Testamenta Vaovao 2023
25 septambra–1 ôktôbra. Galatiana: “[Mandehana] araka ny Fanahy”


“25 septambra–1 ôktôbra. Galatiana: —[Mandehana] araka ny Fanahy—” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: Testamenta Vaovao 2023 (2022)

“25 septambra–1 ôktôbra. Galatiana,” Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny Sekoly Alahady: 2023

Sary
I Kristy niseho tamin’i Paoly tao an-tranomaizina

Nitsidika an’i Paoly tany an-tranomaizina ny Mpamonjy nitsangana tamin’ny maty (jereo ny Asan’ny Apostoly 23:11). Afaka manavotra antsika amin’ny “ziogan’ny fanandevozana” i Jesoa Kristy (Galatiana 5:1).

25 septambra–1 ôktôbra

Galatiana

“[Mandehana] araka ny Fanahy”

Rehefa mamaky sy misaintsaina ombam-bavaka ny Galatiana ianao dia hampianatra anao ny zavatra hilainao zaraina amin’ny mpianatrao ny Tompo. Ny firaketana an-tsoratra ireo zavatra tsapanao dia maneho fankasitrahana an’ Andriamanitra noho ny fanampiany.

Sary
sary famantarana ny fizarana

Asao mba hizara

Matetika ny fandalinana soratra masina dia mitondra mankany amin’ny fifampiresahana manan-danja mikasika ny filazantsara miaraka amin’ny fianakaviana na ny namana. Nitranga teo amin’ireo mpianatrao ve izany tamin’ity herinandro ity? Asao izy ireo hizara ny zavatra niainany.

Sary
sary famantarana ny fampianarana

Ampianaro ny fotopampianarana

Galatiana 1:6–7; 3:1–5; 4:8–21; 5:1, 13–14

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy dia manome fahafahana.

  • Na boky inona na boky inona no halalinintsika ao amin’ny soratra masina dia ho mora amintsika kokoa izany rehefa fantatsika ny antony nanoratana azy. Noho izany antony izany dia mety ho tsara ny hanombahana ny fifanakalozan-kevitra hataonareo momba ny Galatiana amin’ny fanontaniana iray toy ny hoe “Inona araka ny eritreritrao no tanjon’i Paoly tamin’ny fanoratana ity epistily ity?” na “Inona no olana nezahin’i Paoly novahana?” Asao ny mpianatra hitady valiny ao amin’ny Galatiana 1:6–7; 3:1–5; 4:8–21. Nahoana no manan-danja amintsika amin’izao fotoana izao ny hafatra nolazain’i Paoly?

  • Ny sasany tamin’ireo Olomasina Galatiana dia nieritreritra fa tokony hanohy hiaina ny lalàn’i Mosesy izy ireo. Ho an’i Paoly dia toy ny niaina niaraka tamin’ny “ziogan’ny fanandevozana” izany raha oharina amin’ilay “fahafahana” atolotr’i Jesoa Kristy (Galatiana 5:1). Mba hanampiana ny mpianatrao hitrandraka ny fampianaran’i Paoly momba ny fahafahana sy ny fanandevozana, dia afaka mangataka azy ireo ianao mba hilaza toetra sy fihetsika izay mametra ny fivoarantsika ny fandrosoantsika ara-panahy (toy ny fomba amam-panao ara-kolotsaina, na fahazaran-dratsy, na finoana diso, na fifantohana amin’ny zavatra atao ety ivelany fa tsy amin’ny fiovam-po ao anaty). Araka ny Galatiana 5:1, 13–14, dia ahoana no fahitantsika ny fahafahana avy amin’ireo toetra sy fihetsika ireo? Ahoana no fomba niainantsika ilay fahafahana hita tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy? Ahoana no fomba hamaliantsika olona iray izay mahatsapa fa mametra ny fahafahan’ny tena manokana ny fiainana ny filazantsara?

Galatiana 5:16–26

Raha “[mandeha] araka ny Fanahy” isika dia handray ny “vokatry ny fanahy.”

  • Maro be ny olona sahirana amin’ny fahafantarana ny fitarihan’ny Fanahy. Afaka manampy ny Galatian 5. Azonao angatahina angamba ny mpianatra mba hamaky ny Galatiana 5:22–25 mba hitady ireo teny nampiasain’i Paoly mba hamaritana ny vokatry ny Fanahy. Fa nahoana ny vokatra no fanoharana tsara ampiasaina hilazana ny fomba hitarihan’ny Fanahy antsika? Azon’ny mpianatra atao tsara ny mizara ny fomba nisehoan’izany vokatra izany teo amin’ny fiainan’izy ireo na teo amin’ny fiainan’olon-kafa fantany. Tafiditra ao anatin’ireo loharanom-pitaovana sasany tokony hotrandrahina ny Matio 7:16–18; Jaona 14:26–27; Môrônia 7:13–17; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 11:12–13; ary ny teny nambaran’ny Filoha Gordon B. Hinckley ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny.”

