Testamenta Vaovao 2023
18–24 septambra. 2 Korintiana 8–13: “Ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’ Andriamanitra”


“18–24 Septambra. 2 Korintiana 8–13: —Ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’ Andriamanitra,—” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“18–24 Septambra. 2 Korintiana 8–13,” Avia, hanaraka ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
I Jesoa miresaka amin’ny ankizy kely

18–24 septambra

2 Korintiana 8–13

“Ny mpanome amin’ny fifaliana no tian’ Andriamanitra”

Rehefa mamaky ny 2 Korintiana 8–13 ianao, dia eritrereto ireo olona ampianarinao ary mandrafeta sahanasa izay hanampy azy ireo hahita ireo fitsipika amin’ireo toko ireo. Dia halalino avy eo ity rindran-damina ity mba hahitana hevitra fanampiny.

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Ity misy fomba iray hanasana ny mpianatra hizara ny zavatra nianaran’izy ireo avy amin’ny 2 Korintiana 8–13: angataho ny vitsivitsy amin’izy ireo mba hanoratra eo amin’ny solaitrabe ny andian-teny tian’izy ireo indrindra avy amin’ny zavatra novakin’izy ireo ary hizara ny antony maha-manan-danja an’ireo andian-teny ireo ho azy ireo.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

2 Korintiana 8:1–15; 9:6–15

Mizara amim-pifaliana ny zavatra ananan’izy ireo ny Olomasina mba hitahiana ny mahantra sy ny sahirana.

  • Nandidy ny Olomasiny Andriamanitra hikarakara ireo sahirana, ary ireo andalan-tsoratra masina ao amin’ny 2 Korintiana 8–9 dia afaka mitondra aingam-panahy ho an’ny mpianatrao amin’ny ezaka ataony. Mba hanampiana azy ireo hahita ireo andalan-tsoratra masina ireo dia azonao soratana eny amin’ny solaitrabe ny fanontaniana toy ny hoe Nahoana isika no manome? ary Ahoana no fomba tokony hanomezantsika? Afaka mitady valinteny ao amin’ny 2 Korintiana 8:1–15 ny antsasaky ny mpianatra ary ilay antsasany iray hafa mitady ao amin’ny 2 Korintiana 9:6–15. (Afaka manazava ianao fa ao amin’ny toko 8, andininy 1–5 i Paoly dia nilaza fa ohatra amin’ny fahalalahan-tanana ireo Olomasina tao Makedonia.) Ahoana no mety hanampian’ireo fitsipika nampianarin’i Paoly antsika hikarakara tsara kokoa ny mahantra sy ny sahirana?

2 Korintiana 11:1–4

Tokony hifantoka amin’ny “fahitsiam-po amin’i Kristy” isika.

  • Indraindray ny mpikamban’ny Fiangonana dia mahatsapa ho sahiran-tsaina eo anatrehan’ireo zavatra takin’ny fiainana, ka tafiditra ao anatin’izany ny zavatra izay mety hitan’izy ireo ho toy ny zavatra takina amin’ny maha-Olomasin’ny Andro Farany azy ireo. Afaka manampy ny torohevitr’i Paoly momba ny “fahitsiam-po amin’i Kristy” (2 Korintiana 11:3). Afaka miaraka mamaky ny 2 Korintiana 11:3 angamba ianareo ary mifanakalo hevitra mikasika ny dikan’ilay andian-teny hoe “fahitsiam-po amin’i Kristy.” Azonao angatahina koa ny mpianatra mba haka sary an-tsaina hoe nasaina izy ireo mba hanome famaritana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy ho an’ny gazety iray, ka tsy atao mihoatra ny teny miisa 100 izany. Omeo fotoana izy ireo hanoratana ny famaritana homen’izy ireo ary avelao izy ireo hifampizara ny zavatra nosoratan’izy ireo. Raha mila fanampiana izy ireo dia afaka mamaky ny Jaona 3:16–17; 3 Nefia 27:13–21; ary ny teny nambaran’ny Filoha Dieter F. Uchtdorf ao amin’ny “Loharom-pitaovana fanampiny.” Afaka mizara hevitra momba ny fomba “hanatsorana ny fanomoran[tsika] ny hoe maha-mpianatra” ny mpianatra.

