hevi-baovao ireo antsika hahatakatra ny 2 Korintiana 5:14–21? Azonao asaina ny mpianatra mba hizara ny zavatra tsapan’izy ireo momba ny Mpamonjy, izay ilay Sorompanavotana no ahafahantsika ho tafaray indray amin’ Andriamanitra.

2 Korintiana 7:8–11

Mitondra any amin’ny fibebahana ny alahelo araka an’ Andriamanitra.

  • Ny 2 Korintiana 7:8–11 dia manome fanazavana tena ilaina mikasika ny alahelo araka an’ Andriamanitra sy ny anjara asan’izany eo amin’ny fibebahana. Inona no ianarantsika momba ny alahelo araka an’ Andriamanitra avy ao amin’ny 2 Korintiana 7:8–11 sy ny avy amin’ny teny nambaran’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”? Nahoana no tena ilaina amin’ny fibebahana ny alahelo araka an’ Andriamanitra?

  • Mety ho entanim-panahy ianao handrisika ny hanaovana fifanakalozan-kevitra mivelatra kokoa mikasika ny fibebahana. Raha izany dia afaka manandrana manoratra zavatra toy izao ianao: Soraty eny amin’ny tabilao ny hoe Ny atao hoe fibebahana dia . Angataho ny mpianatra mba hitady fomba hamenoana ity andian-teny ity amin’ny alalan’ny fampiasana zavatra nianaran’izy ireo avy ao amin’ny 2 Korintiana 7:8–11, ary koa avy amin’ny soratra masina. Ahoana no ahafahantsika mampiasa ireo fampianarana ireo mba hanampiana olona iray hahatakatra ny fomba hibebahana amin-kitsimpo?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ny alahelo araka an’ Andriamanitra dia mitaona amin’ny fiovana sy fanantenana

Nanazava ny Filoha Dieter F. Uchtdorf hoe:

Ny alahelo araka an’ Andriamanitra dia mitaona amin’ny fiovana sy fanantenana amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Ny alahelon’izao tontolo izao dia misarika antsika hidina sy hamono ny fanantenana ary mandresy lahatra antsika hilefitra amin’ny fakam-panahy fanampiny.

Ny alahelo araka an’ Andriamanitra dia mitondra amin’ny fiovam-po sy fiovana ho olom-baovao. Mahatonga antsika hankahala ny fahotana izany sy hitia ny zavatra tsara. Mamporisika antsika izany hijoro sy handeha ao amin’ny fahazavan’ny fitiavan’i Kristy. Ny fibebahana marina dia resaka fiovana, fa tsy fampijaliana na fahoriana” (“Vitanao io, izao dia izao!,” Liahona, nôv. 2013, 56).

Manatsara ny fampianarantsika

Ampandraiso anjara ireo izay manana fahasahiranana. Indraindray ireo mpianatra manana fahasahiranana dia ilaina ampandraisina anjara fotsiny mba hahatsapany fa tiana izy. Diniho ny hanomezana azy ireo andraikitra mba handray anjara amin’ny lesona manaraka. Aza milavo lefona raha toa izy ireo tsy miraika amin’ny ezaka ataonao amin’ny voalohany. (Jereo ny Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy, 8–9.)

Hamoaka printy