Sary
paoma eo amin’ny hazo iray

Afaka mahazo ny “vokatry ny Fanahy” isika rehefa mikatsaka izany.

Galatiana 6:7–10

Raha mamafy “ho an’ny Fanahy” isika dia hijinja fitahiana amin’ny fotoana mahamety izany.

  • Ny fandalinana ny Galatiana 6:7–10 dia afaka manampy ny mpianatra hieritreritra lalindalina kokoa mikasika ny vokatra maharitra ateraky ny safidy ataon’izy ireo. Mba hanampiana azy ireo dia afaka mitondra masomboly isan-karazany ianao, miaraka amin’ny zavamaniry, na voankazo na legioma izay maniry avy amin’ireo voa tsirairay ireo (na afaka mitondra sarin’ireo zavatra ireo ianao). Afaka miara-miasa ny mpianatra mba hampifandray ny voa tsirairay amin’ny zavatra vokarin’izany. Avy eo izy ireo dia afaka mamaky ny andininy 7–10 ary miresaka mikasika ny dikan’ny hoe mamafy “ho [an’ny] nofo” sy “ho an’ny Fanahy.” (Mety hanampy ny hafatra avy amin’ny Loholona Ulisses Soares ao amin’ny “Loharanom-pitaovana fanampiny”.) Inona no jinjaintsika rehefa mamafy ho an’ny nofo isika? Inona no jinjaintsika rehefa mamafy ho an’ny Fanahy isika?

  • Ny sasany amin’ireo mpianatra dia mety hahatsapa ho “ketraka amin’ny fanaovan-tsoa” (Galatiana 6:9)—angamba satria tsy azon’izy ireo antoka hoe hitondra vokatra ny ezaka nataon’izy ireo. Ny firesahana ny Galatiana 6:7–10 dia mety hanampy. Ho fampidirana ireo andininy ireo dia afaka manasa olona iray ao amin’ny kilasy ianao hiresaka fohy mikasika ny fotoana izay nilany faharetana rehefa niezaka namboly zavatra. Inona no zavatra azon’io zavatra niainan’ilay olona io, miaraka amin’ny Galatiana 6:7–10, ampianarina antsika momba ireo ezaka ataontsika mba “[handehanana] ao amin’ny Fanahy”? (Galatiana 5:25).

Sary
sary famantarana ny loharanom-pitaovana

Loharanom-pitaovana fanampiny

Ny vokatry ny Fanahy.

Nampianatra ny Filoha Gordon B. Hinckley hoe: “Ianao dia hamantatra fa ireo bitsiky ny Fanahy amin’ny alalan’ny vokatry ny Fanahy, ka izay manazava ny saina, izay manamafy orina, izay marina sy mifono fanamafisana, ary izay mampahery sy mitondra antsika hanana eritreritra tsara kokoa sy hampiasa teny tsara kokoa ary hanao asa tsara kokoa dia avy amin’ny Fanahin’ Andriamanitra” (Teachings of Presidents of the Church: Gordon B. Hinckley [2016], 121).

Mamafy amin’ny Fanahy.

Ny Loholona Ulisses Soares dia nanazava fa: “Ny hoe mamafy ho an’ny Fanahy dia midika hoe tokony hampiakatra antsika ho eo amin’ny haavon’ny fahamasinan’ireo ray aman-drenintsika any an-danitra ny eritreritra sy ny teny ary ny fihetsika rehetra ataontsika. Kanefa ny soratra masina dia mamaritra ilay toetra ara-batana na ara-nofo eo amin’ireo olona araky ny nofo, izay ahafahan’ny olona ho voasariky ny firehetam-pon’ny nofo, ny fanirian’ny nofo, ny fahalianan’ny nofo sy ny fandrisihan’ny nofo raha tokony mba hitady fitaomana avy amin’ ny Fanahy Masina anefa” (“Mitoera ao amin’ ny faritry ny Tompo!,” Liahona, mey 2012, 39).

Manatsara ny fampianarantsika

Ampio ny mpianatra hifanohana. “Ny olona tsirairay ao amin’ny kilasinao dia loharano manan-karena fijoroana ho vavolombelona, hevi-baovao ary traikefa eo amin’ny fiainana ny filazantsara. Asao izy ireo hifampizara sy hifampahery” (Mampianatra araka ny fomban’ny Mpamonjy5).

Hamoaka printy