2 Korintiana 12:5–10

Ny fahasoavan’ny Mpamonjy dia ampy mba hanampy antsika hahazo hery ao anatin’ny fahalementsika.

  • Inona no holazainao amin’ny namana iray izay nivavaka mba hahazo fanamaivana amin’ny aretina iray nefa mahatsapa fa tsy misy valiny izany vavaka izany? Asao ny mpianatra hisaintsaina io fanontaniana io eo am-pamakiany amim-pahanginana ny 2 Korintiana 12:5–10. Avy eo izy ireo dia afaka mizara hevi-baovao avy amin’ireo andininy ireo izay mety hanampy ao anatin’izany toe-javatra izany. Afaka mizara zavatra niainana koa izy ireo izay nahazoan’izy ireo hery tao anatin’ny fahalemena, tamin’ny alalan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy na ny heriny sy ny fanampiany masiny. Inona no ho fiantraikan’izany zavatra niainana izany teo amin’ny fiainan’izy ireo? Nahoana no zava-dehibe ny matoky ny fotoan’ny Tompo?

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Afaka manatsotra ny fanomorantsika ny fiainana ny filazantsara isika.

Nampianatra ny Filoha Dieter F. Uchtdorf hoe:

“Tsy mila hasarotina, rahalahy sy anabavy ny fiainana ny filazantsara.

“Tena mahitsy izany. Azo hazavaina toy izao:

  • Mitarika antsika hino an’ Andriamanitra sy hatoky ny fampanantenany ny fihainoana amim-piniavana ny tenin’ Andriamanitra.

  • Rehefa matoky kokoa an’ Andriamanitra isika dia ho heniky ny fitiavana Azy sy ny hafa kokoa ny fontsika.

  • Maniry ny hanaraka an’ Andriamanitra sy hampifanaraka ny asa ataontsika araka ny teniny isika noho ny fitiavantsika Azy.

  • Noho ny fitiavantsika an’ Andriamanitra dia maniry ny hanompo Azy isika. Maniry ny hitondra fitahiana eo amin’ny fiainan’ny hafa isika ary hanampy ny mahantra sy ny sahirana.

  • Rehefa manohy hatrany ny dia eo amin’ity lalan’ny maha-mpianatra ity isika dia hanana faniriana bebe kokoa hianatra ny tenin’ Andriamanitra.

“Ary dia hitohy hatrany izany, ny dingana iray dia hitarika any amin’ny manaraka ary hameno antsika amin’ny finoana, fanantenana ary fiantrana tsy mitsaha-mitombo izany.

“Tsotra sy mitondra soa mahafinaritra amin’ny fomba mahafinaritra izany.

“Ry rahalahy sy anabavy, raha toa ka mieritreritra ianao fa tsy mandaitra loatra aminao ity filazantsara ity dia manasa anao aho hiato kely, hanombantombanana ny fiainanao amin’ny fijery avo avy eny amin’ny fiaramanidina ary hanatsotra ny fanomoranao ny hoe maha-mpianatra. Mifantoha amin’ireo fotopampianarana, fitsipika ary fampiharana fototry ny filazantsara. Mampanantena anao aho fa hitarika sy hitahy anao eo amin’ilay lalana hizoranao hahatongavana any amin’ilay fiainana feno fahombiazana Andriamanitra, ary hitondra soa ho anao tokoa ny filazantsara.” (“Mitondra soa izany!,” Liahona, nôv. 2015, 22).

Manatsara ny fampianarantsika

Miaraha miasa amin’ny olona ao amin’ny fianakaviana. “Ny olona izay manana hery tena mahery vaika hitarihana olona iray, ho amin’ny tsara na ho amin’ny ratsy, dia matetika ireo izay ao an-tokantranony. “Noho ny maha-ivon’ny fiainana sy fianarana ny filazantsara ny tokantrano, dia tena hahomby ny ezaka ataonao hanatanjahana ilay mpianatra iray rehefa miara-miasa amin’ny … olona ao anatin’ny fianakaviana ianao” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy8).

Hamoaka printy